Evolution

1. tealala ( 22/08/2016 12:46)
http://www.lamed.fr/index.php?id=1&art=369
"Plus j'avance dans le domaine de la science et plus je crois en D.ieu"
novalian'i endriny ny 08/10/2016 16:44
2. tealala ( 22/08/2016 12:47)
Ho an'i rhajo io tonga dia tohero hatramin'ny farany io fanazavana io mba ahitanay azy hoe, tsongoloy daholo izay diso ao anatiny.
3. rhaj0 ( 22/08/2016 15:27)
io resak'i Einstein ao @ Lamed.fr nosintominao io... Jereo tsara fa TSISY reference mba amena, fa tonga dia tonontononin'i Lamed.fr fotsiny i Einstein.. Io ho'a ilay fomba fi(s)ainan'ny "mpino": tonga dia resaka latsaka avy any an-danitra no adoboka, tsisy fanadihadiana sy fanazavana.. dia iny tokoany fa ataon-dry Tealala (mpino) fiki-maty eto.

Fa dia aleo mihintsy aloha dia diovina eo am-panombohana ny resaka.

Inty misy reference, ary efa noresahina teto
http://forum.serasera.org/forum/message/m558048822e21b

EINSTEIN:
http://www.cnn.com/2015/06/15/us/einstein-letters-auction/index.html

In a 1945 letter to Guy H. Raner, Einstein described himself as an atheist.

"From the viewpoint of a Jesuit priest I am, of course, and have always been an atheist. ... It is always misleading to use anthropomorphical concepts in dealing with these outside of the human sphere -- childish analogies," he wrote..

(...) Four years later, he wrote to Raner again...

"I have repeatedly said that in my opinion the idea of a personal God is a childlike one," he wrote. "I prefer an attitude of humility corresponding to the weakness of our intellectual understanding of nature and of our own being."
4. rhaj0 ( 22/08/2016 15:32)
Dia hehezin'ny akoho toka-nify ny resak'i Lamed.fr eee... dia talanjona aho hoe, dia izany ve no andrianinao, dia ataonao fiki-maty eto ry Tealala??

Hozy i Lamed.fr
1. d'abord il y a eu l'apparition de masses gazeuses tourbillonnantes,
2- puis est apparue la Terre,
3. suivie par les planètes, les poissons, les oiseaux, les animaux et pour finir l'homme.
4. On remarquera bien sûr que la science nous propose le même schéma !



Dia ny "planeteS" izany no ni-"apparaitre" TAORIAN'i Laterre.
Dia ny Siansa koa hono ni-propose toa izany.

Taiza ianareo no nianatra Science sy Tealala? Any @ sinagaogy???

5. tealala ( 22/08/2016 16:44)
Hasard ihany izany no nisiantsika ry rhajo?
6. rhaj0 ( 22/08/2016 17:20)
Raha azonao ny mecanisme-n'ilay naha-antsika antsika, dia .. kOpy ianao izany fa tsisy "hasard" teo fa misy izay mecanisme izay.

Fa raha tsy azonao indray, dia ... ny anareo moa izany dia, iny dia akapoka @ Andmntra/yvwh/... sy izay fanazavana nataon'ny olombe de l'an -3000 tany, mifototra t@ izay niveau de connaissance-ny t@ izany.

Fa raha izaho aloha, dia efa hoe TSY azoko na haiko daholo, fa efa hoe koa ho'a hoe, mahatoky aho fa "science in progress" io, ka hazava foana io any aoriana any.
7. lahindroy ( 22/08/2016 18:48)

tealala:

Hasard ihany izany no nisiantsika ry rhajo?


salama jiaby
fanontaniana vitsy no atolotro ho dinihantsika :

1.aiza no ahitana ny fandrosoana eo amin'ny fahalalana ny natiora ?
-avy ao anaty baiboly (Torah...) ve sa kosa avy amin'ireo toera-pikarohana manerana ny vaza-tany mampiasa ny rijankevitra mifototra tamin'ny hevitra natolotry Darwin , 150 taona lasa izay ? (fiovana idiran'ny kisendrasendra ary mitera-boary vaovao , sivana voajanahary ...sy ny hevi-baovao naterak'ireo taty aoriana )

2.aiza ho aiza ny toerana ampiasan'ny siantifika ny atao hoe "hasard" eo amin'ny saham-pikarohana (na microbiologie izany na génétique na koa physique quantique ...) ; maneho ny tsy fahalalana ve izy ireny sa rafi-pitaovana tena misy eo amin'ny natiora tokoa ?

3.nipoitra tampoka tamin'ny alalan'ny kisendrasendra tokoa ve ny maso ohatra raha ny foto-kevitra natolotr'i Darwin sy ireo mparadia azy taty aoriana no jerena ?

4.mifanaraka tokoa amin'ny tolotra novokarin'ny siansa ve izay volaza ao anaty Genesisy raha ny fomba mety nipoiran'izao tontolo izao sy izay ao antiny no zohina ?

8. rhaj0 ( 22/08/2016 19:33)
lahindroy:
1.aiza no ahitana ny fandrosoana eo amin'ny fahalalana ny natiora ?
-avy ao anaty baiboly (Torah...) ve sa kosa avy amin'ireo toera-pikarohana manerana ny vaza-tany...

Mazava ho azy, ho ahy sy ianao, fa avy @ toeram-pikarohana.

Fa ho an'ny Mpino anie dia hafa mihintsy ny lojikany ee.. Ny "fahalalana", hoz'izy, ao @ Finoany ao, dia efa complet ao @ Torah/Baiboly/Quran.. na koa ao @ poemes-n'i Nostradamus, na ny astrolojia koa ohatra, ho an'izay "mino" an'izany.

Ary dia aholakolany ao ho'a ny Torah/Baiboly/Quran/Nostradamus/... mba hifandray @ zava-misy. Izay no andaniany ny ron-dohany sy ny jiro.

Ny hitako loza, dia hitanao @ io Lamed.fr-n'i Tealala io, dia rahefa "manolakolana" sy miolankolana ao izy, dia tonga koa dia akapony ho Einstein na koa ny Siansa koa ny resaka. TSISY porofo, TSISY reference, TSISY rari-kevitra, fa tonga dia adoboka, sahala @ fomba fi(s)ainam-pino ilay resaka, dia "minou fotsy" hono. Dia ataony fa toa azy daholo ho'a ny olona eee...

lahindroy:
2.aiza ho aiza ny toerana ampiasan'ny siantifika ny atao hoe "hasard" eo amin'ny saham-pikarohana (na microbiologie izany na génétique na koa physique quantique ...)

Izaho dia nianatra Fizika. @ Fizika, dia misy ny Fizika mekanika klasika, dia misy ny Fizika Statistika (thermodynamique), sy ny hafa koa. Ka ao @ ilay Fizika statistika dia ampiasana probability. Ary dia inona fa dia izay no tsindrontsindrohan'ny Mpino (toa ny mahazatra), ary dia asafotofotony hoe, probability/hasard daholo ny fiainana eee...

Nefa ilay mekanika klasika efa tsara petrapetraka mazava be ara-kajy ohatra.

BE dia be ny phenomenes physiques, soritan'ny lois physiques, vokatry ny fandalinana eraky ny "toeram-pikarohana", izay efa mamokatra zavatra be dia be, izay tsentsafin'i Mpino ary ampiasainy. Fa hotry ny TSY takatr'i Mpino, fa hoe, TSY avy @ "fahalalana" izay tao @ Torah/Baiboly/Quran/Nostradamus/.. anie io fandrosoana sy fivoarana tsentsafiny io.
9. ASRT ( 06/10/2016 14:36)
Nandehandeha zaho io ka nahita raha. PDF io zany tsara vakiana hanome fanazavana tsara. Jereo ity ambany ity io zany liens. Merci

https://www.jw.org/en/publications/books/?contentLanguageFilter=mg&pubFilter=lc&sortBy=1

10. endriny ( 08/10/2016 16:44)
Nisy anjely nandalo alina dia lasa soherina ilay fanday teo ambony mimoza
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 2.2864