Tromba

1. vahiny2004 ( 12/03/2014 10:21)
Ahoana marina kay ny momba ireny tromba ireny ?

Misy olona ve misafidy hoe te hisy tromba aho sa olona voafidy ?

Afaka mifidy ve hoe te ho tromban'i Anona aho, sa dia izay tonga eo ...

Misaotra mialoha @ izay manana fahalalàna momba ny tromba ka afaka hizara
novalian'i ledadat02 ny 27/08/2014 05:37
2. 5laody ( 12/03/2014 14:49)

vahiny2004:

Ahoana marina kay ny momba ireny tromba ireny ?

Misy olona ve misafidy hoe te hisy tromba aho sa olona voafidy ?

Afaka mifidy ve hoe te ho tromban'i Anona aho, sa dia izay tonga eo ...

Misaotra mialoha @ izay manana fahalalàna momba ny tromba ka afaka hizara

Ity tantaraiko ity dia hitako tamin'ny fahitalavitra ka asa raha misy ifandraisany amin'ny zavatra tadiavinao na tsia.

Tanora vitsivitsy avy ao Frantsa no nandeha tany Amazonia. Ary ohatran'ny efa karazana tourisme kely mihitsy ilay izy fa te hanandrana traikefa vaovao rizareo. Ahoana no fandehany?

Rehefa tonga any an-toerana afaka roa telo andro dia tsy mihinana sakafo be intsony ary anamboarany rano fisotro misy karazan-javatra be dia be ao anatiny. Mampitandrina izy fa mety tsy mifoha ilay olona raha tsy mahatanty ny vatany sy ny fahasalamany. Sipa iray izay no nojeren-dry zareo tsara nalaina horonan-tsary nony alina ny andro... dia iny fa mandady sy milelaka ny vatany ary mierona be, mandeha tongotra efatra ary toy ny saka mihitsy ny paoziny.
Maraina ny andro nitantara izy hoe nanonofy hoe lasa tigre aho. dia novalian'ilay chaman hoe ny fanahin'ny puma no niditra tao anatinao.

karazana tromba ve izany?



3. sitlo ( 14/03/2014 01:42)
Maro ny olona no milaza fa tsy misy ary finoanoam-poana ny tromba. Fa ... sambatra izay tsy mahita nefa mino... Sa moa tsy tromba ilay hoe fanahin'ny efa maty midina ao anatin'ny olona?
4. jessie. ( 14/03/2014 03:08)
Rah tromb ndr1 ny fiheverko az d fanah rats ef mpetrk nony fanaovan fanafod gasy.Zah aloa ef nait olon nihetsik tromb f otran reny manala devoly ren.mitsipa2k.aodikondn maf b ny lohan sady mten am teny ts fantatra.le oe afk msafidy.zah maita f mis karazan olon haf mints iz renya.
5. jessie. ( 14/03/2014 03:10)
Rah tromb ndr1 ny fiheverko az d fanah rats ef mpetrk nony fanaovan fanafod gasy.Zah aloa ef nait olon nihetsik tromb f otran reny manala devoly ren.mitsipa2k.aodikondn maf b ny lohan sady mten am teny ts fantatra.le oe afk msafidy.zah maita f mis karazan olon haf mints iz renya.
6. jessie. ( 14/03/2014 03:10)
Rah tromb ndr1 ny fiheverko az d fanah rats ef mpetrk nony fanaovan fanafod gasy.Zah aloa ef nait olon nihetsik tromb f otran reny manala devoly ren.mitsipa2k.aodikondn maf b ny lohan sady mten am teny ts fantatra.le oe afk msafidy.zah maita f mis karazan olon haf mints iz renya.
7. Annih ( 14/03/2014 08:50)

vahiny2004:

Ahoana marina kay ny momba ireny tromba ireny ?

Misy olona ve misafidy hoe te hisy tromba aho sa olona voafidy ?

Afaka mifidy ve hoe te ho tromban'i Anona aho, sa dia izay tonga eo ...

Misaotra mialoha @ izay manana fahalalàna momba ny tromba ka afaka hizara


Miarahaba!!!
Araky ny fahafantarako sy ny efa itako, voalohany indrindra ny olona mpanao ody gasy(reny mpimasy,mpanandro sns) ireny na ihany koa ny olona izay mpampiasa azy ireny toy ny hoe mitsabo aretina na mientehitra @ izy ireny matetika no lasa misy tromba na tian'ny tromba hidirana.
Ny TROMBA dia asan'ny devoly sy herin'ny devoly izay maka fanahin'olona (mpimasy, mpamosavy,...) ary maka endrika an'izy ireo izay efa maty ka miseho(reincarner) amin'ireo taranany na ny olona izay itany fa mety ho ataony fitaovana.
Ilay izy tsy hoe misy olona misafidy ny hisy tromba fa izaho dia efa nanatrika olona mirombo tromba(izay no fitenin'izy ireo azy) izany hoe havoaka ilay fanahin'olona mpanao fanafody gasy efa maty(tromba). Vehivavy iray nipetraka teo akaikinay ilay izy, mpitsabo olona izy, noho io zvt ataony io dia tian'ilay tromba atao fitaovana izy ka nanaiky izy ny hipetrahany.
Dia navoka ilay tromba, nilaina TOAKA GASY, GISA ho atao sorona,RANO T@ DOANYndr- zareo...
Navoka ary ilay tromba, nantsoina ny anaran'ilay olona efa maty, miezaka maka endrika azy ilay olona hamoaka ilay tromba: oh fitafy,mifoka sigara raha mpifoka sigara ilay tromba, misotro toaka ra mpisotro toaka ilay tromba ... tena hoe maka endrika azy sy manao ny fihetsiny rehetra...
Rehefa tafiditra ao aminy @zay ilay tromba dia eo @zay izy ohatra miresaka @ ireo mpanatrika na mitantara izay zava-misy any @ tontolo misy azy ary indrindra mitsabo sy manome tso-drano ireo izay mangataka an'izany...
Dia otrotrn'zay le izy... fa izy io tsy mety mivoka raha olona tsy dia matoky azy na tsy dia mankasitraka azy no tia hamoaka azy.
Zay no efa itako... aty Diégo indray otrn efa kilalao ny famoahana azy
8. booboo ( 14/03/2014 12:04)
Ilay namako chinoise izay no nizara tamiko ity, fa asa na tromba koa izany na tsia ? Amin-dreo rehefa gli mihoatra ny 3 volana ilay olona dia afaka antsoina ny fanahiny. Misy fombafomba fatao koa, dia antsoina ny anaran'ilay fanahy tiana hiresahana / hangatahana solution / hampianatra (arts martiaux, fiainana sns). Dia raha tsy mety² hono ilay fomba dia mety ho fanahin'olon-kafa no miditra ao. Ilay olona hipetrahan'ilay raha indray dia izay ifanarahan'ny fianakaviana. Ilay fomba² indray mampiasa tantely koa zareo, dia sakafo manitra fa tsy mampiasa rà latsaka.
9. vahiny2004 ( 14/03/2014 13:39)
Misaotra anareo rehetra namaly.

Raha fitiniko tsotsotra izany ny fahazoako izay nolazainareo teto dia fiantsoana ny fanahin'ny efa maty ny séances de tromba , ny antony moa izany dia ohatra hoe fitsaboana (miantso fanahin'ny mpimasy fahiny "hampiresahana" hoe inona no tokony atao @ ity aretina ity ) na koa antony hafa e

Tsy ny rehetra no idiran'ilay fanahy , misy nefa olona ohatry ny tian'ny fanahy kokoa (récéptif ?)

Tsy maintsy ohatry ny efa very tanteraka ny momba ilay olona mbola velona vao tafiditra ilay taloha (normal)

Tsy eto M/car ihany no misy io zavatra io , toa mitovitovy @ tromba tokoa ilay an'ny sinoa sy amerika latina

Alefaso ihany raha mbola misy info hafa fa ohatry ny mahaliana e
10. tanindrazana102 ( 27/07/2014 04:51)
Miarahaba antsika rehetra, tsy fantatro raha toa izany no antsoina hoe tromba, fa izaho dia efa sendrany ary niakarapoka tsy fantatra hoe inona ny antony tany ampiasana, tonga teny @ urgence aho vao gaga hoe manao inona aty. Natao ny scanner, IRM, radio fa tsy nahita na inona na inona. Enim-bolana taty ahoriana dia nihetsika indray ilay ary teo ampitondrana fiara ny tenako, tsy naratra sy tsy nisy aina nafohy. Ny zavatra tsikaritro fotsiny dia isaky ny maizim-bolana izy io vao miseho, ny tenako anefa tsy mila anizany velively, ary tsy misy zvtr tsaroako mihintsy. Azo lazaina koa aho hoe very tadidy, misy olona hitako fa tsy tadidiko hoe izy , iza ny anarany, ny endriky ilay olona anefa manabara ahy zvtr, misy zvtr tantarain'ny vadiko fa tsy misy tsaroako,ary manomboka izao aho dia tsy maintsy amnoratra @ agenda izay zvtr hataoko. Mitady olona hafaka hanaisotra azy io aho. Aty @ Nosy Lareniô aho no monina, ary avy any Behenjy (route d'Antsirabe)
11. ledadat02 ( 27/08/2014 05:37)
Araka ny hevitro dia Mizara roa ny fanahy (tromba), dia ny fanahy tsara ary ny fanahy ratsy . Ny ratsy afaka mody ho tsara nefa ratsy ihany fa mila mandinika tsara anao , maneky hirana ary mampanao zavatra ratsy ,vorika , alatra asa ratsy ... ,ny tsara tsy ho ratsy mihintsy fa mijanona ho tsara ary manao sy maniraka hanao zavatra tsara ary tsy maneky asa ratsy na mamaly ratsy , tsy manao ny tenany ho Andramanitra izy na hotompoina fa miteny hoe iraka izy izay afaka manampy anao hanala na mitsabo izay ratsy nataony ilay fanahy ratsy hafa ,tsy dia tia manome harena na vola fa izay no fototry ny ratsy rehetra , maniraka anao hivavaka sy hiankohoka aminy Andramanitra izay nahary izao tontolo izao ihany , ny olona misy fanahy ny tsara afaka mivadika ratsy refa simban ilay ratsy ka lasa mivadika ho ratsy zany hoe niala taminy ilay fanahy tsara ka nisolo ny ratsy , nisitaka ny fanahy tsara satria izy tsy hanaiky hanao ratsy mihintsy fa iilay ratsy no maka toerany ka nahatonga azy mivadika manao asa ratsy izay voalaza eo ambony ,
Mercie.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0877