Ambassade París

1. gasyjean ( 05/07/2014 11:34)
manahoana daholy!
Fa ahoana lotra zalah,fa inona no tena adin'ireo olona ao @ ambassade ao París ireo ? tena tsy misy fomba ahafahana mi-contacter mihintsy na @ mail zany na @ tlf ,zany hoe misy num sy adiresy mailaka ihany hita any ho any kanefa dia sady tsy misy mamaly ny hafatra alefanao no tsy misy mandray ny phone rehefa miantso ianao.Zahay ty tapa-tongontra tsy mba afaka mandehandeha intsony fa tena lany daty lay passeport.Tena mandreraka mintsy ty kle dia voatery andeha ho any Paris zany haka renseignement fotsiny,tsy manam-potoana ny amin'zany zahay fa aleo dia ho lany daty eo raha izany kle.
(Sao dia mba misy olona mipetraka any París akakaiky ny ambassade rangah any mba afaka milaza aminay ny zava-misy ao a!)
Misaotra antsika!
novalian'i Ratoa ny 06/05/2015 13:31
2. vaotonga ( 06/07/2014 23:24)
Slt gasyjean, ny ahy koa lany daty ny "passport" nefa tsy afaka nody tany Mada aho nanavao azy satria tena tao anatin'ny fanadinana mihintsy no nahalany azy, ka ny nataoko ny ahy dia izao: no"scaner"vako ny "passport"ko lany daty iny, dia iny no nalefako t@ fianankaviako, dia ry zareo no nanao ny "passport"ko vaovao fa tsy nandeha tany aho. Tsy haiko anefa na mbola mety na tsy mety io fomba io amin'izao satria isika efa miditra @n'ity fampiasana "passport electronique" ity ka anontanio ihany. Vao heritaona sy tapany izay no nahazahoako io "passport"ko vaovao io, mbola tsy dia ela loatra ka izay no ilazako anao hoe: anontanio ihany aloha fa sao mbola mety ity fomba nataoko ity. Izay fa mazotoa.
3. Noue ( 07/07/2014 17:20)

gasyjean:

manahoana daholy!
Fa ahoana lotra zalah,fa inona no tena adin'ireo olona ao @ ambassade ao París ireo ? tena tsy misy fomba ahafahana mi-contacter mihintsy na @ mail zany na @ tlf milaza aminay ny zava-misy ao a!)



tsy misy na inona na inona mandeha intsony ao @ ambassade ao paris !

tsy misy vola

tsy mandray karama na iza na iza

ny trano mety tsy efa lasan'mairie ve ? satria tsy misy mandoha ny hofan-trano , ny jiro sns..

délabrée hoy ny service ao @ mairie

ka inona moa fa ny olona manana olana tahaka anao dia manao système D ? alefa any dago ny passeport nefa ilaina koa ny tompony manao sonia sady efa lasa biometrie vaovao io aaa

tsy misy saosy eee dia anarana fotsiny aloha hoe ambassade fa tsy misy na inona na inona ao !

aiza koa moa ??? foza anié no naka anteriny io ambasady io eee ! nefa inona no nataony tao hatramin'zao ?? tsy misy eee
4. Ratoa ( 19/07/2014 19:47)
raha efa biométrique ny passeport -nao dia jereo @ intenet ny zavatra ilaina rehetra,raha misy taratasy tokony ho fenoina sy atao sonia dia imprimer-o dia soniavo dia scanner-o dia alefaso internet na mpitondray olona. tsy mila sonia intsony ny passeport fa efa any ny bio -nao. Raha tsy izany dia tsy maintsy mankany Paris ianao.
Marina fa nihena be ny budget, fa lainga izany tsy mandray karama izany. Dia afaka hiaina ao Paris ve raha tsy misy vola raisina?
Ny ambassade kely aza mandray karama sy miasa ka ho ambaka ve i Paris?
Ny mpanely tsaho no betsaka .
Betsaka koa ny gasy tsy te hiasa sy sns.
Fa aza kivy
Raha hody moa ianao, dia ny passeport lany andro no ento dia any manova
5. Noue ( 20/07/2014 15:21)

Ratoa:


Marina fa nihena be ny budget, fa lainga izany tsy mandray karama izany.
Ny mpanely tsaho no betsaka .




Ny mpanely tsaho no betsaka hoy ianao ?

tokony mandalo ao @ ambassade ao paris ianao dia ahita ny marina rehetra eee

ary raha toa ka tena hoe miasa ara-dalana ny olona ao , maninona no misy ity dinika ity ? sa @ nao mpamely tsaho koa io nandefa ny dinika io hoe tsy misy na inona na inona ataon'mpiasa ao na dia miantso an-taroby aza tsy misy mandray sa tsy efa tapaka koa ve ny ligne ?
6. Noue ( 20/07/2014 15:39)
ho an'i "Ratoa" misy pages be dia be etsy ambony ankavananao dia vakio ny fitarainan'ny olona dia ho hitanao raha ny mpamely tsaho no betsaka

http://embassy-finder.com/fr/madagascar_in_paris_france?page=4

demande de renouvellement de passeport
Manahoana tompoko!!!
j,ai envoyer mon dossier de demande de renouvellement de passeport il y a environ 1 mois;mais jusque maintenant j;ai aucune nouvelle,impossible de vous joindre;votre téléphone ne fonction pas votre ligne ne serre à rien
Rien ne marche votre système vraiment honteux si volez vous pas travaillez vous avez ca fermé votre bureau honteux change un peux nous somme en france plus au pays de moramora vraiment HONTE HONTE D’Être malagasy
7. ombelline ( 21/07/2014 09:44)
Ratoa:


Marina fa nihena be ny budget, fa lainga izany tsy mandray karama izany.
Ny mpanely tsaho no betsaka .



Noue:

Ny mpanely tsaho no betsaka hoy ianao ?

tokony mandalo ao @ ambassade ao paris ianao dia ahita ny marina rehetra eee

ary raha toa ka tena hoe miasa ara-dalana ny olona ao , maninona no misy ity dinika ity ? sa @ nao mpamely tsaho koa io nandefa ny dinika io hoe tsy misy na inona na inona ataon'mpiasa ao na dia miantso an-taroby aza tsy misy mandray sa tsy efa tapaka koa ve ny ligne ?



Ohatran'ny fahazoako ny lazain'i Ratoa dia hoe "tsy marina ilay hoe tsy mandray karama ny mpiasa" fa tsy hoe tsy marina fa mitaraina ny olona fa tsy misy mandray antso an-taroby
8. mpisotrtoaka ( 24/07/2014 10:23)
Resaka mandany jiro koa ny an'ireto fa ts ze hevitra mety no atoro le olona !
9. turping ( 30/07/2014 06:17)
Bjr daholo,
Rehefa tsy mamaly ny Ambassade ao Paris ,dia contacté-o ny consulat de Madagascar à Marseille ,sns....jereo fotsiny ny coordonnées téléphoniques en tapant sur Google ,etc....satria ny démarche sy ny papiers ilaina hanovana ny passeport mitovy daholo alohan'ny hi se déplacer ava-na .
10. zandrikely ( 17/02/2015 11:53)

[quote=turping]
Bjr daholo,
ra analava passport de tonga de alefaso mada fa misy olona afaka manambotra ao , mandefasa sary de mangala certicat residence any mada fa tonga de vita biometrie io fa mila manome vola an , aleo zay fa ny ao paris ao efa tsy mandeha
11. Ratoa ( 17/02/2015 17:04)

ny lazaiko dia hoe: mandray karama daholo ny mpiasan'ny ambassade.
12. ralijaonas ( 17/02/2015 19:29)
Zandrikely ,
Misaotra @ torohevitra fa ny ahy efa nataoko tanyMscar ny passeport biométrique ,dia nanome vola ohatran'ny mahazatra ,tsolotra e !
13. gasyjean ( 05/05/2015 18:13)
Misaotra anareo rehetra namaly ny resako na dia efa somary lany daty aza ity "theme" ity.Amin'izao fotoana izao fara-faharatsiny efa mba misokatra ny siteweb ao @ ny Ambasadintsika ao ka mba efa nazahoana valiny mangirana kely ny hetahetako ,raha araka ny zavatra hitako dia efa tsy biometrika intsony indray ny passeport fa eletrika ka mila manova daholo izany isika mianakavy.Ary ho feno asa ry zareo reo zany atoato, ka samia mailo,sao tara be tahaka anay.
14. gasyjean ( 05/05/2015 18:16)

gasyjean:

Misaotra anareo rehetra namaly ny resako na dia efa somary lany daty aza ity "theme" ity.Amin'izao fotoana izao fara-faharatsiny efa mba misokatra ny siteweb ao @ ny Ambasadintsika ao ka mba efa nazahoana valiny mangirana kely ny hetahetako ,raha araka ny zavatra hitako dia efa tsy biometrika intsony indray ny passeport fa eletrika ka mila manova daholo izany isika mianakavy.Ary ho feno asa ry zareo reo zany atoato, ka samia mailo,sao tara be tahaka anay.

NB:Marihina fa *elektronika no tiako ambara eto fa tsy "elektrika " hihihi!!
15. Ratoa ( 06/05/2015 13:31)

izaho efa nanolo, misy puce électronique ny pasipaoro ankehitriny
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3302