Ny "feon'ny vahoaka dia feon'Atra... izay safidin'ny vahoaka dia safidin'Atra"

1. endriny ( 23/01/2015 17:34)
Rehefa mahasoasoa ilay mpitondra fivavahana ilay resaka dia hiraina atao avo be na dia mampitsongolo-body ny ambany lanitra aza.. na iza mpitondra fanjakana eo na iza... na iza filoham-piangonana eo na iza...

Fa rehefa tsy azahoany tombony ilay fitondrana misy dia ampiasainy ihany ireo teny ireo ho entina itaomana olona hanohitra ilay fanjakana mijoro...

Saingy fomba fampiasana sy fitrandrahana ny baiboly sy ny mpino daholo izany

im-betsaka eto no misy mamerina ilay Saodaoma sy Gaomaoro, ka raha ny ny feon'ny vahoaka marina no feon'Atra naninona no nodorana ireo Tanana roa ireo, fa naninona raha navela teo satria izay no feon'ny vahoaka dia tokony hanaraka I Atra?

Fa izay e, izay mampetipety ahy no andikako ny baiboly
novalian'i endriny ny 05/02/2015 06:36
2. Tefigasy ( 26/01/2015 06:02)
endriny:

(...)
Saingy fomba fampiasana sy fitrandrahana ny baiboly sy ny mpino daholo izany
(...)
Fa izay e, izay mampetipety ahy no andikako ny baiboly

Aiza ho aiza ao anaty baiboly no misy an'io an-dalan-teny io ry namana ?
Mbola tsy novakianao ihany koa angamba ny tantaran'i Balaka sy Balama ? Ny zavatra (fahotana) nataon'ny vahoakan'Israely tany an'efitra ?

Misy an-dalan-teny vitsivitsy omeko anao ireto, avy ao anaty baiboly ihany :

1 - Jer 14 : 14 Dia hoy Jehovah tamiko : Ireo mpaminany ireo dia maminany lainga amin'ny anarako ; Tsy naniraka azy Aho , na nandidy azy, na niteny taminy fa fahitana mandainga sy faminaniana tsy marina ary tsinontsinona sy fitaky ny fony no aminaniany aminareo.

2 - Isa 1 : 10 - 13 "Mandrenesa ny tenin'i Jehovah, ry mpitsaran'i Sodoma ; Mihainoa ny lalàn'Andriamanitsika , ry vahoakan'i Gomora . Hataoko inona ny zavatra betsaka vonoinareo ho fanatitra? hoy Jehovah; Efa tofoka ny ondrilahy atao fanatitra dorana sy ny jaboran'ny zanak'omby mifahy Aho , ary tsy sitrako ny ran'ny vantotr'ombilahy sy ny an'ny zanak'ondry ary ny an'ny osilahy . Raha avy miseho eo anatrehako ianareo , Iza moa no nitady anareo hanitsakitsaka ny kianjako? Aza mitondra fanati-poana intsony ; Fofona fahavetavetana amiko izany! Ny voaloham-bolana sy ny Sabata ary ny fiantsoam-piangonana. Tsy zakako ny fivoriana masina haroharoam-paharatsiana! "
3. gasy1zay ( 26/01/2015 14:18)
Andriamanitra dia andriananahahy izany hoe izy no nanao izao tontolo izao ka izy no tokony hanapaka na dia nomeny safidy malalaka aza isika olombelona, tsy mitovy ny fanaovana politika ny fanarahana an'Andriamanitra ary izy tsy ohatran'ny mpanjaka na mpitondra fanjakana ety an-tany ka tokony hanaiky ny lazain'ny be sy ny maro na tsy mifanaraka amin'ny sitrapony aza.

Tsy isika no mametraka lalàna sy didy tokony eken'Andriamanitra fa izy no manome didy ho arahin'izay manaiky azy ho Andriamaniny.
4. endriny ( 26/01/2015 15:00)
Ka ny feon'ny vahoaka izany tsy feon'Atra indray sa ahoana?
5. gasy1zay ( 26/01/2015 15:25)

endriny:

Ka ny feon'ny vahoaka izany tsy feon'Atra indray sa ahoana?

Ohatrany ny mpanao politika no tena mpilaza an'io fa tsy mbola nahita andininteny tao amin'ny baiboly milaza an'io aloha ny tenako fa raha mahita ianareo dia mba zarao eto, tsy hoe mahay baiboly tsianjery manko aho fa mba kristianina laika ihany :)
6. sitlo ( 28/01/2015 13:01)
Ny baiboly dia taratasy nosoratan'olona.
7. rhaj0 ( 28/01/2015 16:37)
Dia ny feon'ny Ankizy koa toa hotrhotry ny hoe "pur" ary dia .. (akaiky ny) feon'A.tra...
Mino aho fa nisy toatoa izany koa tanaty Baiboly.
8. endriny ( 29/01/2015 15:10)

rhaj0:

Dia ny feon'ny Ankizy koa toa hotrhotry ny hoe "pur" ary dia .. .

Ireny izao ataony hoe feon'anjely
9. endriny ( 29/01/2015 15:11)
sitlo:

Ny baiboly dia taratasy nosoratan'olona.

Marina ny anao, dia tsy nosoratany tamin'ny teny Malagasy ihany koa ilay izy amin'izay izay tian'ny mpandika andikana azy aty aoriana... a
10. endriny ( 29/01/2015 15:13)
gasy1zay:

Ohatrany ny mpanao politika no tena mpilaza an'io fa tsy mbola nahita andininteny tao amin'ny baiboly milaza an'io aloha ny tenako fa raha mahita ianareo dia mba zarao eto, tsy hoe mahay baiboly tsianjery manko aho fa mba kristianina laika ihany :)

Toriteny omen'ny mpitarika fivavahana io matetika e, indrindra ireo mpitondra FFKM mpitarika vahoaka eny an-dalam-be

tao ho ao moa dia niampy ilay hira hoe " Iny lalana iny eh..."
11. gasy1zay ( 02/02/2015 18:30)

Ireo nitarika fivavahana teo @ 13 Mai t@ 2009 ngamba no tianao ho resahina? Raha tsy fantatrao dia mpiandry FPVM ireny ary tsy nankasitraka ny fitondrana Ravalomanana nanakatona ny fiangonany tao Antaninanandrano, tsy mbola membre FFKM aloha ry zareo hatreto. Mba teneno hoe iza izany mpitondra fivavahana nitory izany fa tsy fantatro.
12. endriny ( 03/02/2015 15:21)

Ary FPVM koa ve ireo ry Victor Razafimahatratra nitarika ny fivavahana irasam-pinoana teo amin'ny 13 Mai fony 1991?

Dia ahoana ny Lala Rasendrahasina sy Gaetan Razafindratandra tamin'ny 2002?

Aza manadino ahy ry mpihaino vilana.
Aza mba manary ahy ry mpijery mitongilana a
13. endriny ( 03/02/2015 15:33)
Saingy na izany na tsy izany; Ny fitsaran'Atra hono tsy fitsaran'Olombelona.. ka ny feon'ny vahoaka izany tsy feon'olombelona.

Ny vavaka tsy arahin'asa hono tsy misy fotony. Noho izany ny vavaka na ny talaho atao dia fomba fotsiny ihany fa arahin'asa vao vita. Ka raha maneno fotsiny ny vahoaka fa tsy miasa dia tsy feon'Atra izay, fa revirevy fotsiny mandala...
14. endriny ( 05/02/2015 06:36)
Mihorakoraka ny olona, miantsoantso ary mitalao : "Noana fa mba omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay"... Saingy indrisy, valala, hain-tany ary tondra-drano samy mpandrava voly avokoa no navoakany avy any... NIampy ny pesta ary fanolanan-jaza sy fivarotana olona...

Loza dimy izay no nitranga, mbola hiampy roa io vao hitovy ny tany Egipta hoy ilay mpianatra mahafatra-po...

MItaraina ny olona...mitaraina Atra...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3388