Iza marina no vadin'i Kaina ; ny anabaviny ve?

1. zokieva ( 03/11/2013 13:32)
Iza marina no vadin'i Kaina ; ny anabaviny ve?
novalian'i hasiniony ny 17/12/2013 07:45
2. ratsirano ( 03/11/2013 20:31)
Araky ny Genesisy 5 :4 dia niteraka zazalahy sy zazavavy maro i Adama, ka tsy maintsy ny iray tamin’ireo anabaviny na ny zanaky ny mpiray tam-po aminy no lasa vadiny.

Mbola tsy niteraka sampona loatra ny olona tamin’izany, na dia havana akaiky aza no nifanambady, satria mbola natanjaka sy salama kokoa ny olona, araka ny porofoin’ny halavan’ny androm-piainany.

Noraran’Andriamanitra izany 2500 taona taty aoriana satria efa nihaosa be ny toe-batan’ny olona araka ny voalaza ao amin’ny Levitikosy 18 :9.
3. hery ( 04/11/2013 08:50)
Fomba fijery iray koa hoe aza raisina ho toa ny boky tantara ny Genesisy dia milamina ny saina :-)

Araka ny teneniko foana hoe raha noheverin'ny mpanoratra baiboly horaisintsika ho toy ny tantara ny nosoratany dia angamba nasiany N.B. tery ambany tery hoe "Tandremo ny zavatra hitanao ato dia noforonina fotsiny ihany mba entina hampitàna ny fitiavan'Andriamanitra - Ny anarana, toerana, sns voalaza ato dia vokatry ny kisendrasendra fotsiny ihany"
4. bor2lais ( 04/11/2013 10:55)
zokieva:

Iza marina no vadin'i Kaina ; ny anabaviny ve?

Namboatra "arbre généalogique" angaha i zokieva dia teo no nikatso ? ;-)
5. Nehemiah ( 06/11/2013 15:01)

hery:

Fomba fijery iray koa hoe aza raisina ho toa ny boky tantara ny Genesisy dia milamina ny saina :-)

Araka ny teneniko foana hoe raha noheverin'ny mpanoratra baiboly horaisintsika ho toy ny tantara ny nosoratany dia angamba nasiany N.B. tery ambany tery hoe "Tandremo ny zavatra hitanao ato dia noforonina fotsiny ihany mba entina hampitàna ny fitiavan'Andriamanitra - Ny anarana, toerana, sns voalaza ato dia vokatry ny kisendrasendra fotsiny ihany"

Aiza kay @ Baiboly no misy hoe "Hatreto dia izay hevitra tianao tsoahina fotsiny fa anganogano fa manomboka hatreto dia raiso ara-bakiteny satria tenin'Andriamanitra ?"
6. danbal ( 06/11/2013 19:15)
2 lahy ange ny zanak'i Adama sy Eva tamin'ny voalohany e, de rehefa avy namono an'i Abela i Kaina de nandositra sy niafina tany Noda, tanana tandrifin'ny Edena (Gen 4.16), nanomboka teo de tsy voalaza intsony ny momba azy fa i Enoka zanany lahy tokana no manohy ny tantara ao. Nanambady tokoa izy fa tsy voalaza hoe ny anabaviny ve sa iza no vadiny. Efa 130 taona i Adama vao niteraka an'i Seta sy niteraka vavy. Zany hoe efa tsy teo intsony i Kaina vao niteraka ndray i Adama ka iza tokoa ary no maman'i Enoka? Fa ny zavatra voalaza ao anaty Baiboly aloha de Tenin'Andriamanitra,misy Didy sy Lalàna napetrak'Andriamanitra ao, ka ny tantara misy ao de nosoratana ho tadidy sy ho fampianarana antsika fa tsy noforonina na anganoangano? Izany hoe ahfahantsika mampitaha azy @ ny fiainantsika @zao fotoana de andraisantsika lesona sy fampianarana koa. Ka zay hitanao rehetra ao de azonao anaovana fampitahana @ fiainanao de ho hitanao hoe tsy mety kay zany ny ataoko na hoe manaraka ny sitrapon'Andriamanitra tsara kay zany ataoko zany, io zany de arakarak'le fandraisanao azy manokana aloha, fa raha misy tsy azoazonao le fomba fiteny ao anaty Baiboly ao de manantona an'ireny mpitondra fivavahana na mpampianatra momba ny Baiboly ireny hanazava azy tsara aminao satria tandremo tsara koa fa betsaka ny mpanao dika vilana an
7. Nehemiah ( 07/11/2013 05:36)

danbal:

2 lahy ange ny zanak'i Adama sy Eva tamin'ny voalohany e, de rehefa avy namono an'i Abela i Kaina de nandositra sy niafina tany Noda, tanana tandrifin'ny Edena (Gen 4.16), nanomboka teo de tsy voalaza intsony ny momba azy fa i Enoka zanany lahy tokana no manohy ny tantara ao. Nanambady tokoa izy fa tsy voalaza hoe ny anabaviny ve sa iza no vadiny. Efa 130 taona i Adama vao niteraka an'i Seta sy niteraka vavy. Zany hoe efa tsy teo intsony i Kaina vao niteraka ndray i Adama ka iza tokoa ary no maman'i Enoka?

Azafady aminao fa betsaka ny ampahan'ny tenin'Andriamanitra izay tsy notsikaritrao, indrindrindra ny Gen. 3:20 hoe : Ary ralehilahy nanao ny anaran’ ny vadiny hoe Eva, satria izy no renin’ ny olombelona rehetra sy 5:4 hoe : "Ary ny andron’ i Adama taorian’ ny niterahany an’ i Seta dia valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy."

Tiako marihina koa fa mety zanak'anabavin'i Kaina koa ny vadiny ;). Ny zavatra azo antoka aloha dia havany akaiky, ary tsy olana ilay izy t@'izany andro izany, araky ny voalazan'i Ratsirano
8. danbal ( 07/11/2013 18:23)
Ny Gen3.20 sy ny 5.4 ange efa fantatra e, fantatro ary azoko tsara mihintsy, fa enao angamba no tsy mahazo an'le resaka satria le fanontaniana napetraky Zokieva de hoe iza no vadin'i Kaina niterahany an'i Enoka, fa tsy hoe firy taona ny nahaveloman'i Adama, (raha 930 taona izy no maty), zany no voasoratra ao fa tsy za no mamorona an.
9. Nehemiah ( 08/11/2013 06:09)
Izaho anie dia gaga mihitsy e : mbola tsy mazava ve @'ireny andininy ireny fa anabavy na zanak'anabavin'i Kaina ny vadiny ?
10. vahiny2004 ( 13/11/2013 16:01)

bor2lais:

zokieva:

Iza marina no vadin'i Kaina ; ny anabaviny ve?

Namboatra "arbre généalogique" angaha i zokieva dia teo no nikatso ? ;-)


:-)

Ny finalité n'ilay "sujet" no tena tsy azoko
11. dydyh ( 15/11/2013 13:07)
salama daholo ry namana,
sarotra be ry reto no mandinika izany a, raha mamaky tsara ianareo dia voasoratra tsara fa taorian'ny namonoan'ny kaina an'i Abela dia niteny Jehovah fa izay mamono an'i kaina dia hovaliana im7eny , dia iza indray ary ireo olona voalaza ao ireo, satria teo di tsy nisy olona hafa afa tsy kaina sy ny ray amandreniny aloha no teo,
12. Nehemiah ( 16/11/2013 06:54)
Mora kely ka, raha avelanao hiresaka ho azy ny tenin'Andriamanitra ka tsy mampiditra hevitra avy ivelany : 130 taona rehefa niteraka an'i Seta ho "solon'i Abela" i Adala sy Eva, ary tao anatin'izay fotoana izay dia angamba efa niteraka be dia be ankoatran'i Kaina sy i Abela izy ro2, araky ny didin'Andriamanitra hoe "mitomboa, maroa fara ka mamenoa ny tany".

Sady @'izay, iza moa no mba nanana intérêt hamono an'i Kaina hamaly faty an'i Abela raha tsy ny havana akaikin'i Abela ihany ?
13. hasiniony ( 16/11/2013 17:22)
Manambandy anabavy ahoana eh?
Efa noroahin'Andriamanitra hiala tao Edena izy koa nahoana no hahazo vady ao indray... ???

Ny tiako ho zaraina dia izao:
-Raha nanao ny olona Andriamanitra dia tsy Adama sy Eva akory no olombelona nohariany voalohany, fa navahana tao amin'ny Saha Edena fotsiny izy ireo mba ho mpita-marika tao amin'Andriamanitra, ary tany ivelan'i Saha dia nisy mponina ihany koa.
-Rehefa noroahina aza i Kaina dia nangataka tamin'Andriamanitra mba tsy hisy hamono rehefa mivoaka any ivelan'ny Edena, ary nahita fitia tamin'Andriamanitra izay ka nomena izao teny fikasana izao:

Genesisy 4:14-15;16/ Indro, efa noroahinao hiala amin'ny tany onenana aho androany; dia hiery ny tavanao aho ary ho mpanjenjena sy mpirenireny eny ambonin'ny tany; koa na iza na iza hahita ahy dia hamono ahy. Ary hoy Yahvah taminy: Noho izany na iza na iza hamono an'i Kaina, dia hovaliana fito eny izy. Ary Yahvah nanao famantarana ho an'i Kaina; mba tsy hisy hamono azy izay rehetra hahita azy.

Ary Kaina dia niala teo anatrehan'i Yahvah ka nonina tao amin'ny tany Noda tandrifin'i Edena.


14. Nehemiah ( 18/11/2013 06:00)

hasiniony:

Manambandy anabavy ahoana eh?
Efa noroahin'Andriamanitra hiala tao Edena izy koa nahoana no hahazo vady ao indray... ???

Tany Nôda atsinanan'i Edena ho'aho fa tsy tany Edena. 100 taona mahery taorian'ny Famoronana, tsy maintsy nanana fotoana ielezana eran-tany ny zanak'i Adama.
hasiniony:

Ny tiako ho zaraina dia izao:
-Raha nanao ny olona Andriamanitra dia tsy Adama sy Eva akory no olombelona nohariany voalohany, fa navahana tao amin'ny Saha Edena fotsiny izy ireo mba ho mpita-marika tao amin'Andriamanitra, ary tany ivelan'i Saha dia nisy mponina ihany koa.
-Rehefa noroahina aza i Kaina dia nangataka tamin'Andriamanitra mba tsy hisy hamono rehefa mivoaka any ivelan'ny Edena, ary nahita fitia tamin'Andriamanitra izay ka nomena izao teny fikasana izao:

Genesisy 4:14-15;16/ Indro, efa noroahinao hiala amin'ny tany onenana aho androany; dia hiery ny tavanao aho ary ho mpanjenjena sy mpirenireny eny ambonin'ny tany; koa na iza na iza hahita ahy dia hamono ahy. Ary hoy Yahvah taminy: Noho izany na iza na iza hamono an'i Kaina, dia hovaliana fito eny izy. Ary Yahvah nanao famantarana ho an'i Kaina; mba tsy hisy hamono azy izay rehetra hahita azy.

Ary Kaina dia niala teo anatrehan'i Yahvah ka nonina tao amin'ny tany Noda tandrifin'i Edena.

Azafady aminao fa tena tsy ara-Baiboly izay teôrianao izay :
- tsy misy famantarana na variraiventy aza fa nahary olombelona ankoatran'i Adama sy ny taranany ny Baiboly, fa milaza kosa ilay izy hoe : Eva [...] no renin’ ny olombelona rehetra (Gen. 3:20)
- milaza mazava tsara ny Baiboly fa ny taranak'i Adama sy Eva ihany no manan-jo hahazo Famonjena. Dia ahoana izany ireny olona lazainao fa tsy taranak'i Adama ireny ? Ahoana ireny Aborigènes izay lazain'ny mpandala ny tapitrisa taona hoe 40 000 taona lasa no nipoirany, izany hoe 34 000 taona talohan'i Adama ? Tratran'ny ozona izay nianjady t@ voary rehetra (Rom. 8:22) nefa tsy manan-jo ho an'ny famonjena ??? Izany ve dia mba araky ny toetra marin'Andriamanitra ????
15. hasiniony ( 18/11/2013 17:47)
Tsy misy irarahin'Andriamanitra an'izay "Aborigènes"; ireo izay mba natokany ho masina aza nanenenany ka nolazainy hoe "kankana sy olitra":
Joba 25:4-6/ 6Koa mainka fa ny olombelona, izay kankana, ary ny zanak'olombelona, izay olitra.

-Ary tsarovy fa hatramin'ny nisian'ny tantaran'ny zanak'ololombelona dia fandringanana hatrany no nataon'Andriamanitra fa tsy famonjena velively noho ny fahatezerany; ary dia tanteraka ny teny hoe "ny olona dia zavatra natao ho potehina"...
Romana 9:22/ 22Sa ahoana kosa raha Andriamanitra, na dia ta-haneho ny fahatezerany sy hampahafantatra ny heriny aza, dia be fahari-po ka nandefitra tamin'izay fanaky ny fahatezerana voavoatra hosimbaina,

...2arivo taona +
...2arivo taona - nisian'ny fandringanana vao tonga ny famonjena! Ary tsy izay Niaraka tamin'Andriamanitra akory no voavonjy fa izay "NINO NY ZANAKA"

!!!Mety ho marina ny filazanao fa tsy misy voafaritra akory izay ambarako, saingy diso koa; satria voasoratra hoe:
Jaona 14:26/ 26fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin'ny Ray amin'ny anarako, Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo.

NY TIAKO HAMBARA FARANY DIA IZAO, TSY MITOVY NY FANAHY RAISIN'NY OLONA, DIA NY TOMBOKASEN'ANDRIAMANITRA @IZAO ORA FARANY IZAO... KOA SAMIA MITAZONA MAFY IZAY EFA NOMENA AZY!!!

"Mirarisoa"!!!
16. Nehemiah ( 20/11/2013 12:22)

hasiniony:

Tsy misy irarahin'Andriamanitra an'izay "Aborigènes"

Inona re no mbola azoko lazaina aorianan'izay e ? Mba novakianao tokoa ve izay zavatra nosoratanao ? Ilay Andriamanitra miraharaha ny tsintsina ve hanao tsinontsinona ny olombelona noforoniny manahaka ny endriny ?
17. kolo ( 27/11/2013 11:16)
Elsany mitapy dôly, angono tsara lahatry ny vazah zany fa tsy nsy nahita an'izany na iray aza teto antany e
18. Nehemiah ( 27/11/2013 12:15)
Kolo, rehefa vonona ny hiady hevitra @ fomba matotra ianao ka ny baolina no lalaovinao fa tsy ny mpilalao, izay voa miresaka isika. Satria tsy nisy nahita maso koa izany mikrôba-zary-olombelona izany.
19. kolo ( 28/11/2013 05:46)
Nehemiah: voaporo ny mikiraoba rams a, ny angano no samy manana ny azy. Ary sao tsy hain-drams koa ary ny diakan'ny atao hoe ANGANO? Tena matoa aho namaly tsara eto dia vonona ny hiady hevitra fa kalamm tsara fotsiny enao eee

Nehemiah:

Kolo, rehefa vonona ny hiady hevitra @ fomba matotra ianao ka ny baolina no lalaovinao fa tsy ny mpilalao, izay voa miresaka isika. Satria tsy nisy nahita maso koa izany mikrôba-zary-olombelona izany.
20. Nehemiah ( 28/11/2013 14:17)
1°) Mba azonao omena ahy ve ny porofo fa razan'ny olombelona ny mikrôba ?
Toro-hevitra : Raha tena nitranga tokoa izay dia tsy maintsy nisy antontan-kevitra ara-pototarazo be dia be niampy tsikelikely t@ ADN-ny, satria complexe lavitra nohon'ny ADN'ny mikrôba ny ADN'olombelona. Afaka manome ahy ohatry ny karazan-java-manan'aina izay niteraka taranaka manana taova vaovao (na zara asan-taova vaovao farafaharatsiny) ?

2°) Ataontsika hoe mbola tsy mahafehy ny fitsipiky ny fahaiza-miaina @ ady hevitra ianao. Rehefa miditra @ resaka ianao ka mandroso hevitra mifanohitra @ an'ny olona iresahanao dia tsy fanao ny tsy manohana ny hevitrao @ alalan'ny porofo na ohatra 1. Tsy fanao koa ny milalao ny mpilalao (Elsany mitapy dôly) fa ny hevitra aroson'ilay olona ihany no resahina ary tsikeraina
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0811