NY TOMBO-KASEN'AVOINDRINDRA SY NY MARIKY NY BIBI-DIA

1. Maranatha ( 29/09/2014 06:07)
Ny famantarana na ny tombokasen’Andrimanitra dia hita ao amin’ny fitandremana ny sabata, naorina ho fahatsiarovana ny famorononana tamin’ny andro fahafito amin’ny herinandro. Niresaka tamin’i Mosesy Jehovah ka niteny hoe : ‘Ary dia milaza amin’ny zanak’israely hianao hoe : Ny sabatako no tandremo ; fa famantarana ho amiko sy ho aminareo hatramin’ny taranakareo fara mandimby izany ; mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Izay manamasina anareo.’ Eksodosy 31 : 12-13. Eto ny sabata dia manondro mazava tsara fa famantarana eo amin’Andriamanitra sy ny olony. »
«Ny mariky ny bibi-dia kosa mifanohitra amin’izany dia ny fitandremana ny andro voalohany amin’ny herinandro. Io marika io dia manavaka ireo manaiky ny fahambonian’ny fanjakana papaly amin’ireo manaiky ny baikon’ Andriamanitra. »
–Témoignages pour l’Eglise, vol. 3, pp. 273, 274. ARAHO ATO
novalian'i bor2lais ny 04/10/2014 14:54
2. rhaj0 ( 29/09/2014 13:18)
Maranatha ha hou hou ... Sao dia inty ilay "bibidia" niakatra avy tany @ rano ? :)
3. rhaj0 ( 29/09/2014 17:03)
... dia inty ilay "bibidia" niakatra avy tany @ tany ? :)

4. moustaraf ( 30/09/2014 03:16)

Maranatha:

Ny famantarana na ny tombokasen’Andrimanitra dia hita ao amin’ny fitandremana ny sabata, naorina ho fahatsiarovana ny famorononana tamin’ny andro fahafito amin’ny herinandro. Niresaka tamin’i Mosesy Jehovah ka niteny hoe : ‘Ary dia milaza amin’ny zanak’israely hianao hoe : Ny sabatako no tandremo ; fa famantarana ho amiko sy ho aminareo hatramin’ny taranakareo fara mandimby izany ; mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Izay manamasina anareo.’ Eksodosy 31 : 12-13. Eto ny sabata dia manondro mazava tsara fa famantarana eo amin’Andriamanitra sy ny olony. »
«Ny mariky ny bibi-dia kosa mifanohitra amin’izany dia ny fitandremana ny andro voalohany amin’ny herinandro. Io marika io dia manavaka ireo manaiky ny fahambonian’ny fanjakana
papaly amin’ireo manaiky ny baikon’ Andriamanitra. »
–Témoignages pour l’Eglise, vol. 3, pp. 273, 274. ARAHO ATO


1. Ary ianareo toa mbola mampiasa foana an'le jehovah e? Ny mpitarika anareo anaie efa nandaka an'io e! efa hoe tsy izy io no sady tsy mitombina, fa ianareo toa mbola any foana???
Ilay "YHWH" dia tsy izay jehovah izany no famaky azy e! mba mahalalà amin'izay fa tena miona be nareo zany.

2.Ny sabata dia an'i ELOHYM irery ihany, aoka hazava!
i Atra, God, Got, Dieu, Baan,....dia nanokana ny andro alahady mba iankohofana amin'ny masoandro "SUN DAY";
ka aoka tsy hisandoka sabata isika fa mampifangaro ny biby maloto amin'ny biby madio!
Raha zavatra hafa ankoatra an'i ELOHYM no ivavahanao dia aza misandoka sabata mihitsy aloha e! Mazava ny voalaza:
NY fanajana sabata dia mifanpitohy amin'ny ANARANY:
Ny sabatako no tandremo ; fa famantarana ho amiko sy ho aminareo hatramin’ny taranakareo fara mandimby izany ; mba ho fantatrareo fa Izaho no ADONAY ELOHYM Izay manamasina anareo.’ Eksodosy 31 : 12-13.

Dikany:
Na ho faty mitandrina sabata ianareo ka "tsy mahafantatra akory ny anarany", izay IZY NO NANOME AZY, faa tsy noforonin'olombelona , dia bye bye e!

Ary averina eto foana, fa ny MARIKY NY BIBIDIA anie ka ANARANA e!
ANARANA IVAVAHANA SY IANKOHOFANA MANERAN-TANY IZAY SORATANA EO AMIN'NY HANDRIN'NY MPANARA-DIA AZY! ANARANA IO RY NAMANA A! IREO ANARANA FOSIKA REHETRA TSY AVY AMIN'NY ELOHYM ka iankohofana!
5. Maranatha ( 30/09/2014 06:00)

moustaraf:

1. Ary ianareo toa mbola mampiasa foana an'le jehovah e? Ny mpitarika anareo anaie efa nandaka an'io e! efa hoe tsy izy io no sady tsy mitombina, fa ianareo toa mbola any foana???
Ilay "YHWH" dia tsy izay jehovah izany no famaky azy e! mba mahalalà amin'izay fa tena miona be nareo zany.

Ny fanontaniko hapetrako aminao aloha dia hoe iza izay lazainao fa mpitarika anay izay???? Sao diso fijery hianao ka mampifangaro ny ondry amin'ny osy????
Manaraka: mikasika ilay anarana dia mbola heken'i Avoindrindra izay anarany nahalalan'ny firenena tsirairay Azy mandram-pahatonga nn andron'i Tompo. tsy efa novakianao va ity
Zakaria 14:9 Ary Tsitoha ho Mpanjakan'ny tany rehetra; amin'izany andro izany dia iray no Tsitoha , sady iray no anarany.

moustaraf:

2.Ny sabata dia an'i ELOHYM irery ihany, aoka hazava!
i Atra, God, Got, Dieu, Baan,....dia nanokana ny andro alahady mba iankohofana amin'ny masoandro "SUN DAY";
ka aoka tsy hisandoka sabata isika fa mampifangaro ny biby maloto amin'ny biby madio!
Raha zavatra hafa ankoatra an'i ELOHYM no ivavahanao dia aza misandoka sabata mihitsy aloha e! Mazava ny voalaza:
NY fanajana sabata dia mifanpitohy amin'ny ANARANY:
Ny sabatako no tandremo ; fa famantarana ho amiko sy ho aminareo hatramin’ny taranakareo fara mandimby izany ; mba ho fantatrareo fa Izaho no ADONAY ELOHYM Izay manamasina anareo.’ Eksodosy 31 : 12-13.

Dikany:
Na ho faty mitandrina sabata ianareo ka "tsy mahafantatra akory ny anarany", izay IZY NO NANOME AZY, faa tsy noforonin'olombelona , dia bye bye e!


Fifamantarana no resaka eto fa tsy anaranan-tsamirery. Mitovy amin'io ny Ezekiela 20:12 Ary nomeko azy koa ny Sabatako ho famantarana ho amiko sy ho aminy mba ho fantany fa Izaho Tsitoha no manamasina azy.

moustaraf:

Ary averina eto foana, fa ny MARIKY NY BIBIDIA anie ka ANARANA e!
ANARANA IVAVAHANA SY IANKOHOFANA MANERAN-TANY IZAY SORATANA EO AMIN'NY HANDRIN'NY MPANARA-DIA AZY! ANARANA IO RY NAMANA A! IREO ANARANA FOSIKA REHETRA TSY AVY AMIN'NY ELOHYM ka iankohofana!


Ilay ANARANA izay resahina eto indray dia FAHEFANA Asan'ny apostoly 4:7 Ary rehefa nataony teo ampovoany izy roa lahy, dia nanontaniany hoe: Fahefana manao ahoana, na anarana manao ahoana, no nanaovanareo izany?

Ny fahefan'ny Bibidia dia ny nanovany ny sabata ho Alahady . Fahefana izay nomen(ny Dragona azy.
6. bor2lais ( 04/10/2014 14:54)
maranatha:

Ny famantarana na ny tombokasen’Andrimanitra dia hita ao amin’ny fitandremana ny sabata, naorina ho fahatsiarovana ny famorononana tamin’ny andro fahafito amin’ny herinandro.
...
Ny fahefan'ny Bibidia dia ny nanovany ny sabata ho Alahady . Fahefana izay nomen(ny Dragona azy.

:-)
Nahatsiaro ity fizarana nataon'ny namana Tefigasy mikasika ny sabata ity ny tenako mahita ireo zavatra soratan'ny namana maranatha ireo ka indro averiko eto sao mahasoa (ialana tsiny amin'i Tefigasy ny kôpie/kôle ;-) ) :
tefigasy:

1°- Ny sabata (fitsaharana) :
Gen.2:1-3 : dia vita ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra teo aminy ary tamin’ny andro fahafito dia vitan’Andriamanitra ny asa efa nataony ary dia nitsahatra tamin’ny andro fahafito Izy tamin’ny asany rehetra izay efa nataony, ary Andriamanitra nitahy ny andro fahafito sy nanamasina azy satria tamin’izany no nitsaharan’Andriamanitra tamin’ny asany rehetra izay noforoniny tamin’ny nanaovany azy.

Rehefa vita ny asa, dia nitsahatra ny Tompo. Milaza izany fa lehibe ao amin’Andriamanitra ary tena hevitr’Andriamanitra mihitsy ny hisian’ny fitsaharana aorian’ny asa nisasarana.

Aleo aloha marihina tsara fa ny andro lazaina teto amin'ity vanim-potoan'ny fahariana ity dia tsy andro voatery mitovy halavana; tsy voatery hoe ny andro voalohany dia mitovy halavana amin’ny andro fahaefatra, … Tsia, satria ireo andro ireo dia tsy mba notapahin’ny masoandro ka hoe 24 ora tahaka izay fanisan’andro ankehitriny. Ny masoandro dia tsy noforonin’Andriamanitra raha tsy tany amin’ny andro fahaefatra. Koa tsy notapahin’izany masoandro izany mihitsy ny andro voalohany, ny faharoa, ny fahatelo, na ihany koa ny fahaefatra sy ny manaraka aza.

Ny fahariana dia tsy ny andro loatra no mitondra azy fa ilay zavatra noharian’Andriamanitra tamin’iny vanim-potoana iray iny. Misy zavatra maromaro natao tamin’ny andro iray, nisy zavatra vitsivitsy tamin’ny andro iray. Ireny zavatra nohariana ireny no mamaritra ny halavan'ny fotoanan'ny fahariana iray teo amin’Andriamanitra.

Voalaza fa enina andro no niasan’Andriamanitra ary ny andro fahafito Izy no nitsahatra.

Ny asa no mialohan’ny fitsaharana izany. Saingy izao no marihina tsara: tsy ny sabata mihitsy no lehibe raha ity soratra masina ity no jerena fa ilay fitsaharana no zavatra tena lehibe ambara eto. Fahamarinana ao amin’Andriamanitra mihitsy ilay fitsaharana aorian’ny asa izay nisasarana. Ilay fitsaharana no zava-dehibe fa tsy ilay andro iray izay ambara hoe andro fahafito na hoe sabata.

Andriamanitra dia efa nitsahatra, tsy nahary intsony ankehitriny fa mitahiry Izy izao, mikarakara. Ary voambara fa ilay fitsaharana no mamarana ny fahariana, ny enina andro.

Rehefa vita ny fahariana dia nitsahatra Izy.

Nanomboka tamin’izany fotoana nitsaharana izany ka hatramin’izao ary mitohy hatramin’ny faran’ny tantaran’ity lanitra sy tany voalohany ity ilay andro fahafito.

Izao androtsika izao dia efa andro fitsaharana, izany hoe: Sabatan’Andriamanitra satria efa nitsahatra Izy ary tsy mahary intsony fa mitahiry sisa no ataony, mikarakara mba tsy ho levona ny zavatra nohariany. Ao anatin’ny sabatan’ Andriamanitra izany isika amin’izao andro ankehitriny izao.

Notahiany ny andro fahafito ary nohamasinina. Izao androtsika izao dia tena ao anatin’izany mihitsy: eo ambany fitahian’Andriamanitra, eo ambanin’ny fanamasinan’Andriamanitra, fanokanan’ Andriamanitra ho Azy, ho an’ny tenany. Ny dikany: ao anatin’ilay sabatan’Andriamanitra mihitsy izany isika amin’izao andro ankehitriny izao.

Hatreto aloha dia mbola tsy misy hidiran'ny kristianina na jiosy fa fomba fijery ara-baiboly ihany izany rehetra izany. Ny baiboly no fototra amiko ka tsy maintsy apetraka tsara aloha ny fototra vao apekarina ny rindrina.

:-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2671