Pharmacie mora eto Paris

1. ktapo ( 06/06/2015 09:03)
Salama o!
Mihinana fanafody maromaro mandrapahafaty ny raiko any Dago. Isaky ny 6 volana dia 300€ mahery eo no alohako. Naheno aho fa toa misy izany Pharmacie mora izany hono eto Paris. Sao dia misy afaka manome ny adiresy re ianareo. Misaotra mialoha.
novalian'i booboo ny 08/06/2015 13:28
2. Fiffi ( 06/06/2015 10:09)

ktapo:

Salama o!
Mihinana fanafody maromaro mandrapahafaty ny raiko any Dago. Isaky ny 6 volana dia 300€ mahery eo no alohako. Naheno aho fa toa misy izany Pharmacie mora izany hono eto Paris. Sao dia misy afaka manome ny adiresy re ianareo. Misaotra mialoha.



raha toa ka fanafody ilàna ordonnance dé tsy misy an'zany pharmacie mora zany....

raha toa ka fanafody tsy mila ordonnance dé any am parapharmacie jerena.... na any am pharmacie fa tsy moramora zany fa ny tena vidiny.....

mino zah fa mila ordonnance raha hitsabo olona à vie zany....donc aleo tsy minomino foana fa manaraka ny volaza anaty ordonnance...

heu....misy antony matoa mila ordonnance ireo fanafody ireo....

bonne continuation . :)
3. booboo ( 08/06/2015 13:28)
Ny nataoko t@ fanafodin'ny mamanay, nomen'i cardiologue-ny daholo ny listes-ny pitsopitson'ny fanafody dia iny no nentiko tany @ pharmacien-nay, izy no niteny ny fanafody mitovy amin'ilay any M/car, tsy mitovy manko hono ny mpamatsy fanafody any sy aty. Tanana kely ny misy anay dia tsy manahirana ny nanao lay izy. Tsy ny farmasiana rehetra no manaiky hanao an'izay satria hoe tsy ordonnance avy eto frantsa dia tsy eken-dreo.
Fa tena marina fa tsy mitovy ny vidina fanafody isaka ny pharmacie a !! Mila mampitaha.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6542