You are here: home > Forum

Lalao fanorona amin'ny ordi

Lohahevitra : Informatika
Fitohizan'ny hafatra : Lalao fanorona amin'ny ordi
Valiny : 9
endriny - 07/06/2014 07:59
Dia gaga aho fa tsy nivoatra mihintsy ilay izy. Ary rehefa mitady ho resy ilay ordi dia mikatso ilay izy...ihihihih
Valio | Miverina eny ambony
hery - 07/06/2014 09:37
Taiza no nahitanao an'zany? Misy maromaro mantsy
Valio | Miverina eny ambony
5laody - 09/06/2014 11:39

hery
Taiza no nahitanao an'zany? Misy maromaro mantsy

salama daholo,

ilay version'i David Eippstein iny toa mety foana saingy tsy misy ady vela. Misy mamaham-bela ve any ho any ry Hery?
Valio | Miverina eny ambony
hery - 23/06/2014 12:26
Ka tokony atao lisitra eto daholo aloha izay efa hitanareo
Valio | Miverina eny ambony
5laody - 23/06/2014 15:38
hery
Ka tokony atao lisitra eto daholo aloha izay efa hitanareo

Ity ihany aloha no fampiasako ary afa-po aho ankoatry ny amin'ny vela
(http://www.ics.uci.edu/~eppstein/180a/projects/fanorona/)
Valio | Miverina eny ambony
endriny - 23/06/2014 17:19

hery
Taiza no nahitanao an'zany? Misy maromaro mantsy


Ilay taloha tamin'ny diskety, fanorona eni-imi, sady mandeha dos, fa io tsara kokoa noho ilay fanorona pygame tsy mamely, ilay thibault fanorona koa mitovy ihany fa izy linux fotsiny.

Ilay e fanorona nosoratan'i Nivo indray angamba aloha no andramana...
Valio | Miverina eny ambony
5laody - 24/06/2014 16:14
Salut daholo,

Nitady aho fa efa betsaka koa ny rohy tsy mandeha intsony.
Hay ve ka misy an'itony any anaty kilalao video any e?
Valio | Miverina eny ambony
booboo - 26/06/2014 18:42
e-fanorona no filalaovanay
Valio | Miverina eny ambony
endriny - 12/07/2014 07:03

booboo
e-fanorona no filalaovanay

Tena tsy mety hialalaovana irery ilay ry booboo, fa tsara aloha ilay izy raha olona roa e
Valio | Miverina eny ambony
solobindo - 01/11/2014 16:05
Misy fanorona nivoaka mandeha @ android (google playstore) sy IoS, misy vela sy IA (intelligence artificielle), ao @ e-fanorona.com
Valio | Miverina eny ambony