Aretin-tsaina

1. angouz ( 22/05/2016 17:53)
Inona marina no tena mahasitrana ny marary saina fa toa misy fianankaviana iray izay dia lany volabe nefa dia tsy sitrana intsony ary dia maty ihany ilay adala ?
novalian'i angouz ny 27/05/2016 14:38
2. angouz ( 26/05/2016 21:18)
Otrany miandry an'ingahy scientista za fa toa tsy mahita avaly sa tsy mbola voadinikin'science ve izany ?
3. rhaj0 ( 27/05/2016 00:06)
Marary inona hono ilay ranamana.. Ka lavabe ny lisitra..

https://fr.wikipedia.org/wiki/Liste_des_troubles_mentaux

FA mahavariana ahy ny fivoaran'ny siansa @ io..

Tena tsy domain-ko ito, fa fotsiny, raha ny fahazoako izay rereko eny, dia taloha dia hotry ny hoe ezahina averina taizana ilay "saina marary".. ny fitsaboana dia fampiresahina.

Fa tato ho ato, dia ilay mekanisman'ilay ati-doha sy ny system ao dia efa nohalalinina ary manomboka fantampantatra.. inona ny reaction chimique mandeha ohatra..

Ka raha fantatra ohatra hoe ny oxytocin no hoe "love hormone", dia hotry ny hoe mitady fanafody fika simika ra-siantista hamokarana, na hanampy ny hamokarana azy io, raha ohatra ka tsy ampy an'io ianao.. (raha be loatra indray moa, dia hoe, ahoana no hanalefahana azy)

Ny olana, matetika hono mantsy, dia tsy ampy ilay simika ny vatanao, dia mivaralila, Dia nefa rahefa mivaralila ianao, dia vao mainka tsy mamokatra ilay simika. Ka dia asiana fanafody fika simika izany hanampy anao hiala @ ilay cercle vicieux, fa mbola ampiana ny fomba taloha, dia fampiresahina sns..

Fa ny indro kely, mety lasa indro be, dia tena mbola mitsapatsapa ben'ihany ra-siantista izao, ka tsy tonga lafatra ny fanafody, ary ny effets secondaires vao mainka toa lozabe..

Ka dia tsy hita izy ity, fa eo izany isika izao, ka dia izay izany...
4. endriny ( 27/05/2016 05:47)
Ny aretin- tsaina dia fabasembanana antsoina koa hoe fahasembanana ara-tsaina. Noho izany dia tsy misy fanafody fanasitranana izy io fa fanafody fampitoniana no misy. Ny azo atao aloha hatreto, araka ny haben'ny fahasembanana ihany koa anefa, dia ny fitsaboana hahaela velona ilay sembana fotsiny ihany. Ka eo ny fanafody, ny fitsaboana amin'ny saondy electro-magnetic, ny fanitrihana puce electronique ao anaty loha, ny fandidiana...

Betsaka ny fikarohana saingy matokg zaodahy mahay mandracitra e. Ny sembana dia efa sembana ka ny fanampiana azy no azo atao fa tsy misy fitsaboana ho sitrNa akory
5. rhaj0 ( 27/05/2016 11:11)
Ilay sembana efa sembana tokoany aloha, dia efa. . tsy eran'ny saina eee...

Fa ny tiako tenenina io ambony io, dia ilay olana ara-tsaina hananantsika rehetra koa. Samy dépressif (mitsakotsako ny lasa sy izay misy eo), na koa anxieux (matahotra ny ho avy) daholo isika rehetra. Fa misy io @ sasany dia lasa aretina (maladif), ary tena tsy mahavita n'inon'inona mihintsy izy satria dépressif na anxieux, ary misy azany tia hamono-tena mihintsy.

Dia eo ilay hoe, tena siriky ny neurosiantista ilay simika sy ny fomba famokarana azy ao, ka (tsy) mahatonga ny dépression na angoisse. Ary dia ameny fanafody simika ianao, hanampy anao mamaky ilay cercle vicieux, sady ampiany fampiresahina koa. Ilay "cercle vicieux" dia ilay hoe, marary ianao dia tsy mamokatra simika tsara, ary tsy mamokatra simika tsara ianao, hany ka (miha)-marary. Ary ilay "fampiresahina" dia ilay ataon'i Freud eee...

Fa ilay indro kely lasa indro be, dia ilay fanafody simika dia tena mbola eo ampikarohana, ary matetika dia misy effets segondaires, eo @ fitadidiana (mémoire) ohatra, na à long terme, ho voan'ny alzeheimer indray ianao aoriana.

Fa dia "in progress" ny fahalalan-draolona, ka dia arak'i Endriny teo, dia mila "matoky zaodahy mahay mandrafitra" izany eee... tena izay mihintsy :-)

Fa kosa, rahefa hainao ny mecanisme-n'ny dépression sy/na anxiété, dia mba mikezaka kosany ianao izany eeee...
6. endriny ( 27/05/2016 14:10)
Raha ilay aretin-tsaina vokatry ny fahakiviana sy ny alahelo ary ny famoizam-po kosa aloha dia tena misy fanafody mihintsy. Saingy eto amintsika dia tsy maintsy hoe eny Anjanamasina no mividy ilay izy.

Tena tsy mbola haiko aloha hoe maninona no tsy avela amidy toy ny fanafody rehetra io fanafody io... Na eto Befelatanana aza tsy mivarotra an'io fanafody ho an'ny olona mamoy fo io.

Fa raja tena tsy tanty na mahita olona tena mamoy fo ianao dia ireto andramana: Vary amin'anana rongony ny maraina sy hariva, na koa lasary be tongolo (saingy aza asiana vinaingitra). Fa ilay vary amin'anana misy rongony aloha no tena mandaitra hatreto.

MIsy koa ny manao dite rongony.

Fa dia tsy maintsy mitady mpivarotra rongony ihany izany dia aza fohina a, tena tsy mety fa vao maika aza mampidegany raha tsy tanty
7. angouz ( 27/05/2016 14:26)
Hoan'ny rhajo aloa dia mba azafady fa tsy ho ahy akory ilay izy fa mba misy te halala an' izany ihany eto fa tsy sahy manontany no toa isakin'ny manoratra ianao dia ianao no ampiasainao fa tsy hoe ilay olona mba asio fanajana ihany na dia hoe farantampony fahaizana ary ianao fa misaotra ihany @fanazavana na dia izany aza.
8. angouz ( 27/05/2016 14:38)
Hoan'ny endriny otrany mahagaga raha io no vahaolana io satria ny fantako aloha dia matetika hono zava-mahadomelina na par conviction no mahatonga ny olona lasa adala; bon fa efa maty moa ilay olona ary lany vola t@ tampitrisany ilay fianakaviana nitsabo azy teny @18 fa otrany matahotra ihany aho hanoro namana an'io vahaolana raha izany fa ny mahatonga ahy hanontany an'io manko dia mahatsikaritra za fa mitombo izy io tato ho ato fa dia mampalahelo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2631