Mpandika teny malagasy-anglisy

1. Tibao ( 19/09/2013 21:04)
Salama daholo,
Vao hitako vao androany ity mpandika teny malagasy anglisy ity. Anjarantsika mpanao informatika gasy ny manao ny mpandika anglisy-malagasy ;)

http://demo.clab.cs.cmu.edu/translate/

Efa eo ilay hevitra, fa mbola lavitra ny ezaka.
novalian'i RBNIR ny 28/01/2014 22:17
2. sitlo ( 20/09/2013 06:10)
Somary mampihomehy ahy ilay dikateny avy eo. Fa mba farafaharatsiny aloha mba efa nisy nanao e.
3. RBNIR ( 27/01/2014 12:12)
kely sisa :-) , tohizo fa tsara e
4. newsoul ( 27/01/2014 15:50)
tena mbola mila ampianarina vocabulaire betsaka ilay izy
5. RBNIR ( 28/01/2014 04:37)

newsoul:

tena mbola mila ampianarina vocabulaire betsaka ilay izy

Izaho indray mandinika hoe sao dia ilay teny malagasy mihitsy no tsy voafehintsika dia mety izay koa no tsy mampivoaka ilay traduction tsara :-)
6. newsoul ( 28/01/2014 15:34)

[quote=Tibao]
Salama daholo,
Vao hitako vao androany ity mpandika teny malagasy anglisy ity. Anjarantsika mpanao informatika gasy ny manao ny mpandika anglisy-malagasy ;)

http://demo.clab.cs.cmu.edu/translate/

Efa eo ilay hevitra, fa mbola lavitra ny ezaka.

manampy ny malagasy ny zavatra toy itony fa saingy tena mila vocabulaire sy règle grammaticale milamina tsara mifanaraka @ teny gasy , marina koa hoe ilay teny gasy mety tsy voafehy loatra nefa dia mila ny fahafehezana izany ny fandikana teny toy itony raha mijery ny google tradution zao dia efa azo ampiasaina ihany ilay izy nefa indraindray dia manao dikateny hafahafa ihany ilay izy andramo kely ny mandika Français-anglais (mbola misy tsininykely ihany) mbola hafa ihany hoe olona no mandika teny
7. RBNIR ( 28/01/2014 22:17)
Mila fiaraha miasa eo amin'ny mpandalina ny teny malagasy anglisy ary ny informaticien dia mino aho fa ho vita tsara io, kely sisa e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2229