FANTARO NY AMPITSO IZAY HO AVY TSY HO ELA.....

21. RBNIR ( 08/04/2016 19:24)
22. RBNIR ( 08/04/2016 20:00)
Aleo angamba hotohizana amin'izay ny lohahevitra ho an'ireo izay mangetaheta...

Inona indray kosa ary no hitranga rehefa vita ny asan'ireo anjely 3 ireo???

Hisy zavatra hitranga ao an-danitra ao...
« [Ny amin'ny lovia fito nisy ny loza fito, izay nentin'ny anjely fito ka naidiny tamin'ny tany] Ary hitako fa, indro, nisy famantarana iray koa tany an-danitra, sady lehibe mahagaga, dia anjely fito izay nanana ny Ioza fito farany, Satria ireny no enti-mahatanteraka ny fahatezeran'Andriamanitra. » (Apok.15:1)
« Ary ny tempoly dia feno setroka avy tamin'ny voninahitr'Andriamanitra sy ny heriny, ka tsy nisy nahazo niditra tao amin'ny tempoly mandra-pahatanteraky ny loza fito nentin'ny anjely fito. » (Apok.15:8)

Hirahan'Andriamanitra amin'izay ireo anjely fito mitana lovia fito misy loza ho entina manantanteraka ny fahatezeran'Andriamanitra......

Hamaly ny heloky ny olona amin'izay Andriamanitra....

Maninona no asiana setroka ny tempoly? Mba tsy hisy hahazo hiditra ao?
Fa maninona no tsy havela hisy hiditra ao? fitoerana fandraisana ny fitarainan'ny olona io tempoly io....Manomboka hatreo dia mitsahatra ny fandraisana fitarainana, tsy misy fibebahana azo raisina intsony....MIKATONA TANTERAKA NY VARAVARAM-PAHASOAVANA....TEZITRA DIA TEZITRA ANDRIAMANITRA...

Ho an'iza ireo loza ireo???« Ary nahare feo mahery avy tao amin'ny tempoly aho nanao tamin'ny anjely fito hoe: Mandehana, aidino amin'ny tany ny ao amin'ny lovia fito feno ny fahatezeran'Andriamanitra. » (Apokalypsy 16:1)
« Ary ny voalohany nandeha, dia nampidina ny tao an-doviany tamin'ny tany; dia nisy vay ratsy sady mampahory tamin'ny olona izay nanana ny mariky ny bibi-dia sy niankohoka teo anatrehan'ny sariny. » (Apok.16:2)

Ny loza 7 dia ho an'ireo izay nandray ny mariky ny bibidia, izany hoe ireo tsy nino an'ireo olomboafidin'i Jesosy fa kosa nanaiky sy niankohoka tamin'ny fampianaran'ilay bibidia....
23. rhaj0 ( 08/04/2016 20:13)
RBNIR:
... ary hoy IZY tamin'io olona io hoe "ampianariko anao daholo ny fahamarinana rehetra ao anatin'ny baiboly, indrindra ny bokin'ny apokalipsy...

- i Jesosy izany efa maty t@ taona 30s,
- izay vao nanoratra ny bokin'ny Apoks i John The Elder t@ taona 60s.
Dia hozy i RBNIR hoe : hozy Jesosy hoe, ampianariko anareo ny bokin'i John...

ntss.. tena mi-delire i RBNIR fa reraka ny sainy, fa toa aberration foana izay avoakany...

Sa amoahy toko aman'andininy ao @ Baiboly mitatitra ity lazainao fa lazain'i Jesosy hoe:
"ampianariko anao (...) ny bokin'ny apokalipsy..."
24. RBNIR ( 10/04/2016 00:42)
rhaj0:

Sa amoahy toko aman'andininy ao @ Baiboly mitatitra ity lazainao fa lazain'i Jesosy hoe:
"ampianariko anao (...) ny bokin'ny apokalipsy..."

« fa ny Mpananatra*, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin'ny Ray amin'ny anarako. Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo. [Gr. Parakleto, dia Mpanampy, na Mpampahery, na Solovava] » (Jao. 14:26)

Vakio tsara fa voasotra hoe "Izy hampianatra anareo ny zavatra rehetra....."

Io Fanahy io ilay "tsy fantatrao" ka mahatonga anao mamaly toy izao....« dia ny Fanahin'ny fahamarinana, Izay tsy azon'izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo. » (Jao.14:17)

Vakio tsara misy sokajin'olona "tsy mahazo mandray " an'Io satria "tsy mahita na mahafantatra AZY io"....

Mety hanontany ianao hoe ka Jesosy anie no resahiko fa tsy ny Fanahy Masina e!

Valiny? Io Fanahy io dia tsy iza fa JESOSY ihany....« Ary ny Tompo izany Fanahy izany; ary izay itoeran'ny Fanahin'ny Tompo no itoeran'ny fahafahana. » (2 Kor.3:17)
25. RBNIR ( 10/04/2016 00:42)

26. rhaj0 ( 11/04/2016 11:16)
eny ho'a e... mampianatra ny theorie sy vision an'i John the Elder koa IZY izany eee...
27. endriny ( 11/04/2016 15:10)
Jeosy aza tsy nahalala izay mety fikasan'ny dadany amin'ny andro farany koa: "HO avy tampoka toy ny mpangalatra"

Dia ry zareo mpanaraka indray no milaza hoe: "Ho avy tsy hoe ela"

Hihihihihi, mora fitahina tokoa angaha ny olona ka. Na efa mamon'ilay boky mahadomelina... miampy ilay fampihesonana lavabe atao isak'alahady, aoka fotsiny... mandraingiraingy mihintsy mivoaka ny varavaram-piangonana, mila tsy ahajery ny lanitra akory...
28. rhaj0 ( 11/04/2016 19:08)
T@ Rajao nampiasa io "ho avy toa ny mpangalatra" io ho'a, dia vaky vava aho hoe, mba tsisy inspiraka koa 'le Rajao, koa mba manao fampitaha sy kisari-teny ihany, dia @ "mpangalatra"... Kay i Jesosy no nianarany rey olona a...

Dia tena mahantra kisarin-teny mihintsy koa anie izany Jesosy izany izany eee.. Aiza anefa ny Ntaolo rahefa manao haivolana sy kabary. Fa n'enareo Krisitiana moa, dia nariana ny an'ny Ntaolo, dia n'inon'inona lazain'i Jesosy ao, dia manja foana..

Nefa anie, raha itarina ilay fampitaha, dia ahoana.. mila kaodikaody foana ao izany ianao, fa ilay "ho avy" anie ka ratsy loha, "ho avy tsy nasaina", tsisy fahalalam-pomba (de l'an 2000) ka mba mi-telephone, tsisy transparence ny @ izay intention-ny marina ao, fa avelany ao ianao midogaigy toa "rafotsy very laona" ao...

Fa dia reveo ao izany n'enareo eeee....
29. RBNIR ( 07/07/2016 10:20)
Tena efa manomboka miasa ilay anjely faharoa.....

Fampahatsiahivana, anjely faharoa, handrava an'i babylona lehibe (ilay vehivavy nijangajanga tamin'Andriamanitra) , manomboka ravana ireo Andriamanitra tsy izy fa hametraka ILAY TENA IZY AMIN'IZAY ANDRIAMANITRA ARY DIA HITAONA NY OLONA HIANKOHOKA HATAHOTRA ARY HANOME VONINAHITRA AZY AMIN'IZAY......
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1422