29 mars 1947...toy ny valalan'alika ?

1. Lesla ( 05/04/2014 00:33)
Mbola midika inona @ isika malagasy io daty io?firy ny olona, indrindra ny tanora mbola mahafantatra any io tantara io?mampalahelo fa toa efa saika tapitra maty daholo ny ankamaroany malagasy nandray anjara taminy io tolona io.tsy hisy vavolombelona intsony, dia tonga @izay notediaviny vazaha..dia ny tsy hiresahina ny momba io intsony.Jereo anefa ny any jiosy....mandava taona dia tsy maintsy misy resaka shoah foana mba ho fampatsiahivana!
Iza no tokony tomponandraikitra?....raha tsy isika malagasy ihany?tsy ny vahiny mihintsy no hikarakara izany!tsy haiko akory aza raha mbola anaty programma ny mpianatra io tantara io.Ny vokany dia izao...tompoina sy hajaina rehefa vazaha, ...aleontsika lavitra alikain' ny vazaha..
Ny firenena rehetra dia samy fier @ tantarany...isika anefa toa menatra satria voazanaka!
Inona ni tokony hatao mba tsy hananatsika henamaso @vahiny?
novalian'i lesla ny 21/04/2014 14:03
2. saho ( 06/04/2014 20:09)
les...>toi gambany manana toetsaina izany
hampatsiarovana io, tantara mipetraka anaty bokin ny tantara malagasy
tsy adino raha tena malagasy tena malagasy mandrapahatapitry ny fofon aina

Aza atao tsinotsinona ny maha Malagasy anao, mba hankatoavan olona ny fiavianao na aty ivelany na any antanindrazana

29 mars 1947 - 29 mars 2014 :

Ho fahatsiarovana ireo rehetra nitolona ho an'ny fahafahana sy ny fiverenan'ny fahaleovan-tena.

En mémoire de tous ceux qui ont lutté pour la liberté et le retour de indépendance.

Suite de l'insurrection de mars 1947, le procès des parlementaires, de juillet à octobre 1948 dont les trois députés au premier rang et d'autres membres du MDRM ou Mouvement Démocratique de la Rénovation Malgache.

3. andrywui ( 09/04/2014 18:32)


mampalaelo izy zany fa ity ary alou mba faodranomaso ho antsika taranaka be mokondoha eee
4. andrywui ( 09/04/2014 18:36)
de ity no tena izy eee ..nampalaelo mintsy ry dadabe ry Lesla oo nefa de tsy raharahiandry le tonaka toara maty aby reo huhuh tssssh adala !!

5. endriny ( 13/04/2014 02:39)
Atao ahoana fa Malagasy e. Rehefa vazaha no iharan'ny fitsaram-bahoaka dia wawawa daholo fa rehefa Malagasy dia tsara ho azy ny dia bonnet hono e... Toa faly aza ny olona hoe maty ilay Malagasy e...
6. 5laody ( 19/04/2014 13:05)

Lesla:

Mbola midika inona @ isika malagasy io daty io?



Valalan'alika ve ahazoana congé?


Inona ni tokony hatao ? Afaka mandray anjara amin'ny fampahalalàna ny tantara ianao ho an'ny tanora. Raha misy ny fikambanana mamelona ny 29 Martsa sy ny nanjo ny Malagasy fony fanjanahan-tany dia afaka miditra amin'izy ireny ianao na mamorona fikambanana raha tsy mahafa-po ireny.

Afaka mamorona blaogy ianao na pejy fasyboky mampatsiahy ny olona ny tantaram-pireneny.
Eny amin'ny toerana misy anao dia afaka hazavainao amin' ny tanora sy ny madinika hoe: maninona no andro tsy fiasana ny 29 Marsa.
Misy boky amin'ny teny malagasy mitantara ny fianan'olona tamin'izany fotoana izany. Aza adino koa ny manontany ireo zokinjokiny hoe ahoana no niainany izany vanim-potoana izany.
Afaka 2 taona dia hitsingerina fanim-pitopolony io andro lehibe io ka raiso ny adidinao ry tanora.
7. lesla ( 21/04/2014 14:03)

5laody:


Lesla:

Mbola midika inona @ isika malagasy io daty io?



Valalan'alika ve ahazoana congé?

Zavadehibe ve ny hoe mahazo congés aminy io vaninandro io?
....tsy tokony hadino ny isany olona maty novonoina taminy io fotoana io...
Ny tena mahakivy dia ny nataony ireto mpitondra vaovao ireto......Nanao afindrafindrao ry zareo;..dia avy eo dia nizara mofomamy ngezabe!......izay ve no fantany fa mety?.....adinony angamba fa olona efa miisa 80000 no najedaka....
Eritrereto anie raha hoe hanao bal makotroka be ny amerikana mba ho fahatsiarovana ny 11 septembre!.....Na hanao sakafo be sy hizara mofomamy ny frantsay mba ho fahatsiarovana ny 11 novembre!.....ary ahoana moa raha mba hanao fety be koa ny jiosy mba ho fahatsiarovana ny shoah ?....
Marina ny teninao hoe anjarantsika no mahatsiaro sy mampita izany tantara izany aminy tanora,na dia tsy mora aza ny manao izany.
Ka andao ary atomboka izany asa goavana izany.Mila ny Malagasy rehetra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2509