SEKOLY TELO

1. vonynive ( 24/07/2013 06:46)
miarahaba
mpanabe sekoly voalohany : ny ray amandreny satria izy ireo no mpanabe akaiky indrindra ny zanaka
mpanabe sekoly faharoa : ny mpanabe any ampianarana satria ny zanaka mianatra dia mandany ora maro koa any antsekoly
mpanabe fahatelo : ny fiarahamonina toy ny fiangonana, ny médias, ny namana
maro ireo ray amandreny ankehitriny no very hevitra manoloana ireo sokajina mpanabe ireo, toa tsy mahazo ny toerana voalohany intsony izy ireo fa toa ity mpanabe fahatelo ity no mahazo vahana kokoa eo amin'ny tanora
novalian'i vonynive ny 30/09/2013 13:08
2. Nehemiah ( 24/07/2013 07:02)
Tena marina mihitsy ny anao, ary izaho dia vaky vava mihitsy mahita fa ny ray aman-dreny dia toa mihevitra ny zanany ho fiarakodia ary izahay mpampianatra ho mpiasan'ny garazy.

Toy izao no fiheverako ho anton'izao :
- tsy mandray andraikitra @ fanabeazan'ny zanany ny ray aman-dreny. Tsy fantatro raha izy ireo tototry ny asa sy ny adim-piainana no mahatonga an'izay, nefa izany tsy antony mitombina velively hanao ankilabao ny fanabeazan-janaka satria izy ireo ihany no hiantoka azy ireo rehefa antitra izy ireo, raha tsy hilaza afa-tsy izay aho..
- ny fanabeazana @ sekolim-panjakàna dia sady gaboraraka no tsy mety @ gasy (satria nolovaina avy t@ vazaha tsy mahalala an'Andriamanitra). Hitako ho cours magistral ranoray ny fampianarana : mampianatra ny mpampianatra, mandray ny ankizy dia tapitra hatreo, fa ankoatran'izay dia tsy hitako izay fandraisana anjara sy andraikitry ny ankizy tena mitombina.

Ka tsy mahagaga raha ny haino aman-jery sy ny rendrarendra samihafa no mahazo vahana. Inona moa no mba ambition'ny ankizy afa-tsy ny mandray anjara @ Pazzapa ?
3. voromailala ( 24/07/2013 07:34)
Ary hanampiako azy dia teren'ireo ray amandreny hanaraka izay tiany hatao ilay zaza fa tsy avelany hisafidy loatra. Toy ny fianarana arahana ohatra, misy aza hatramin'ny asa hatao rehefa lehibe.
4. vonynive ( 24/07/2013 11:51)

Nehemiah:

Tena marina mihitsy ny anao, ary izaho dia vaky vava mihitsy mahita fa ny ray aman-dreny dia toa mihevitra ny zanany ho fiarakodia ary izahay mpampianatra ho mpiasan'ny garazy.

Toy izao no fiheverako ho anton'izao :
- tsy mandray andraikitra @ fanabeazan'ny zanany ny ray aman-dreny. Tsy fantatro raha izy ireo tototry ny asa sy ny adim-piainana no mahatonga an'izay, nefa izany tsy antony mitombina velively hanao ankilabao ny fanabeazan-janaka satria izy ireo ihany no hiantoka azy ireo rehefa antitra izy ireo, raha tsy hilaza afa-tsy izay aho..
- ny fanabeazana @ sekolim-panjakàna dia sady gaboraraka no tsy mety @ gasy (satria nolovaina avy t@ vazaha tsy mahalala an'Andriamanitra). Hitako ho cours magistral ranoray ny fampianarana : mampianatra ny mpampianatra, mandray ny ankizy dia tapitra hatreo, fa ankoatran'izay dia tsy hitako izay fandraisana anjara sy andraikitry ny ankizy tena mitombina.

Ka tsy mahagaga raha ny haino aman-jery sy ny rendrarendra samihafa no mahazo vahana. Inona moa no mba ambition'ny ankizy afa-tsy ny mandray anjara @ Pazzapa ?

mahereza e
5. Nehemiah ( 24/07/2013 12:59)
Misaotra
6. vonynive ( 26/07/2013 12:11)
vao hatrany am-bohoka dia tokony handray andraikitra ny ray amandreny
tsy mitsahatra eo antokantrano ny anjaran'ny ray amandreny ka hilaza hoe anjaran'ny any am-pianarana izany fa tokony hahafantatra koa ny fiainana any ampianarana izy ireo, ka hifandray hatrany @ mpampianatra sy ny mpanabe

fa ny tena mahagaga rey olona dia misy ray amandreny mandrahona ny mpanabe ao an-tsekoly rehefa manao ny tsy mety ny zanany any antsekoly a,
7. Nehemiah ( 26/07/2013 12:52)
Ary izaho indray mbola tsy tratran'izay k'le !
8. Nehemiah ( 26/07/2013 13:58)

vonynive:
vao hatrany am-bohoka dia tokony handray andraikitra ny ray amandreny

Ity marina tiako asiana tsindrim-peo sao dia ataon'ny olona fa balarora izany. T@'izaho mbola tany am-bohoka dia namaky boky à haute voix ny reniko, ary tena nahasoa ahy satria na dia mbola am-bohoka ny zaza dia efa maheno ny feon'ny olona manodidina ary efa afaka mianatra miteny sahady.
9. 5laody ( 28/07/2013 20:39)

Tsy io tokoa ve no nahatonga ny hoe langue maternelle? ( mety diso aho), ho an'izay bevohoka dia tsy tsara ho an'ny zaza ao an-kibo (ary ho an'ny reniny koa ) ny maheno gidragidra sy tabataba adin'ny ray aman-dreny . Matetika hono ny olona tia mozika dia nampirevena hatrany an-kibo. GANGNAM STYLE
10. vonynive ( 01/08/2013 09:59)
ny ray amandreny no tokony ho namana voalohan'ny zanaka, mety hisy anefa tsy fifankazahoankevitra eo @ andaniny roa ka mety hiraka olana izany, izany no mahatonga ny ankizy hitady namana any ivelan'ny tokantrano, raha sendra ny namana tsara izy dia tsara fa raha sendra ny namana ratsy kosa dia sarotra ny raharaha
ny ankizy @ zao fotoana koa tsy dia mahazoazo ny fidiran'ny ray amadreny @ fiainany, koa tsara raha tsy dia miditra @ antsipiriany loatra @ fiaianan-janany ny ray amandreny fa namana tsara afaka manampy
11. booboo ( 01/08/2013 12:45)
Hono ho'aho, inona no dikan'ilay " ny rad no tokony ho namana voalohan'ny zanaka " ?, fa tsy azo tsy araka tsy mazava ? Bonne copine ? amie ? meilleure amie (tsy tiako mihitsy ny fana-klasiana ny namana tahaka io)
:-D :-D ny zanako rehefa tezitra amiko dia ouz foana " t'es pas ma copine !" dia valiako foana hoe " tsy copine -nao aho fa reninao !".
12. vonynive ( 16/08/2013 11:01)

booboo:

Hono ho'aho, inona no dikan'ilay " ny rad no tokony ho namana voalohan'ny zanaka " ?, fa tsy azo tsy araka tsy mazava ? Bonne copine ? amie ? meilleure amie (tsy tiako mihitsy ny fana-klasiana ny namana tahaka io)
:-D :-D ny zanako rehefa tezitra amiko dia ouz foana " t'es pas ma copine !" dia valiako foana hoe " tsy copine -nao aho fa reninao !".

angamna ity no mahafintina azy
L'AMI AIME TOUT LE TEMPS
13. Rnrs ( 27/09/2013 13:19)
otran tsara ihan rah haverina le fikapoana tany ampianarana fahiny rehefa tsy mahay ny ankizy fa toa nahasoa ireny, zah anisan nahita soa t@iren fikapohana ireny
14. vonynive ( 30/09/2013 13:08)

Rnrs:

otran tsara ihan rah haverina le fikapoana tany ampianarana fahiny rehefa tsy mahay ny ankizy fa toa nahasoa ireny, zah anisan nahita soa t@iren fikapohana ireny

raha hoe maditra no kapohana dia tsy maninona fa raha hoe tsy mahay sao vao maika lasa vendrana, fa hafa koa raha ohatra hoe noho ny ditra no tsy mampahay
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1314