Taratasy misokatra ho an'Atoa KOLO Roger, sénateur de Madagascar

1. rabaradaka ( 07/07/2016 10:21)
Andriamatoa KOLO Roger,
Nandritra ny fotoana naha-Praiministre sy Lehiben'ny Governemanta anao no sady Minisitry ny Fahasalamana dia nilaza ianao fa homena fitaovana fitiliana (mammographie, radiographie, ...) i Maintirano. Mahagaga fa tsy ao amin'ny hopitalim-panjakana no misy izany fa amin'ny Clinique privée izay ianao no tompony.
Fomba ahoana no ahafahan'ny orinasanao NUP SANTE mametraka fitaovana fitiliana vaovao ao amin'ny HJRA Ampefiloha izay orinasa izay manana petra-bola ao ianao nefa établissement public no asianao azy. Ny saran'ny fitiliana ao dia tena lafo ary tena lafo tokoa, izay tsy ho zakan'ny vahoaka malagasy mihitsy na dia sokajiana ho gasy antonony amin'ny fidiram-bola aza.
Niray tsikombakomba taminao ny Filoha Rajaonarimampianina ary dia mazava koa fa misy vola an-tapitrisa tapitrisa miodina ao.
Mba mangataka fanazavana izahay tompoko mikasika izany rehetra izany fa tsy sanatria ny hampanan-karena anareo no atao fa ny hampandroso ny firenena sy hampiadana ny vahoaka.
Mila valiny mazava faran'izay haingana izahay.
Izao taratasy misokatra izao dia haparitaka amin'ireo masoivoho rehetra miara-miasa amin'ny Madagasikara.
Misaotra tompo
novalian'i romi16 ny 28/08/2016 18:54
2. rabaradaka ( 11/07/2016 09:18)
Kolo a, lazao ny marina fa tratra enao e !
3. romi16 ( 28/08/2016 18:54)
Nitazona ny teniny nge zany izy eh, hoy izy oe omena i Maintirano dia nahazo ianareo. Izy tsy niteny oe alefako aiza fa refa oe tonga any Maintirano izy dia zay!

Reo mpanao pôlitika reo nge mahay jeux de mot eh! tsika vahoaka no ampesoniny
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2858