AMPASAPITO VE

1. vonynive ( 08/10/2013 12:45)
Miarahaba
Mahavariana ny mamaky ny soratra mirentirenty eo amin'ireo sampandraharaha vaventy eny Ampasampito eny fa dia AMPASAPITO no hita fa tsy hoe AMPASAMPITO.
Anisan'ireo faritra be mpampiasa anefa iny lalana iny satria lalam-pirenena faharoa rahateo ka lalovan'ireo mpitaingina fiara samihafa sy ireo mpandeha an-tongotra, fa indrindra ireo mpianatra maro isan'ambaratonga na ny miankina amin'ny fanjakana na tsia
Raha io soratra diso io izany no voarakitry ny tsirairay ao an-tsainy dia ho diso koa ny fomba fanoratany azy, koa mangataka ny tompon'andraikitra voakasika mba hanitsy izany
novalian'i vonynive ny 16/10/2013 10:26
2. bazylou ( 10/10/2013 14:40)
fa io irery ihany ry vonynive a,
3. Nehemiah ( 10/10/2013 14:51)
Izaho dia variana foana, efa phonétique be izao ny teny malagasy nefa mbola tsy hain'ny gasy ihany...
4. vonynive ( 16/10/2013 10:26)

bazylou:

fa io irery ihany ry vonynive a,

maro fa io aloha no lalovana maraina sy hariva dia mahasosotra ny mijery azy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0927