Tsy maintsy ny Ray aman-dreny foana ve

1. Blackgasy ( 06/02/2014 08:36)
Tena tsy azoko intsony, fa tsy maintsy ny ray aman-dreny foana ve no tompon-teny farany amin’izay tian’ny zanany ho vadina rehefa hoy izy ireo hoe tsia dia tsia koa izany, mihatra amiko izany amin’izao tena tiako ilay vhv miaraka amiko tsotra, tiako amin’ny fomba rehetra eh ! na fanahy na vatana na fomba, dia tiako. Olan’izy samy lehibe taloha tany tsy fantatray ve no andrarana be fahatany anay aty afara.
Efa roa taona izay no niarahanay nefa voarara foana aho, ny avy aminy tsy maninona fa izaho no olana, vao tratra miaraka dia teny marary sy raona no azo, mampalaelo, tsy tiako koa ny manimba zanak’olona ka hoe azoko ny ilaiko taminy dia iala moramora avy eo tsy zakan’ny saiko izany satria fitiavany ahy no nanolorany ny tenany ho ahy ankehitriny anefa tsitako intsony izay atao, vizana ny saiko te hanery tena hanery ilay olotiako aho hoe andao atao ny raharaha na tsy misy mpanatrika aza satria koa ariny tsy ho zanany aho raha miziriziry amin’ny hevitro ary tsy hanatrika izay ataoko eo izany izy ireo. Mba toroy hevitra ry namana isany fa tena vaky loha misaotra anareo sahady amin’ny hevitra.
novalian'i Blackgasy ny 15/02/2014 10:50
2. J.Jacques ( 06/02/2014 10:27)
Tsy ny ray aman-dreninao no hanambady azy fa ianao.
Hafa ny fijeriny, hafa ny fijerinao. Efa lehibe ianao ary efa mahalala ny tokony atao matoa misafidy izay tianao.Ianao no mamaritra ny hoavinao fa tsy izy ireo, nitaiza sy namolavola no asany. Ary io olona tianao no hiara-hiaina aminao mandrakizay avy eo fa tsy ny ray aman-dreninao.
Tsy vitsy ny tranga toy izao, teny masiaka ve? fandevilevena ve? fandrahonana ve? sahia mandà ny ray aman-dreninao raha tena tianao ilay olona! Amiko tsy midika ho tsy fanajàna izany fa fanambaràna ny fahafahana.

Hevitro manokana izay.

Blackgasy:

Tena tsy azoko intsony, fa tsy maintsy ny ray aman-dreny foana ve no tompon-teny farany amin’izay tian’ny zanany ho vadina rehefa hoy izy ireo hoe tsia dia tsia koa izany, mihatra amiko izany amin’izao tena tiako ilay vhv miaraka amiko tsotra, tiako amin’ny fomba rehetra eh ! na fanahy na vatana na fomba, dia tiako. Olan’izy samy lehibe taloha tany tsy fantatray ve no andrarana be fahatany anay aty afara.
Efa roa taona izay no niarahanay nefa voarara foana aho, ny avy aminy tsy maninona fa izaho no olana, vao tratra miaraka dia teny marary sy raona no azo, mampalaelo, tsy tiako koa ny manimba zanak’olona ka hoe azoko ny ilaiko taminy dia iala moramora avy eo tsy zakan’ny saiko izany satria fitiavany ahy no nanolorany ny tenany ho ahy ankehitriny anefa tsitako intsony izay atao, vizana ny saiko te hanery tena hanery ilay olotiako aho hoe andao atao ny raharaha na tsy misy mpanatrika aza satria koa ariny tsy ho zanany aho raha miziriziry amin’ny hevitro ary tsy hanatrika izay ataoko eo izany izy ireo. Mba toroy hevitra ry namana isany fa tena vaky loha misaotra anareo sahady amin’ny hevitra.

3. ombelline ( 11/02/2014 10:16)
Fa Blackgasy firy taona ?

Ny tiako hahatongavana dia efa tompon'andraikitra @ tenanao sy safidinao ianao . Pour information ou avis consultatif sisa no atao @ ray aman-dreny . Aoka tsy hi se culpabiliser hoe tsy nanaraka ny tenin'ny ray aman-dreny.

Marina tokoa fa mety halahelo ianao raha tsy mifanojo @ tianao ny tiany, ka atao akory aza , indrindra raha mikasa ny tsy hanatrika izy
4. sitlo ( 11/02/2014 11:16)
Raha tena mahatsapa tena ho olon-dehibe tokoa ianao dia izao:

1- Tsy hatahotra ny ho arian'ny ray aman-dreninao satria ny mitokatrano izany dia miala amin'ny ray aman-dreninao.
2- Afaka miady hevitra amin'ny samy olon-dehibe, indrindra fa ny ray aman-dreninao.

bdb fa izao, fantaro ny fototry ny disadisa teo amin'ny samy ray aman-dreny dia ataovy mazava tsara ao an-tsainao hoe nahoana izany no tsy mitombina intsony. Raha resy lahatra tokoa ianao fa tsy mitombina ilay izy na azo vahana dia rosoy ny resaka. Fa tsy vitan'ny efa taloha ela be izany dia noho izany tsy raharahina intsony.
Lazaiko tantara iray ianao. Nisy avocat izay nangalatra tanin-drazan'olona. Nalefa ny fotoriana fa vokatry ny kilalaon'ny fitsarana dia azony daholo ilay tany lehibe. Tomany sy alahelo tsy ritra ny an'ireo tompon-tany. Ka raha hanambady ny zanak'io avocat io ve ohatra ny zanany dia ho atao fotsiny hoe efa taloha izany?
Ny fiainana tsy vitan'ny di-doha fa mila miezaka tokoa ianao mamakafaka ilay olana misy eo amin'ny ray aman-dreny.
5. djhamhal ( 14/02/2014 12:41)
salama daholo ê! ela ihany za no tsy tato noho ny antony ara kasa fa mandalondalo ihany ê !
ny toro hevitra omeko anao dia ty : Fantaro sy hadihadio lalina am saina tony aloha ny zavatra nitranga tam Rad nao sy ny azy raha nisy zany , dia miresaka milamina sy ankitsi-po ianao sy ny Rad nao , ary iangavio ny rad nao mba hilaza ny tena marina sy iray manontolo miitsy izay disadisa nisy ( raha nisy zany )tam izy reo , raha efa zay dia ampitahao am lzay hitanao am lay olon tianao izay tantara na izay resaka voalazan ny rad nao !avy eo enao manambatra ny tsoa-kevitra izay itanao sy henonao , ary ianao ihany no tompon ny teny farany ! misy ohabolana iray ty hamaranako azy :
Na hanambady aza ianao , tsarovy fa ny Havana tsy fanary ,nefa ihany koa , Vitam-bady tsy vitan-kavana ! koa lanjalanjao ary ê! dia mahereza !
6. Blackgasy ( 15/02/2014 10:50)
Mankasitraka daolo fa misy isaintsainana avokoa izay voalazanareo rehetra dia mamerina ny fisaorana hatrany f'izany tokoa no tena namana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1437