Fa nahoana kay no .... ?

1. Rahomainty ( 13/09/2014 07:19)
Mpifankatia ray no miresaka dia anisan'ny resaka niainga tao ny hoe:
malala a! tinao aho, Inona ary no hiarahanao @ko? inona no hitiavanao ahy?

Dia namaly ilay olo-tiany nanao hoe:
- Tiko ianao satri manam-bola.
- Tiko enao satria maintimainty volo.
- Tiko ianao satria tsy mifoka sigara.
- Tiko ianao satria tsy misotro toaka.
- Tiko ianao satria tsara tarehy.
- Tiko ianao satria sariaka tsy miavona.
- Tiko ianao satria tsara feo
- sns ...

Dia nahita antony be dia be toy izay foana ilay nanontaniana.

Tokony hisy antony ve ny hitiavana olona iray? Fa maninona no mitia? Moa ve tena fitiavana ny an'ity farany @zay?


novalian'i TenWords ny 30/09/2015 13:28
2. hafahafa ( 13/09/2014 08:07)

Rahomainty:

Mpifankatia ray no miresaka dia anisan'ny resaka niainga tao ny hoe:
malala a! tinao aho, Inona ary no hiarahanao @ko? inona no hitiavanao ahy?

Dia namaly ilay olo-tiany nanao hoe:
- Tiko ianao satri manam-bola.
- Tiko enao satria maintimainty volo.
- Tiko ianao satria tsy mifoka sigara.
- Tiko ianao satria tsy misotro toaka.
- Tiko ianao satria tsara tarehy.
- Tiko ianao satria sariaka tsy miavona.
- Tiko ianao satria tsara feo
- sns ...

Dia nahita antony be dia be toy izay foana ilay nanontaniana.

Tokony hisy antony ve ny hitiavana olona iray? Fa maninona no mitia? Moa ve tena fitiavana ny an'ity farany @zay?




samy mba efa nilaza ny antony daholo fa ra oana manokana taty aoriana vo fatatro oe tsy ilaina izany ra tena tia any lay olona
-ra tsy manambola ve izy de tsy otiana tsony?
-ra sendra ka nisy fiovana ny tarehiny de aona kou?
-ary ra sendra mba te isotro kely na ifoka?
Raha nena de tiko tsotry zao fotsiny tsy haiko oe naona.
3. mirananirina ( 13/09/2014 16:48)
Hihi misy antony hitiavana azy matoa iarahana ilay olona, fomba firesany, fanajany olona sns...io ny ahy no jerevako voalohany dia manaraka ho azy y sisa rehetra.
Misy antony tokoa matoa ianao miaraka @ olona iray fa tsy hoe tia dia vita. Raha adala na marary saina ve iny dia mbola tiavina ohatra.
Ilay hoe maninona no mitia??? Amiko hafahafa( gangstabab) ilay fanontaniana.
4. Valihasina ( 15/09/2014 08:14)
Fa maninona no mitia?
Tsotra be, mitia ianao satri ny fitiavana dia mahasambatra. Ary ny olona tsirairay dia mananjo ho sambatra avokoa.


Tokony hisy antony ve ny hitiavana olona iray?
Marina aloha hoe fidiana tsara aloha ny olona ray vao iarahana e! aôna moa no hidiranao @ olona ray raha tsy hitanao hoe misy manaitra anao aloh eny @y? Fa rehefa aveo enao miaraka @y dia hitanao avokoa ny ratsy eny @y. @zay fotoana zay enao raha tena tia anazy dia miaraka @y foana na inona zavatra mitranga eo na inona satria tinao izy @ lafiny rehetra na eo aza defaut eny @y. Fa ho ahy tsy ny fitiavana olona @le qualité-any no tena fitiavana fa ny fanekena sy fankasitrahana ny defaut an'le olona ray ihany koa. Ka rah adala na marary saina ohatra lay olon-tinao ka iny no tinao dia fitiavana zany.

Ho ahy aloha tsy tokony hisy antony. Enao tena tia azy fa raha ieritreritra ny hiaraka @y dia tokana ny condition dia ity: tokony tiny koa ianao.


Moa ve tena fitiavana ny an'ity farany @zay?
Tsy tena fitiavana ny azy satria, ny antony hitiavany an'lay olona dia noho ny qualité an'le ray fotsiny. Fa raha miseho izany ny lafiratsy hafa na tsy mipetraka intsony ireo qualité ireo dia mety tsy hotiany intsony ilay olona tiaviny. Raha tena fitiavana dia tokony hotia an'le olo-tiny foana nefa izy na eo aza ny lafiratsin'izy io, rehefa mipetraka fotsiny ny condition (tia azy koa le ray).

Fa raha toa ka tsy mipetraka ny condition (tia azy koa le ray), na tena tiany koa aza io olona io dia manjary mitia mangina fotsiny ndray izy satri tsy tin'le ray akory.

5. mpisotrtoaka ( 19/01/2015 08:42)
Tsy fitiavana ny azy !
6. rhdom ( 20/01/2015 04:52)
bjr daholo araka ny theorien'ny FITIAVANA dia zany tokoa tia fotsiny dia ampy tsy mila tambiny sns
zao kosa anefa : misy koa manararaotra io de enao araka izay voalaza fa izy ts zany
*tokony hisy FOTOTRA hijoroana foana izay rehetra atao fa tsy misy FITIAVANA na FIAINAN' ny HAFA na ianao hatao SORONA izany
***matetika manko refa tena tia ny olona iray de ny ilany ts tena tia akory
7. Strong3 ( 20/01/2015 09:19)
Diso daholo izany rehetra izany:

INONA NO ATAO HOE FITIAVANA?
- ny banga amiko dia hitako fa afaka fenoinao
- ary ny banga aminao dia ho fenoko

Mifameno isika :-)

___ za mahita hoe: par intérêt daholo ny fitiavana. samy mitady izay tombony amin'olona iray heveriny fa hanome azy ny tsy ampy eo aminy!!!
° mety ho tambitamby izy io
° mety ho fizarany ny mahazo azy
° mety ho rs
° mety ho vola koa
° mety ho ... sns

donku; aza mieritreritra ho tiavina fotsiny; fa mila tambiny daholo ny zavatra rehetra ao amin'ny atao hoe fitiavana. _ faritana ho tia tena ianao ao amin'ny tontolon'ny fitiavana raha toa ka tsy manome nainona na inona fa miandry tolorana fotsiny
8. Djhamhal ( 03/02/2015 07:27)
salama daholo
Betsaka no azo tanisaina raha momba n'io fa ny tsotra dia ny hoe:Inona ny mety tsy itiavanao ahy ?
9. rantsvonjy ( 19/05/2015 10:29)
tsy mitombona aló le oe tia fotsiny amzao e!!! za zao lehilahy, ra hitia vehvavy iray zà tsy maintsy misy antony iray manaitra ahy ao, zay manosika ahy hitia azy...!!! nefa koa tsy voatery ho tombotsoa izany, matoa enao zany mitia olona iray de tsy maintsy misy antony ao......!!!
10. Strong3 ( 19/05/2015 11:33)
ka iza ary no hilaza ary hoe tsy misy intéréako ny hitia azy fa tiako fotsiny izy?

ataoko fa hafahafa izany
11. TenWords ( 30/09/2015 13:28)
Raha izany no fitiavana (misy interets) dia aleo tsy mitia... Ny fitiavana efa ao anaty no anton'ny itiavana (expression des sentiments) fa tsy hoe mahasambatra koa ny mitia: Aimer c'est souffrir comme on dit!
saingy ny fitiavana dia famonjEna raha ny heviny ara-baiboly no jerEna (io ilay mahatonga ny lehilahy hierikerika rehefa misy vehivavy jilajila hitany eny an-dalana, ny sasany aza roboka mihitsy manao izay iarahana aminy, saingy rehefa miaraka izy ireo dia tsy avelan'ilay lehilahy hijilajila sy hijejojejo intsony ilay vehivavy ka raha tena tia izy dia miova)
Efa voasoratra daholo izany fa isika dia tian'ny Mpahary noho 'ny otantsika ka rehefa tafaray Aminy isika dia miova tanteraka... Efes 5:32 Zava-miafina lehibe izany fa milaza ny amin'i Kristy sy ny fiangonana aho
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1912