Matahotra ny hodian'i Ravalomanana ny HVM

1. rabaradaka ( 23/09/2014 08:02)
Resa-be fotsiny io fampihavanam-pirenena tanisain'ingahy Rajaonarimampianina etsy sy eroa io. Heveriny angamba fa ny firesahany an'izany no hahazoantsika malagasy famatsiam-bola. Raha tsy manao fampihavanam-pirenena ka tonga eto Ravalomanana dia tsy hisy vola ho azontsika izany, conditionnalité napetraky ny communauté internationale mihitsy izany. Raha i Hery sy ny ekipany anefa (avec TGV sy HVM) dia tsy hanaiky ny hidiran'i Ravalomanana eto satria "retour en heros" i Ravalo tonga eto ary na inona condition apetraky ny SADC mikasika ny fahaizan'ny ramose Ravalo miaina eto Madagasikara, tsy voafehin'i Hery izany. Koa raha izay dia mety ho any ivelany (Maurice na Seychelles) no hanaovana io sommet à 5 io indray. Dia tsy hisy vola indray izany mandritra ny 5 taona ary ny amerikana tsy hanaiky mihitsy.
2. nilex ( 24/09/2014 08:47)
raha izao aloha no jerena dia tsy dia misy antenaina amin'ity fitondrana ity fa dia ny firodanany indry no andrasana eto e.Mampalahelo fa hiditra krizy vaovao indray.
3. rabaradaka ( 25/09/2014 05:30)
fa ny vaovao henoko raha sendra teny Tsimbazaza aho dia hoe i Rivo Rakotovao na i Rivo Mainty no mety hataon'i Hery PM. Ka tsy loza indray ve izany, samy mpiakama no hitondra firenena. Raha izay sanatria (aleo sanatriavina) dia omeko 3 volana dia hirodana tanteraka io fitondrana HVM io. Mikasa hanao PDS ny 1549 communes ny HVM hanomanana izay Maire hapetraka eo. Raha mitombina koa ity resaka henoko teny amin'ny assemblée nationale ity dia tokony hikomy ny vahoaka fa ny nahatonga ny CES nampitarazoka ny famoahana ny vokatry ny fifidianana député naverina dia niandry izay candidat nanana vola be izy ireo, ary nisy nanolotra 50 millions fmg, saingy tsy tafa fa nisy nanome 100 millions avy hatrany. Ny DREN koa dia izay nanome 50 millions fmg no ho tafa eo. Izany sahady no fitondrana HVM. Misy candidat DREN sahy hijoro vavolombelona indrindra ny avy ao Itasy, Bongolava fa nanone vola be tsy toko tsy forohana ry zareo ireo
4. rhaj0 ( 26/09/2014 15:21)
miresaka Ra8.. dia ampiako iles eparses indray.. dia miresaka fitondrana "mirodana"

Ka i Ra8 izany norotahan-drizalahy raha vao "siosio" fotsiny fa hoe hamena bail ny orinasa indiana amina tany be velarana...

Dia io anefa i Hery, TSY resaka siosio fa efa ofisialy, fa mikasa ameny tapany (co-gestion) ny frantsay @ iretsy tanindrazana..

Io angaha ho tonga @ ilay hoe mandona tapany azahoana erany... Io k'lou dia ho tonga @ ilay hoe, amenao akihikely fa raofiny h@ tananao..


Ka ahoana : tsy tokony ho io resaka io ve no hampirodana an'i HVM ??
5. rabaradaka ( 06/10/2014 05:00)
Tsy mpomba an-dRavalomanana i Rabaradaka na koa hoe mpanohitra be fahatany fotsiny , tsia tompoko, fa raha ny zava-misi iainan'ny firenena ankehitriny no jerena dia tsy ho lasa lavitra isika.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1594