Ny tena tantaran'ny dinôzôra, fizaràna fahadimy

1. Nehemiah ( 26/07/2013 06:14)
Milaza zavatra mahatalanjona i Philip J. Currie sy Eva B. Koppelhus @ bokiny "101 questions about dinosaurs" : nahitàna taolan-dinôzôra aman'arivony tsy mba niharan'ny perminéralisation ny firaika any avaratr'i Alaska. Toa taolan'omby efa tranainy ilay izy, tsy nampahafantatra ny fahitany mandritry ny 20 taona ny olona nahita an'ilay toerana satria noheveriny fa taolana bison, kanefa taolan-dinôzôra ilay izy !

Inona aloha izao perminéralisation izao, hoy ianareo ?
Ny fifôsiliana dia mazàna fiovan'ny zaka ôrganika ao anatin'ny taolana 1 ho akora mineraly. Ny perminéralisation indray dia tsentsin'ny akora mineraly ny banga rehetra ao anatin'ny taolana, ka lasa mafy tahaky ny vato ilay izy.
Tiako marihina fa tsy midika akory izany fa aman-tapitrisa taona voa mitranga ny perminéralisation : "101 questions about dinosaurs" ihany no milaza hoe :
Miovaova be ny vanim-potoana iharan'ny taolana 1 perminéralisation tanteraka. Raha difotry ny mineraly mitsiranodranoka ny rano avy @ tany dia mety mitranga malaky izay. Ankehitriny, ny taolana mivarina anatin'ny loharano be mineraly dia mety perminéralisé ao anatin'ny herinandro vitsivitsy.

Kanefa tsy perminéralisé ny taolana resahintsika eto.

Aoka isika tsy hieritreritra fa notahirizan'ny hatsiaka izy ireo. Samy miaiky ny rehetra fa nafàna lavitra kokoa ny toetr'andro t@'ireny faritra ireny t@ fotoan'andro niveloman'ny dinôzôra. Betsaka ny sisan-javamaniry any Alberta afovoany ahafantarana fa semi-tropical ny toetr'andro t@'izany.
Milaza koa ny mpandala ny tsimiovatantana fa mbola nafana be ny toetr'andro, na dia taorian'ny fahalaniana tamingan'ny dinôzôra, ary mety ny habetsaky ny CO2 anaty soson-drivotra no nahatonga an'izay. Ka nahoana no tsy lo tao anatin'ny 70 000 000 taona ireo taolana ireo ???

Hitanareo mantsy, na dia ataontsika hoe tsy voan'ny mikrôba mihitsy izy ireo, ao anatin'ny tapitrisa taona maro dia tokony hitotongana ho azy nohon'ny fivezivezena kisendrasendran'ny môlekiola ao anatiny ireo taolana ireo, arak'ireo lalan'ny termôdinamika !

F'angaha vita hatreo ?

Nisy taolam-pen'ny T-Rex hitan'i Dr Mary Schweitzer, avy @ Oniversitem-Panjakàna any Montana, sy ny ekipany voatery nosamahana rehefa nobataina helikôptera. Rehefa nentina tany @ labôratoran'ny oniversite ilay izy dia nahatsikaritra izy ireo fa mbola pokaty tsy nofenoin'ny akora mineraly tahaky ny mahazatra ilay izy. Efa nahatalanjona azy ireo mpandàla ny evôlisiona aoka izany ilay izy tsy voafôsily.
Toy izao ny fitantaran'i Mary Schweitzer ny hagagan'izy ireo rehefa nifandimby nizaha ny sombin'ny taolam-pe misy lalan-dran'ity tyrannosaure ity izy ireo :
Feno bitsibitsika nohon'ny fahatalanjonana ny labôratoara, satria nahita t@ mikrôskôpa zavatra tsy mbola tsikaritray hatr@'izao : zavatra boribory madinika, mena mangirakiraka sady maizina ny afovoany. Nanopy maso ny mpiara-miasa aminay 1 dia nihiaka hoe : "Selan-dra mena ireto ! Selan-dra mena ireto !"

Mazava loatra fa nanahy fatratra i Schweitzer, ka nanontany ny lehibeny, ilay paleontôlôga malaza "Dinosaur" Jack Horner, ny tokony atao. Namaly izy fa tokony niezaka hanaporofo fa tsy selan-dra mena ilay izy ary novalian'i Schweitzer hoe "Tsy nahomby izahay hatr@'izao".

Ka sao dia mieritreritra ianareo fa tsy selan'ilay T-Rex ilay izy fa mikrôba no namela azy ireo teo. Nanahy an'izay koa i Schweitzer.
Tokony fantatsika aloha fa mety manana hème ny mikrôba fa tsy manana an'ilay protéine hémoglobine izy ireo. Nangalàna sombiny ireo sela ireo ary notsindromina t@ voalavo. Raha toa ka misy hémoglobine ilay izy dia tsy maintsy mamokatra anticorps anoherana azy izy ireo. Izay mihitsy no zavatra nitranga t@ fanandramana nofehezina tsara, ary porofo fa hémoglobine tokoa ilay izy.

Taorian'izay dia mbola nahita an'ity koa i Schweitzer :

A : manondro sombin-taova mbola malemy ny flesy. Sarotra dia sarotra ny inoana fa nijanona ho malemy mandritry ny 65 000 000 taona ilay izy.
B : raha tsy hena manta io dia inona ? Mbola azo atao ihany ve ny mino ny "tapitrisa taona" rehefa mizaha an'izay ?
C : mbola ahitàna an'ilay firafitra misy rohinofo ilay izy. Ny ankabetsahan'ny fôsily dia tsy mba misy an'io. Kanefa lazaina fa 65 000 000 taona ireto taolana ireto na dia mbola misy an'io firafitra io aza.

Tsy mbola nisy nahita an'izao hatrizay satria tsy mbola nisy nitady an'izao hatrizay, satria matanjaka ny finoana ny "tapitrisa taona", ary raha ny tena marina dia aleon'izy ireo mitady fizotra hafahafa nahafahan'ireny taova malemy ireny ho voatahiry mandritry ny 65 000 000 taona toy izay miaiky fa aman'arivo taona monja izao tontolo izao, araky ny fitantaràna mazavan'ny Genesisy. Raha tsy efa nahita an'ireny selan-dra mena ireny i Schweitzer tà voalohany dia angamba tsy nieritreritra ny hitady an'izay izy (satria mantsy nalefa t@ ity taolana faha2 ity mba hodinihiny sao dia mahita selan-dra izy, satria efa fantatra fa lasa liana @'izany izy. Nalonany anaty rano misy asidra malemy vaika mandritry ny 1 volana ny taolana. Rehefa vita izay dia hita ny taova malemy).
Raha ny tena marina anie dia mbola nahita taova malemy t@ taolana dinôzôra hafa maro koa izy e.

F'angaha vita hatreo ?

Nahitàna tissus mangarahara sy malemy izay mbola ahitàna sela ny tandrokan-Triceratops. Nisy manam-pahaizana mpandala evôlisiona nanohitra ka nilaza fa tsy mba an'ilay triceratops ilay izy fa noforonin'ny mikrôba izay tafiditra anatin'ny taolana. Kanefa rehefa nolevonina anaty asidra malemy vaika ary nozahàna t@ mikrôskôpa ilay izy dia hitany fa osteocytes (selan-taolana) "miaraka @ boribory izay mitovy @ voan-tsela, filipodes sy tahony."
- Raha noforonin'ny mikrôba (izay prokaryotes) ireto sela ireto dia nahoana no misy voany, filipodes, sns
- Tsy tokony @ velaran'ilay taolana no ametrahan'ny mikrôba voalohany an'ity soson-tsela ity izay voa ny ao anatiny ?
- Na dia ataontsika hoe mikrôba tokoa no namorona an'ilay izy dia nahoana no tsy tontan'ny tapitrisa taona ny sela ?

F'angaha vita hatreo ?

Asio maso ity sary ity raha mbola tsy resy lahatra ihany ianareo.



Tsy tokony tsoahina @'izay ve ny hevitra hoe ny Safo-drano tantarain'ny Genesisy no nahatonga an'ireny taolana sy fôsily be dia be ireny ? Ireny taolana sy fôsily ireny no mamaly hoe eny !
novalian'i Nehemiah ny 27/07/2013 06:14
2. Nehemiah ( 26/07/2013 06:15)
Ity ny rohy mankany @ fizaràna taloha ho an'izay liana :

http://forum.serasera.org/forum/message/m51f0d88066ef1
3. moustaraf ( 26/07/2013 08:22)
-Tsy maintsy porofoina avy @ ireny fikarohana ireny ve vao azo inoana ny Bokin'ny faminaniana?
ka raha mifanohitra @ ireny fikarohana siantifika sy arkéolojika ireny ndray ve izany de...??

4. Nehemiah ( 26/07/2013 08:40)
Efa novelabelariko eto ny fehi-kevitrao.
5. Nehemiah ( 27/07/2013 06:14)
Ity indray ny rohy mankany @ fizaràna manaraka :

http://forum.serasera.org/forum/message/m51f364ca405ec
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2511