TSY AMPIASAINTSIKA intsony ny teny hoe MALGACHE MAL(ratsy) GACHE(manimba). Entanintsika hoe MALAGASY no ampiasaina...

1. nygasysoafifameno ( 17/03/2014 12:26)
ANTSO AVO sady FANENTANANA ho antsika rehetra MALAGASY zanak’i Madagasikara, na ny eto Madagasikara, na manerana izao tontolo izao.
TSY AMPIASAINTSIKA INTSONY ny teny hoe MAL GACHE fa ny hoe MALAGASY no ENTANINTSIKA ho AMPIASAINA...
Efa maro tokoa ireo EZAKA mendrika fiderana ataon’ny AKADEMIA malagasy misahana ny Rakibolana sy ny Rakipahalalana. Kanefa mbola misy HAIHITSY mila ENTANINTSIKA farany izay HAINGANA indrindra, koa manao izao ANTSO AVO izao i Profesora TAHINA namorona sady filohan’i MADAGASIKARA mitandrina ary manentana ny KOLONTSAINA, ny HAIfampianarana, ny HAIfanabeazana ho olom-pirenena sy ny HAIfampandrosoana.
Efa taona 2014 izao. Aoka àry isika MALAGASY zanak’i Madagasikara TSY HISY INTSONY ampiasa na hiteny hoe “MALGACHE” MAL(ratsy) GACHE (manimba). Fiteny nampiasain’ireo mpitondra firenena nanao antsika ho ZANATANY izany ka nokajiany ho sady ANETRY maharitra ANAMBANY maharitra ny tenantsika (autodévalorisation et autoabaissement implicite et durable), no tena ANIMBA maharitra ny AMPARAHATOKA (autodestruction psychologique implicite et durable). Ny teny hoe “MALAGASY” na koa hoe GASY dia sady haihitsy no manandratra ho amin’ny tsara kokoa“SYnerjia”, mendrika sy avo an’i Madagasikara, ireo otrikaina sy harena voajanahary avo lenta, ary indrindra ny kolontsaina maha malagasy nomen’io Nosy tokana eto an-tany io ho antsika zanany, ho amin’ny haijery sy ny haisoa fifameno, fa sanatria tsy ho mora ahetry anaty sandoka, fitaka sy savorovoro voakajy hampifamono hifamono anaty firenena aripaka ary VOARIPAKA anaty fampahantrana 54 TAONA (1960-2014) . Io teny hoe “MALAGASY” io izany no ampiasaintsika, rehefa miresadresaka mitafa sy manao dinidinika fifanakalozana hevitra indrindra amin’ny vahiny, ka samy entanin’ny finiavana miandrandra ny haiserasera tena izy, sy ny haififanajana voajanahary mahasolanga.
Mangarahara fa tsy ilalaovana HETSI-PO vetivety ity ANTSO ity, fa fanentanana ary fitandremana ny KOLONTSAINA ny HAIFAMPIANARANA ny HAIFANABEAZANA ho olom-pirenena ary ny HAIFAMPANDROSOANA (tena izy)
Mirary soa sy herinandro tsara tsara ho antsika.
Profesora Tahina
http://madagascar-animation-culturelle.blogspot.com
2. shannie ( 18/03/2014 03:34)
Miarahaba! marina mihintsy izany! izaho dia efa ela mihintsy no tsy tia niteny na nanoratra io oe MALGACHE io, ny hoe MALAGASY faona ny ahy no nampiasaiko sy ampiasaiko, ary mbola hampiasaiko. mirary soa ho antsia MALAGASY rehetra!
3. Annih ( 18/03/2014 06:50)

shannie:

Miarahaba! marina mihintsy izany! izaho dia efa ela mihintsy no tsy tia niteny na nanoratra io oe MALGACHE io, ny hoe MALAGASY faona ny ahy no nampiasaiko sy ampiasaiko, ary mbola hampiasaiko. mirary soa ho antsia MALAGASY rehetra!

Salama, manaiky zato isan-jato an'izany mihintsy aho,na za ary manomboka izao n'aiza n'aiza za tsy ampiasa an'io intsony. Na any @ entretient na inona ... misaotra e
4. cyril ( 18/03/2014 21:54)
Ny president Rajoelina anefa izaho vao nanao conférence de presse dia malgache hozizy. Nefa araka ny fifidianana dia momba ny antoko taritiny ny majorité malgache, sady tsika demokrasia no niadivana mafy. Dia ahoana izany?
5. rabaradaka ( 19/03/2014 03:10)
misaotra anao fa tsara ny hevitra fa ny ao amin'ny administration dia tsy manaiky izany satria mila décret hanafoanana ilay malgache ho malagasy satria izay no efa napetraky ny fitondrana. Maharikoriko izany fa isika aleo hanaiky hoe MALAGASY isika, ry Rajoelina sy ry Hery raha malgache no tiany di azy izany. Entano ny vahoaka e ! alefaso any amin'ny fb io hevitra io razoky a !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2509