RIP Felicien (kopikole Theo Rakotovao)

1. seul110 ( 17/01/2015 20:50)
Nodimandry vokatrin'ny fihotsahan'ny tany androany i Felicien Rakotomalala izay nahazo ny fandresena t@ fifaninanana kopikole nampanaovin'ny TV plus Madagascar, i Theo Rakotovao izay mpanakanto tsy zoviana amintsika intsony no nalainy tahaka tamin'izany, mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviany. Andriamanitra tsy mba mandao.

Update: 17/01/2015 19:45 Hita ny vatana mangatsiakan'i Felicien: handrasana ao amin'ny Tranompokonolona Analakely izy manomboka rahampitso maraina.
Alatsinainy alefa any Toliara.
2. hery ( 16/01/2015 17:48)

Mbola tsy hita ny fatiny, ny an'ny vazaha mbola lazaina hoe disparu rehefa ohatra an'izany.

Mbola mitady an'i Felicien ny Miaramila sy ny Pompier. Sary 15 min vao teo.



3. nannie ( 17/01/2015 08:21)
Tena mipetraka eo amin'ny toeran'ny fianakaviany aho... Sady malahelo no mitaintaina. Nankasitraka fatratra azy iny aho. Mahereza indrindra e !
hery:


Mbola tsy hita ny fatiny, ny an'ny vazaha mbola lazaina hoe disparu rehefa ohatra an'izany.

Mbola mitady an'i Felicien ny Miaramila sy ny Pompier. Sary 15 min vao teo.




4. joachimr ( 17/01/2015 10:29)
Tena mahaontsa e za zao hatramin zao mbola tsmahalala we efa azo iz sa tsia sa mbola tadiavina ao iany
5. hery ( 17/01/2015 15:53)
Mbola tsy hita foana hatramin'izao.

Ato no misy ny vaovao tantarain'i Aina Vola R. izay eo akaikin'ny toerana itadiavana azy no mipetraka. https://www.facebook.com/aratovonjanahary/posts/699811723466055?pnref=story

Ireto ny sary nasehony vao 1h zay



6. hery ( 17/01/2015 17:53)
Hita tamin'ny 7 sasany hariva teo izany ny vatana mangatsiakan'i FĂ©licien.

Alefa eny amin morgue hodiovina aloha
Avy eo ao amin Tranompokonolona Analakely anio alina
Avy eo any Toliary alohan'ny hanohizana ny dia ho any Vohipeno
7. hery ( 17/01/2015 20:51)
Alahady maraina indray izany izy vao andrasana ao amin'ny tranompokonolona Analakely
8. hery ( 18/01/2015 22:52)
9. Anja_rasoa ( 19/01/2015 05:23)
Mandria ampiadanana Felicien
10. mpisotrtoaka ( 19/01/2015 05:24)
RIP ho an'ny famille ! D io vaovao goavana io d ts mba navoakan'ny TV rahavavy ! Mba malagasy fa tsy mahay miaraka ory ! INDRISY le toe-tsaina e ! Am tany rah ts efa ambanin'ny tany miits !
11. tahiry ( 19/01/2015 10:03)
tovolahy malagasy nanana ny ho aviny ... nanana ny faniriany...toy ny tanora rehetra ...
Mandria am-piadanana!
12. tambawaks ( 19/01/2015 10:13)
marina zany ry mpisotrtoaka!
Misy aza dia sahy miteny hoe: candidat nandresy ny candidat notohananay iny, ka aleo ho any fa ampy azy izay! Dia sahy miteny! Nefa ain'olona no resahana!!!
Mino aho fa tsy fomba fisainana malagasy izany sahy miteny2 foana tsy mifidy vava havoaka izany!
13. hery ( 19/01/2015 10:21)
Sao dia mba manitatra kosa i tambawaks fa dia nisy tokoa ve miady amam-paty tahaka izany?

Ny TV sasany tsy nandefa vaovao aloha dia diso satria lasa vaovaom-pirenena ilay izy noho ny fisian'ny olona be dia be teny.
14. lovatiana4 ( 19/01/2015 14:04)
mirary fiononana feno oa ny fianakaviana felicien manotolo
15. hery ( 20/01/2015 10:15)
Niala teto Antananarivo

16. hery ( 20/01/2015 10:16)
Nandalo Antsirabe



17. hery ( 20/01/2015 10:17)
Nandalo Ambositra (Sary. Pr. Siteny)



18. hery ( 20/01/2015 10:18)
Andranovory (sary: Pr. Siteny)



19. hery ( 20/01/2015 10:19)
Notsenaina teny Andatabo (Toliara)



20. hery ( 20/01/2015 13:30)
Toliara Gymnase





© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.4401