Concours

1. hafahafa ( 27/10/2014 10:06)
Misokatra ndray izao ty ny Concours aminy fanjakana.
Efa misy resaka mandeha sahady fa mila mandoa vola sy mahafatatra olona vao afaka.
Mbola azo heverina ve fa misy fanantenana ho anireo mpianatra nianatra nefa tsy manambola hatao tsolitra sa sous forme iany ny concours fa efa misy lisitra vita any?
Mbola azo itokisana ve ny firenena hanandratra ireo mpianatra bobaka be izay nikiry nandany fotoana sy nandany vola tany ampianarana?
2. endriny ( 31/10/2014 06:32)
Hihihihihihi

Misy mihaino?

Io aloha ry namana dia mbola lavitra ny rano ny siny a... Na atao aza hoe tsy misy ny tsolotra... dia misy koa ange ilay hoe KOTA e... Ny zanaky ny finance tsy maintsy finance, ny zanaky ny greffier tsy maintsy greffier fa tsy hoe planteur akory

Moa hainao ihany fa mikoritsana dia mikoritsana izao ny vola, ka raha ataoko aza hoe ireo mpitsara tsy manao tsolotra, dia miakatra tohatra ambonimbony ilay mpanolotra ka mankany amin'ny DIRCAB, na ny minisitra mihintsy aza e... dia very fihinana ireo mpitsara

Ny tantara dia mbola mitohy
3. hafahafa ( 31/10/2014 07:14)

endriny:


Io aloha ry namana dia mbola lavitra ny rano ny siny a... Na atao aza hoe tsy misy ny tsolotra... dia misy koa ange ilay hoe KOTA e... Ny zanaky ny finance tsy maintsy finance, ny zanaky ny greffier tsy maintsy greffier fa tsy hoe planteur akory

Raha io le KOTA io kosa dia tombotsoany ireny, ary recrutena reny fa tsy manao concours,fa matoa napetraka lay oe concours dia ny dikany tokony izay mahay any le izy no raisina fa tsy oe akory mitovy aminy fanaovana laventy ka izay mampiakabola no raisina.
Aiza mo no tsy hifangaro ny rano sy ny menaka eto aminy firenena; ny 1 lasa -1. hi3
Mampanaelo izahay zanaka tatsaha fa very vola ny RRA nampianatra ko.
4. andry 1000 ( 13/04/2015 06:22)
selection dossier no atao indraindray de liste d'attente foana enao amin'io, nefa de hita izao fa misy olona fantatra tsy izy mihintsy fa de tafa e!! 40 no ilaina enao eo aminy 41, de henonao zao fa nisy niala andaharana fa dia tsy misy miantso anao izany fa dia olonkafa no solony e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2382