Resaka momba ny mpanampy

1. sahmina ( 20/08/2013 11:37)
Manahoana daolo! nareo v ba manana problème momba ny mpanampy? :) Ndao ba o resahina e!
2. Nehemiah ( 20/08/2013 14:09)
Raha nahatsikaritra ianao dia donto saina ny ankabetsahan'ny mpanampy :)
3. vahiny2004 ( 20/08/2013 14:30)
Nehemiah:

Raha nahatsikaritra ianao dia donto saina ny ankabetsahan'ny mpanampy :)


Ary ianao mba ahoana ?

4. Nehemiah ( 20/08/2013 14:38)
Mba nisy exception 1 fa ny ankabetsahany aloha dia tena donto saina
5. vahiny2004 ( 20/08/2013 14:43)
Nehemiah:

Mba nisy exception 1 fa ny ankabetsahany aloha dia tena donto saina


Ny sainao no nanontaniako fa tsy ny an'ny mpanampinao ka ?

Izaho tsy mba mankasitraka ny olona mi qualifier ny hafa ho "donto saina" no mahatonga ahy hiteny hoe "Ary ianao mba ahoana ?"
6. Nehemiah ( 20/08/2013 14:50)
134 no azoko t@ nanaovako test QI.
Na ankasitrahanao ilay izy anie na tsia dia izay no zava-misy : matetika dia matetika ireny olona ireny dia manao an'izay asa izay satria tsy tafita t@ fianarany. Afaka manontany ny namana rehetra @ serasera ianao fa hamarininy aminao fa tsy miraharaha an'izay politiquement correct aho (ary tsy miraharaha an'izay politiquement incorrect koa :-) )
7. sahmina ( 21/08/2013 10:21)
Manaona daolo e!
Aleo aloha ts atao ifamaliana le iz fa ba resaka zaraina netsika e! Tena marina aloha fa ts hoe fanambanina fa tena betsaka mints ny mpanampy otran manao fanahy iniana d manao donto saina hany ka tena mandreraka. Kanefa ts mints mila olona ny tena.
Nneah zao no ba faniriako d oé de mila matihanina mints reny agence reny mapiofana tateraka an reny panampy reny satri @ zao fotona zao anie ka efa tena lafo ny manakarama e. Rehefa kelikely ngamba ry zareo d o takina diplôme @zay ko ny mpanampy eto @tsika. Izaho manokana aloha d tena mijaly mints satri bola kely anaka e!!!
8. Nehemiah ( 21/08/2013 14:24)
Ny vision-ko manokana dia hisy agences sasany hahitàna mpânampy matihanina ary hisy agences sasany hahitàna mpanampy tsy manjary rehefa kelikely, satria hila asa foana ny olona tsy nahita fianarana
9. mirananirina ( 19/09/2013 15:08)
Ny olombelona rht angamba misy olana daholo na @ mpanampy na @ havana na iraitampo aza. Ihezaho fotsiny ny tsy manalika be azy ireny fa tsy fidiny ho azy ny ho mpanampy fa noho ny tsy fananany.
10. danbal ( 01/11/2013 19:26)
Mbola tsy tara angamba ny famaliako an'le resaka an, salut daholo tsika! le resaka mpanampy an, tsy hoe donto saina izy fa manao fanahinina, ka ny mahatonga an'io de arakarak'le fintondranao azy ihany. Ny mpanampy manko de aoka tsy ho adinontsika fa tompoina manompo,tsika mpampiasa tsy tokony hieritreritra mihintsy hoe satria volantsika no miala de ze tiantsika ampanaovina azy, fa tokony hi-comprendre koa tsika hoe ty olona ty ilaiko. Amin'ny voalohany aloha de atoro azy ny zavatra tokony ataony, lazaina azy mialoha fa enao de olona sarotiny, @ fahadiovana ohatra, @ filaminana koa, de asaina mandamina ny programany @zay izy @zay fomba hanatanterahany ny asany, ny fantatrao fotsiny rehefa avy eo de ny asa vita, tsy misy trerotrerona, tsy misy korontana. Zany hoe rehefa haka mpanampy ianao de mila miresaka tsara mihintsy aloha @ voalohany mba tsy hisian'ny le hoe mpanampy donto saina na patron manandevo, sns, Satria ange aoka tsy hohadinotsika fa ny mpanampy zany ao antranonao no androtokon'androny, fantany tsara ny fomba² fiainanao sy ny programanao, noho izany dia anjaranao no mandamina ny fifampitondrana satria enao mila azy, izy koa mba mila anao. Fa enao na haka mpanampy aiza na aiza de mitovy daholo izy rehetra, mahagaga!! fa de anjaranao no mandamina azy e. Veloma daholo
11. Nehemiah ( 02/11/2013 07:09)
Fantatro daholo anie izany, fa saingy tsy manam-potoana ho an'ny "politiquement correct" aho ho'aho, raha toa ka mbola tsy azonao ihany izay
12. danbal ( 02/11/2013 18:08)
ka tokony hanananao zany Nehemiah a, zavatra tsy sarotra ange zany, ary tsy maintsy asiana an'izay le fiainana raha te hilamina enao. Raha tsy anananao zany de efa otrany tsinjoko eto sahady le fomba fiainanao an, somary be be korontana kely,de kizitizitina kely, de rangitra be avy eo, hi,hi alamino de mazotoa e
13. mpisotrtoaka ( 29/07/2014 10:48)
Le Nehemiah d manao belou fotsiny ! Tsis idiran'ze test QI nataonao tany ity resaka ity fa fifanampiana sy fifampizarana ka rehefa ts mety aminareo "intelligente" raha izay no tena marina d aza mamaly ! Tsy fanaovana loham-boto ato fa vondrona ifanakalozana hevitra !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8612