TSY MAINTSY MIHINAM-BARY VE NY MALAGASY

1. vonynive ( 12/03/2014 08:05)
miarahaba ny mpisera

tsy maintsy mihinam-bary ve ny Malagasy ?
ny 80% n'ny sakafontsika dia vary, 20% no sakafo hafa, ary dia mbola sakafo vita avy @ vary koa aza ny sakafo antenantenam-potoana, ary raha ampifamadihana ?
novalian'i Ratoa ny 19/07/2014 20:28
2. vahiny2004 ( 12/03/2014 08:15)

vonynive:

miarahaba ny mpisera

tsy maintsy mihinam-bary ve ny Malagasy ?
ny 80% n'ny sakafontsika dia vary, 20% no sakafo hafa, ary dia mbola sakafo vita avy @ vary koa aza ny sakafo antenantenam-potoana, ary raha ampifamadihana ?


1- Fahazarana nentin'ireo teo aloha, io koa no vokatra be indrindra eto amin-tsika
2 - Io izao no mora raha jerena ny vidim-piainana . Afamadiho anie io 80 - 20% io @ hena ohatra dia hitanao tsara ny vidiny
3 -ho an'ny asa mafy (miasa tany, mitarika sarety ) dia mbola ny vary no anisan'ny manome tanjaka be indrindra

3. neiar ( 12/03/2014 08:26)
Marina zani Lazain'i Vahiny2004 zani. Sadi lasa tsi voki rhf tsi minambari. Na misy min-sao tsara be ari eo . otran tsi meti raha tsi minambari.
Dia gaga a. Angamba efa zatra ny vavony.
4. hery ( 12/03/2014 10:39)

vahiny2004:


1- Fahazarana nentin'ireo teo aloha, io koa no vokatra be indrindra eto amin-tsika


Satria io no ambolena nefa sarotra ambolena be. Raha katsaka no tena nambolena dia io no vokatra betsaka. Ny katsaka nefa mora ambolena noho ny vary.

vahiny2004:

2 - Io izao no mora raha jerena ny vidim-piainana . Afamadiho anie io 80 - 20% io @ hena ohatra dia hitanao tsara ny vidiny


Mora noho ny Katsaka sy tsaramaso ve?

vahiny2004:

3 -ho an'ny asa mafy (miasa tany, mitarika sarety ) dia mbola ny vary no anisan'ny manome tanjaka be indrindra


Kely noho ny otrik'aina ao anaty katsaka ny ao anaty vary. Matanjaka kokoa ny mponina any atsimo (Toliara sy Androy rehetra iny) noho ny olona ao anivon-tany satria ny azy ireo katsaka no tena foto-tsakafo.


Amiko dia fahazarana sy psikolojika fotsiny ilay resaka vary fa azo atao tsara ny manao foto-tsakafo hafa. Amin'izao moa dia miova tsy fidiny noho ny halafon'ny vary.

Izaho manokana dia mahita fa lafo koa ny vary (aty ivelany) ka efa manomboka amboariko ny saiko ary tsy mampaninona ahy firy intsony ny tsy mihinam-bary maharitra.
5. vahiny2004 ( 12/03/2014 12:49)
Any M/car izany lazaiko izany a, tsy haiko ny vidin'ny katsaka miohatra @ vary

Mety be otrik'aina ny katsaka fa be siramamy kokoa ny vary dia énergétique kokoa ho an'ny manao asa vatana, io no mitàna maharitra kokoa , mameno kibo . Tsy zakan'ny épinard sy steak angamba ny fitarihana posiposy. Ny fromage moa lasa any Afrika atsimo :-)

Niankina t@ environnement koa ilay hoe vary no nambolena am-povoatany ary katsaka tany atsimo

Raha gasy any ivelany indray dia resaka hafa ny hoe fihinanana vary na tsia intsony
6. vonynive ( 12/03/2014 13:06)
ny katsaka voatoto zao aty Madagasikara dia 1300 ar eo ny kg,mitovitovy @ vary ihany, ny tsaramaso 3500 ar eo ny kg
raha ny provandy fanome ny biby fiompy toy ny akoho, ny omby sns dia katsaka no be ao anatiny, io katsaka io no anamboaran'ny mpanao provandy azy raha aty Madagasikara fa ny any ivelany no tsy fantatro
7. hery ( 12/03/2014 13:41)
Ka maninona izao raha mba asiana katsaka tsindraindray.

Ny katsaka 1kg ve tsy mahasolo vary 1kg? Dia asiana fangarony kely ohatra hoe anana (rehefa masamasaka vao arotsaka) na tsaramaso (miara andrahoina aminy).

Mino aho fa mampatanjaka kokoa noho ny vary sy laoka tsy ampy io.
8. 5laody ( 12/03/2014 14:05)
Salama sy mahazotoa homana daholo
hery:

Dia asiana fangarony kely ohatra hoe anana (rehefa masamasaka vao arotsaka) na tsaramaso (miara andrahoina aminy).


mety io fa mba asio recette sy presentation manja kosa e! Ny pate sinoa amboarina hono tena tsara sy maha ela velona (vita amin'ny vovoka vary io).

Ary ny mamboly varim-bazaha ve mora noho ny mamboly vary? valio Kobama a.

9. bor2lais ( 12/03/2014 16:20)
Hafa ihany ny lalan'ny vary ! :-)
10. vonynive ( 13/03/2014 06:25)
raha tsy ho afaka amin'ny fihinanam-bary isika dia tokony hilofo fatratra amin'ny fambolem-bary, nefa hatramin'izao dia hitako fa tsy dia mbola misy fandaharan'asa hita fa tena milofo @ izany, , eny fa na dia ny fanjakana aza, sady marina ny tenin'i Hery hoe sarotra ambolena , ny tanimbarin'i Betsimitatatra sy Laniera ary ny manodidina efa saika voatototra, ny any ambanivolo tsy mifandanja @ fitombon'ny mponina ny velaran-tany, aleo atao dobon-trondro ny tanimbary hoy ny sasany fa tsy mety intsony
11. shala ( 14/03/2014 08:31)
afa ihany ny vary e!ka na hiakatra ohatrinona ary io ts maintsy io iany no mahamatimaty ny gasy ary efa raiky tapisaka ny fihinanana azy.ary tena sarotra koa ny anodina ny kibo efa zatra vary mipoaka b hiova zavatr afa tampoka ndray.

izaho miara miaina@sinoa aty fa tena raha dinihako mandany betsaka nohon ny mividy vary ny depense lany,na mihinana pate ary mbola b fangaron.rah vary ndray dia toa ny laoka no betsaka nohon vary,zan v no mitsitsy nef ny laoka betsaka.aleo ian vary iny afaka tsetseman amin'kotran a.
12. shannie ( 14/03/2014 09:52)
Hafa iany ny vary fa io no efa nahazatra ny gasy h@zay, h@ naha-kely, feno enimbolana nahaterahana dia efa nomena ranom-bary sosoa asiana siramamy kely! miam miam .

nisy fotoana tsy afaka nihinam-bary fa mi-sao, pizza, pomme frite... n sakafo nohanina, nangetaheta mafy mihintsy tia ihinambary. matsiro ny vary gasy mena atao sosoa @ hariva. mmm...!
13. hery ( 14/03/2014 10:03)
Zah aloha Gasy foana nefa efa tsy andevozin'ny vary intsony e.

Itony izao ny ahy no solon'ny sosoa maraina :-)



Pâtes kely, voanjoborim-bazaha, karoty, sns, mampatanjaka be
14. vahiny2004 ( 14/03/2014 10:11)
hery:

Zah aloha Gasy foana nefa efa tsy andevozin'ny vary intsony e.

Itony izao ny ahy no solon'ny sosoa maraina :-)



Pâtes kely, voanjoborim-bazaha, karoty, sns, mampatanjaka be


Misaotra @ hevitra fa toa tsy voateliko io raha atao sakafo maraina ka, raha sakafo hariva angamba mety kokoa

Aleoko mihintsy vary mena atao sosoa ... miam , sady be otrik'aina noho ny pates ny vary mena a
15. shannie ( 14/03/2014 16:37)
Aleoko mihintsy vary mena atao sosoa ... miam , sady be otrik'aina noho ny pates ny vary mena

atao kitoza ny laoka, atono na endasina? hmm manitra ery izy izany. sady matsiro no maivamaivana ;-)

Aleoko mihintsy vary mena atao sosoa ... miam
16. booboo ( 14/03/2014 17:32)
Ilay ahandro vary vao maraina kosa tena tsy vitako kah, na milay be aza ny laoka. Izaho koa velona ihany na tsisy vary aza, fa ny zanako tena la fin du monde amin-dry zareo vao tsy mihinam-bary isan'andro @_@. Ilay faravavy rehefa vary mena sosoa ny ao, dia tsy asiana laoka ny azy fa haniny @ zao fotsiny.
17. vonynive ( 17/03/2014 12:20)

booboo:

Ilay ahandro vary vao maraina kosa tena tsy vitako kah, na milay be aza ny laoka. Izaho koa velona ihany na tsisy vary aza, fa ny zanako tena la fin du monde amin-dry zareo vao tsy mihinam-bary isan'andro @_@. Ilay faravavy rehefa vary mena sosoa ny ao, dia tsy asiana laoka ny azy fa haniny @ zao fotsiny.

fa mbola resaka hafa koa ilay hoe vary mena sy vary fotsy, ny vary fotsy koa misy ny vokatra eto an-toerana, ao koa ireo vokatra avy any ivelany
18. Ratoa ( 19/07/2014 20:28)
mampiomehy ahy lay resaka. sahala amin'ny manontany hoe "tsy maintsy mihina mofo ve ny frantsay" "ovy ny alemanina" sns.*
raha ny mahavoky sy maha mampatanjaka no jerena, dia betsaka ny azo ampifanoloina. Fa ny mahazatra dia sarotra ny manova azy. Ny reniko tsy maintsy mihinam-bary na hani-pito loha aza no arosonao azy sy nohanininy :"aiza ny vary" hoy izy avy eo. izahay zanany anefa tsy tahaka azy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2562