IZA NO MAHAZO TOMBONTSOA AMIN'NY FISIAN' NY "AMBALAVELONA"?

1. RUZ9 ( 29/02/2016 09:04)
Toa zary resabe tato ho ato ity resaka ambalavelona ity, ny valala moa misy, ny mpilaza mahay.
Variana ihany ny tena nahita mpitondra fivavahana nilaza tamin'ny fahitalavitra tafiditra amin'ny tranonkalan-tserasera isan-karazany ity " ambalavelona " ity ary mifindra avy @ tranonkala ireny.
Ka mba azon'ireo mpitondra fivavahana ireo valiana ve ireto fanontaniako ireto azafady ?
1 - Omeo kely hoe ny script -n'izany ambalavelona izany ?, code html no anontaniako raha misy tsy mahazo.
2 - Iza no nampiditra azy tamin'ny solosaina ?mody atao hoe Satana ve sa misy olona ivelan'ny valan'ondrinareo tiana henjehina indray amin'ity raharaha ity
3 - Firy ny adresse IP -n'io solosaina nandefasan'i Satana an'io Ambalavelona io ?
4 - Taiza ny toerana nandefasany azy ?
Satria moa toa tena havanana amin'ny fampifangaroana ny siansa sy ny finoana ireo mpitondra fivavahana voakasik'ity lahatsoratra ity, dia ho voavaliny soa aman-tsara miaraka amin'ny porofo mivaingana ireo fanontaniana ireo.
Mbola zaza ve ny malagasy ? sa bado loatra ? Tsy mahay manavaka ny mino an'Andriamanitra sy ny mino mpitondra fivavahana, tsy mahay manavaka ny hoe mamaeno fiangonana sy ny manaraka ny sitrapon'Andriamanitra dia atao kilalao.
Mbola hametraka fanontaniana 3 mila fanazavana i RUZ9
5 - Aiza ho aiza ao amin'ny baiboly ary didy fahafiry no milaza fa afaka manao " affirmation gratuite " ny mpitondra fivavahana ?
6 - Iza no mpahazo tombontsoa amin'ity " ambalavelona " ity ?
Inty ny tranokalan-dRUZ9 hanarahanao ny tohiny : URL : http://cyrius.unblog.fr
novalian'i RUZ9 ny 12/04/2016 10:44
2. manajafitia ( 29/02/2016 10:22)
izaho koa dia liana!
3. bichette ( 07/04/2016 15:46)
resaka fanahy ts'inona io koh ! ohatry ny reseau, ny onde ihany. tsy hita maso, tsy re, tsy misy fofona tsy misy n'inn n'inn fa dia ny resultat no hita hoe misy reseau ary misy onde mandeha matoa misy reseau. ny reseau sy onde mi traverser tsara ny trano, ny rindrina dia torakizany koa ny fanahy
4. RUZ9 ( 12/04/2016 10:38)
Dia ianao ve izany Ry Bichette afaka manome an'ireo porofo angatahiko ireo,
mbola hasiantsika resaka mantsy ny devoly sy ny momba ny fiangonana dia hiharihary kokoa izay tena ao ambadik'ireny hafatra ireny.
5. RUZ9 ( 12/04/2016 10:44)
Rha marina mantsy io voalazanao sy nireo mpitondra fivavahana io io dia ny teto Antananarivo no ripaka voalohany ary vetivety dia niely eran-tany ilay ambalavelona, aiza nefa izany izao
Dia rahoviana indray no hovoizina ny Club satanique dia iza no hatao hoe membres ao anatiny ?
Raha ny momba ny fanahy, afaka manome "information betsaka anao ity tranonkalan-dRUZ9 ity : http://cyrius.unblog.fr .
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1846