Ny vendredi 13 mbola mino ve ianao?

1. endriny ( 16/11/2015 07:45)
Raha ny famaritan'ny olona sasany ny atao finoana teto ve izany dia tokony tsy hino ity vendredi 13 ity intsony ny olona satria efa voaporofo izao ilay izy fa tena ratsy?
novalian'i endriny ny 30/11/2015 14:44
2. RBNIR ( 16/11/2015 08:40)
Tetika ratsy nataon'ny devoly mba hinoan'ny olona ny vendredi 13...
Hitaomana ny olona hinohino foana....
3. Strong3 ( 16/11/2015 09:48)
iny izy iny fa nisy kou... fantan-dry zalah fa minomino foana io ny frs dia nataony tamin'io andro io mihitsy !!!

4. rhaj0 ( 16/11/2015 11:50)
Ilay mino horoscope koa angaha tsy hitanareo... Dia nefa kay ireo constellations, rahefa zaraina io lanitra ambony io, dia
- tsy zara katsa akoriny (ny virijiny ohatra kely kokoa :-)
- ary 13 no fizarAny

Dia nefa dia mino be ireo mpanao asitirolozia.. HOe rahefa mifanitsy avy @ fahitany azy avy ety an-tany ny kintana amam-planeta ary galaksia, dia hoe ... ho tsara ny andro... na hoe, teraka Jesoa.

5. endriny ( 17/11/2015 16:33)

RBNIR:

Tetika ratsy nataon'ny devoly mba hinoan'ny olona ny vendredi 13...
Hitaomana ny olona hinohino foana....

HIhihihi dia minomino foana ianao raha ny devoly no nanao vendredi 13... porofoy ny hevitrao?
6. rhaj0 ( 18/11/2015 12:20)
Ilay finoana fa "ratsy" ny isa 13 sy ny andro "zoma" anie, hozy ny mpandinika, dia "lalim-paka" ao @ Kristianisma eee..

mba mi-google ihany ho'a ry RBNIR fa aza mba manao resaka tsy loa-body toa (kristiana) toa io...
http://lmgtfy.com/?q=friday+13+christian
http://www.christianpost.com/news/friday-the-13th-a-biblical-superstition-67132/

HOe faha-13 i Jodasy.. ary ny finoana hoe "ratsy" ny Azoma indray dia, hoe, ny safo-drano hono t@ zoma ny andro.

Ka tantara angano nolovaina tamina finoana hafa koa anie ireo "zoma" sy "13" ireo, ary dia noraisin'ny mpanoratra Baiboly koa eee...

Dia rahefa oainina, dia akapokapoka dia asafotofoto ho "devoly" daholo fotsiny ny resaka... dia mifamokivoky ao, dia mino daholo ery ry Rakrisy isany...
7. endriny ( 19/11/2015 07:08)
Rsak'isa indray ity e...hihihihihi

7+6=13

7 ny masina hono dia 6 Demonia dia tsy tian-dry zareo kanefa ny 13

10+3= 13

10 ny fahafenoana ary 3 Atra, kanefa dia mbola tsy tian-dry zareo ihany ny 13 e

Dia ahoana I 13 de L'Enfant Jesus amin'izany?
8. rhaj0 ( 25/11/2015 15:44)
hi hi hi... dia aseseho anie izay 13 ao @ Baiboly eee.

Eksodosy 13:13 ary ny voalohan-teraky ny boriky dia hosoloanao zanak’ ondry;

hhhheeee.. tsara vintana izany ilay boriky lahy zanany fa TSY tian'i Jehovah ka dia avotra, fa aleo'i Jehovah zanak'ondry, ary lahy :-)

satria taloha kelin'io dia izao hono..
Eksodosy 13:12 dia hatokanao ho an’ i Jehovah izay voalohan-teraka rehetra: ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra izay anananao, dia ho an’ i Jehovah ny lahy rehetra;

----

Lioka 13:13 Dia nametraka ny tànany taminy Izy; ary niaraka tamin’ izay dia nitraka ravehivavy sady nankalaza an’ Andriamanitra.

hi hi hi... ngo dia ity azany lay bilagy momba an'i Jesosy sy Maria (Magdalena) in-1 mandeha teto.. :-)
9. endriny ( 30/11/2015 14:24)
hihiihihiihi

dia ny tranon'ny sasany mandingana 13 fa sao hono lasa loza, kinanjo vendredi 13 tao Paris... hihiihihih

Asa raha mba efa nasiana seza laharana 13 izao amin'ny air france na tsia?
10. endriny ( 30/11/2015 14:44)
Ny olona ary izao vao hanangana babilaona vaovao koa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1219