Tononkira Leboto Dor's Group

1. hery ( 24/10/2014 08:46)
Salama daholo. Sao mba misy afaka manome ny tonon'ity hiran'i Dor's group hoe Leboto ity kay?

Be teny tsy fantatro ilay izy. dia misaotra.

novalian'i salomo ny 07/12/2014 22:52
2. 5laody ( 30/10/2014 12:32)

SAlama e,

Toa efa namaly teto aho fa mety tsy tonga angamba ny valiny sa mbola nentinao notsaraina?
3. hery ( 30/10/2014 12:39)
Tsy hitako izany an
4. 5laody ( 30/10/2014 13:22)

hery:

Tsy hitako izany an

io no takatra hoy ilay nahandro takatra
(mbola milatsarain'izay tena maheno sy mahazo)

Vao mba lehilahy nikarama
miana-biavy mitondra tena
sendra patrô mba tsy valahara
Ilaiboto very tonengy e
oa rô lagny fagnahy
manano zaridaina
mitati-drano
mamaky kitay na borosy trano
manampy zara amin'ny mpanam-bola
Ilaiboto vadin-karegna eee
Reraky ny aina tsy te hiasa
viavy nalaina mitoe-jaza
mbola tampohin'ny mitondra tena
Ilaiboto mahatsiaro an'i Baba e
arô tomany an'i Endry e,
Mivavaka mafy amin-Jagnahary
ho salama vatana tsy harary
vonona hijoro ho lehilahy
Ilaiboto tsy maintsy manompo ô.

EEE ia!
nahita an'io kosa ilay patrô
moa dia nanararoatra nanjakazaka
tsy nanoka-bava raha tsy kôsô
tahak'io boza io ilay boto mba mizaka e

OEEE ia!
anao patrô moa dia mahavariagna
fa mahadigny raha tsy tiany loatra
nikoragna amin-dambo kanefa andriagna
mandritry ny androm-piaraha monina
vinitra nisentosento i pata
namokovoko namango daka
Ileboto aby tsy dia taitra,
dila valaka ingahy pata
lavo nantoetra eee! ia


....(intro tsara ny mankalaza Anao)


Eee ia!
taitra mafy Ilaiboto dia dila nody
tsy nandraho na dia ariary maty
ka ny hafa indray ka nisodisody
vakalahy Ilay boto tsy mba miady

Ô ieee!
teny ihany Ilaiboto dia nahita
olondrohi-namana mpanambe
nandimby fiainana dia tsara vita
Mifindrà ato omena trano namanay
sempotra Ilaiboto ravo loatra
latsa-dranomaso tsy nety nino
nisento lery dia namoaka
matokisa ianao Ilaiboto n'ino n'ino ôôô

Vao mba lehilahy nikarama
miana-biavy mitondra tena
sendra patrô mba tsy valahara
Ilaiboto very tonengy e
oa rô lagny fagnahy
manano zaridaina
mitati-drano
mamaky kitay na borosy trano
manampy zara amin'ny mpanam-bola
Ilaiboto vadin-karegna eee
Reraky ny aina tsy te hiasa
viavy nalaina mitoe-jaza
mbola tampohin'ny mitondra tena
Ilaiboto mahatsiaro an'i Baba e
arô tomany an'i Endry e,
Mivavaka mafy amin-Jagnahary
ho salama vatana tsy harary
vonona hijoro ho lehilahy Ilaiboto tsy maintsy manompo ô.(2x)
5. hery ( 30/10/2014 14:20)
loll amin'ilay hoe (intro tsara ny mankalaza Anao)

misaotra e
6. 5laody ( 04/11/2014 15:24)
hahaha, tandremo manao mix tampoka any am-piangonana any ianao rehefa mitendry.
7. salomo ( 07/12/2014 22:52)
vaovao ve io vazo io ry Hery ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0951