Hoan'ireo izay mihevitra ny tenany ho gasy

1. ded.kitty ( 16/02/2013 09:24)
Akademia Malagasy
Sokajy I

Ny Teny Malagasy : Fanentanana ny Fon'ny Vahoaka amin'ny Fampandrosoana
25 Jona 1994

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Tantara kely iray no entinay ho fampidirana izao famelabelarana izao.

Hoy ity tovolahy iray avara-pianarana sady tia tanindrazana, raha namory ireo tanora tantsaha sakaizany izy, teny ambanivohitra :

"Ni-inviter anareo Tantsaha iray génération amiko aho, mba hiara mi-étudier ity projet de développement nanaovako étude plus ou moins approfondie ity. Mi-concerner ny région-tsika mantsy izy io, ka tokony hi-sensibiliser-na antsika masse paysanne amin'izao période de décollage économique izao.

Ny cohésion sy ny participation de tout un chacun anefa no tena primordiale amin'izany, ka tsy ny élites sy ny intellects ihany no ho décideurs sy piliers amin'ny réalisation sy ny exécution-ny, fa ny population active sy isika izay avenir-n'ity tany ity. Raha tsy izany, tsy avotra izao situation déplorable sy catastrophique izao. Mila stratégie sy plan triennal bien au point anefa izany fa tsy azo atao au pif fotsiny.

Izany no ni-convoquer-na antsika exprès amin'ity réunion de sensibilisation ity. Isika rehetra sans exception izany no samy hilaza izay point de vue-ny avy, vis-à-vis de ce projet. Tout au moins, izay mba suggestion na solution intermédiaire sy adéquate any an-tsainareo any.

Misokatra àry izao ny débat sy ny discussion ka tout le monde peut prendre la parole. Merci !"

Nangina eran'ny trano. Azontsika an-tsaina avy hatrany fa tsy naharay afa-tsy teny vitsy tamin'ny kabarin'Andriamatoa ireto Tantsaha sakaizany. Ary tsy nahagaga koa raha tsy nanan-kolazaina fa nifampijerijery sy nifampiandriandry fotsiny.

Nisafoaka ilay tovolahy mpandahateny, ka niriatra nanao hoe : "izao ihany ilay mampi-décevoir ny technicien aminareo, fa tsy capable hi-saisir ny occasion profitable sy favorable tahaka itony," sad y lasa izy nandeha.

Miomehy isika mandre ny tenin'Andriamatoa, anefa, moa tsy ny sarintsika ihany koa ve no nasehony tamin'io fotoana io ? Mety tsy hihomehy koa anefa isika, satria efa zatra fiteny vandambadana toy izany ny sofintsika. Ny fihomehezantsika na tsy fihomehezantsika azy dia zavatra iray, fa ny mampalahelo dia ireto fatiantoka roa nitranga tamin'io fotoana io.

Fatiantoka voalohany : tsy tafita ilay hevitra sy fikasana tsara natolotr'Andriamatoa, satria tsy nisy azon'ny tantsaha sakaizany izay tiany holazaina.

Fatiantoka faharoa : kivy ilay manampahaizana satria noraisiny ho fahalainan-kandroso ny fanginan'ireto tanora, tsy nanan-kolazaina tamin'izay hevitra narosony.

Fa ho hafa noho izany kosa ny zava-niseho raha tahaka izao no nitondrany ny teniny.

"Misaotra anareo, lehiretsy, namaly ny antso nataonay. Isika izao mantsy no fody niara-nitsindroka sy akanga niara-nanjohy, ka tonga amin'ilay hoe : tsindranolahy an-keniheny, ka ny tama-miray ihany no miaraka."

Manana tsirin-kevitra sy vinavina ho enti-mampandroso ity faritra misy antsika ity izahay, satria tsy azo jerem-potsiny ny tany nahabe ary tsy azo atao tazan-davitra ny fanasoavan-tanindrazana. Izao izy izao no fahavoazany, izao izy izao no fahantrany , ka dia hanao tahaka an'Ikaladala eo ambody tenona ve isika, ka sady tsy hanohy ny tapaka no tsy hanentina ny madilana ? Ny adidy koa tsy an'olon-dratsy, ka dia nentinay eto izany hatao loa-bary an-dasy, satria ny hevitry ny maro no mahataka-davitra. Ilàna firaisan-kina izy io ka iantsoana antsika rehetra, satria izay tsy mahay sobika, mahay fatam-bary.

Ireny nozaraina tamintsika ireny ny drafitra sy vinavina hotanterahina, ka aoka tsy hifampisorona na hijery arina an-tava. Tsy hoe "tian-kano, tsy tian-kano" koa izy io, fa mahazo milaza ny heviny avy izay manan-kolazaina, fa tsy tongobolo tsy akory isika ka hotampenam-bava. Tsy mety koa, anefa, ny manilika ny adidy amin'olom-bitsy, nefa samy hioty ny vokatra ihany avy eo. Ireny ilay antsoin'ny razana hoe : "sady tsy hitery omby no tsy hihazon-janakomby fa mitady hisodika ny herotra fotsiny", na hanao tahaka ny "angady ka ny zarany mihoso-menaka sady mijoro, nefa ny lelany mihoso-potaka miady amin-tany."

Manana antsika rehetra izao ho reharehany ity tany nahalatsahan'ny tavonintsika ity, ka dia hangetaheta ambony lakana ve, sa ho noana eo am-pototry ny sompitra ?

Koa saino lalina, saino marivo, fa isika izao no velona fanovan'ny maty, ary zanaka mpandova ny anaran-dray, ka tsy avelantsika ity tany ity raha tsy manana izay voninahiny, ary asandratra koa ny vahoakany hahita ny anjara-masoandrony. Sa tsy izay no izy, leiretsy ?

"Izay", hoy ny firedon'ireto sakaizany.

Raha tahaka an'iny, hoy izahay teo, no nitondran'ilay zatovo ny teniny, dia azo inoana fa voaentana tokoa ny mpihaino, satria Teny Malagasy midona any am-pon'ny mpihaino no nenti-nanambara azy. Ny fo mantsy no mahery tosika noho ny saina amintsika malagasy ka manome toetra ilay olona taorin'izay teny nolazaina taminy. Itompoanay teny fantatra izany. Fa ataovy amin'ny teny vahiny ange ny fampiononana mana-manjo, nefa samy malagasy no mifanatrika eo ! Hahita fiononana ve ireo tra-pahoriana ? Atao vy amin'ny teny vahiny hoe ny kabarim-pifidianana, dia mba saino kely izay isam-bato mety ho azonao amin'izany. Fa tsy maintsy ny Teny Malagasy ihany no afaka manentana ny fon'ny vahoaka raha hitory fampandrosoana marina ianao. Midona sy manentana ny fo av y hatrany mantsy ny Teny Malagasy, ka manamboatra ny toe-po.

Diniho kely ireto, azafady, dia hazava aminao ny fahamarinan'izany :
"Nafana fo ny fokonolona, ka tafatsangana haingana ny sekoly." Izany no fiteny, fa tsy hoe : "nafana saina" ny fokonolona..."
"Niteraka risipo tao amin'ny vahoaka ny kabarin'ilay olomboafidy", fa tsy hoe : "niteraka risitsaina."
"Namoifo ny vahoaka fa fitaka avokoa ny toky nomena ...", fa tsy misy amintsika malagasy izany hoe "namoisaina ny vahoaka."
"Nahafapo azy ny zavatra reny tany am-pivoriana..." fa tsy hoe "nahafa-tsaina azy ny zavatra reny."
"Vao reny ilay vaovao dia nentim-po izy ka lasa ..." fa tsy misy amintsika izany hoe "nentin-tsaina."
"Dia mba samy nahazo fahafahampo ny mpihaino rehetra," fa tsy misy ny hoe "nahazo fahafahan-tsaina ny mpihaino."
"Nanala ny fony izy raha vao nandre ilay hafatra nalefa taminy. Fa tsy fiteny ny hoe "nanala ny sainy" izy.

Mbola azontsika tohizana ireny sy ny tahaka ireny, fa be dia be. Mazava amintsika àry izao fa ny fo no tanamilina ao anatin'ny olona, ka manentana ary manome azy toetra entiny miatrika toe-javatra iray. Ny enti-manentana ny fo kosa anefa, dia ny Teny ihany.

Koa raha te hanentana ny fon'ny vahoaka amin'ny Fampandrosoana isika dia ny Teny Malagasy ihany no afaka manao izany. Dia teny malagasy madio, tsy safiotra na vandambadana. Teny malagasy feno ohatrohatra amana ohabolana sy hainteny, fa ireny no mamoha varavarana ny fo.

Izany tsy akory tsy midika hoe : foany sy avalony any izay teti-pandrosoana amam-pivoarana novolavolain'ny saina, na fafao avokoa izay rehetra noheverin'ny saina. Fa azo atao tsara kosa ny mampisoka sy mampando Teny Malagasy azy ireny, ka hahatonga ny vahoaka hahatakatra avy hatrany izay lazaina aminy. Na inona na inona mantsy hasoan'ny tetika sy paikan'ny saina, raha tsy voampaly amin'ny Teny Malagasy dia tonga amin'ilay hoe : "langilangy zozoro, mitefoka ihany fa tsy maharary, ary rano an-damosim-borombazaha : mitosaka ihany fa tsy mahakotsa". Ary raha tsy teny malagasy no anentanana ny fon'ny vahaoka, dia "sasara ny olon-ko hariva ny andro hoy ny ntaolo, fa sasa-poana manao saha maina fa tsy ho tompon'ny tany tsy akory".

Rahateo, mbola malagasy tsy mahay teny vahiny, na izay dikan'ny nvoambolana vahiny milaza haitao sy hairaha ny 85 isan-jaton'ny malagasy tian-koentanina eto Madagasikara. Izy ireo, anefa, no kitro ifaharan'ny fampandrosoana, koa raha tsy Teny sy Fiten y azony am-po no itaomana azy dia horaisina ho didy aman-dalàna fotsiny ny toro-lalana omena azy, na sanatria aza, raisiny ho asa an-terivozona mihitsy ny paika rehetra torina aminy, ka sady tsy inoany no ataony fe ataony noho ny tahotra izay mety ho vokany avy eo. Raha tsy hoe, angaha, ho vitan'ny manampahaizana sy ny mpitndra samirery ny fampandrosoana ity tany ity, fa avela ho mpitandamba fotsiny ireo 85 isan-jaton'ny malagasy ireo.

Manan-karen-teny azo itaomana sy anentanana ny vahoaka isika Malagasy. Efa mijoro rahateo ny Foibe momba ny Teny eto amintsika, ka azo anovozana sahady ankehitriny. Saingy asa, na misy mihevitra azy tsy ho ampy, na efa harafesin'ny fahalainan-kitady ny mpivaofy hevitra sasany, ka miaingitra kely manao hoe : "azafady fa holazaiko amin'ny teny vahiny mba hazava amintsika kokoa." Dia mbola mihevi-tena ho Malagasy hahazo ny fon'ny vahoaka ve ny olona tahaka izany ? Ekena fa mety ho lava kokoa ny fanazavana ilay teny vahiny amin'ny Teny Malagasy vao mety ho takatra ny tena dikany. Kanefa mampaninona moa ny mandany fotoana amin'izany raha tena ny hanasoavana ny mpiray tanindrazana tokoa no katsahina ? Afa-tsy hoe, angaha, matahotra sao tsy mba at aon'ny olona hoe : "tsy mba nahita fianarana raha tsy mampiditra teny vahiny ao amin'ny lahateniny". Dia mizahozaho ery any anatiny any, nefa tsy mankaiza akory ny zavatra lazainy. Ny vahoaka kosa dia manakilasy azy ireny hoe : "Dedadahy tonga rafozana : akoho iray no vonoina, ka famaky dimy no hetsiketsehina."

Tsaroako tsara, fony vao azo ny Fahaleovantena, ka nentanina tamin'ilay fambolem-bary "en ligne" ny Tantsaha sy mpamboly vary. Nahatsikaiky sy nampalahelo anefa, fa noheverin'ny any ambanivohitra ho anaran'olona ity "ligne" ity, ka maro no nilaza hoe : "Aiza ho aiza, tompoko, no misy ity Raline ity, mba hakanay toro-hevitra amin'izay nataony ?" Teo vao nikoropaka ny manampahaizana nitady teny malagasy, ka voatery nitety tanàna sy vohitra, nilaza fa "voly tora-tady" no dikan'io fa tsy izany "Raline" izany. Ho efa nahomby hatrany am-piantombohany anefa ny tetika, raha nogasiana hoe : "Manaova voly tora-tady !"

Misy koa aza sarambaben'olona mitaraina ankehitriny, ka manao hoe : "Nahoana no jeren'ny Fanjakana fotsiny izany "flottement" izany, fa tsy samborina sy gadraina ?" Heveriny ho olon-dratsy na mpigadra nandositra manotsy izany "flottement" mampisondro tra ny vidim-piainana izany. Ihomehezantsika ny fandrenesana ireny ! Kanefa dia izany no izy, rehefa tsy voazava amin'ny Teny Malagasy hatrany am-piandohany izay tena dikany.

Tsotra ihany no hevitra arosonay ho famaranana izao famelabelarana feno zavatra mahatsikaiky, nefa maha velon'eritreritra koa:

1. Aoka ho tsaroana mandrakariva fa ny Teny Malagasy, miantefa any amin'ny fo ihany, no afaka manentana ny vahoaka, na inona na inona tian-kitaomana azy.

2. Aoka hiezaka hahay sy hampiasa Teny Malagasy ny tompon'andraikitra rehetra te-hampandroso ity tanindrazana malalantsika ity, raha tiany hotafita sy hazava amin'ny vahoaka izay soridalana tiany hitarihana azy.

3. Aoka hotohanan'ny Fanjakana, tsy ara-bola ihany, fa raiketina indrindra amin'ny Didy aman-dalana ireo voambolana sy teny nokarohin'ny Tsangananasa sy Mpikaroka nanolo-tena hanabe voho ny Teny Malagasy, mba tsy ho "very maina ohatra ny menaka nahoso -bato" izay ezaka nitsembohan'izy ireny hoenti-mampandroso ny vahoaka sy ny tanindrazana.

Fa hoy ny Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny Fanabeazana, ny Siansa ary ny Kolontsaina, ary miray feo amin'ilay "Dinan'i Afrika momba ny Kolontsaina" hoe : "Tsy misy Teny afa-mampandroso ny tany iray afa-tsy ny tenin-drazany ihany." Nanamafy izany koa ny Lalampanorenantsika ka manambara fa ny "Teny Malagasy no tenim-pirenena".

Fa raha tsy izany tokoa : "Manakodi-by isika, mahandro fanjaitra : voky ihany fa manevitevika" ary "kamboty manao vary amin-tsakay, ka ny an'ny tena indray no androtsahan-dranomaso."

Misaotra Tompokolahy, Mankasitraka Tompokovavy, naharitra nihaino anay.
novalian'i Nav ny 17/02/2015 16:37
2. mirananirina ( 21/03/2013 21:25)
Nahitra nihaino anay hatramin ny farany
3. Nav ( 06/04/2013 13:30)
Tsara tokoa ny miteny malagasy fa tokony ho fantatsika rehetra fa voafitaka raha miankina amin'io Lalampanorenana 2011 io (sy ireo LP rehetra teo alohany).
Hoy manko ny mpanoratra hoe: "Ny teny malagasy no tenim-pirenena".
Marina io, voasoratra ao anaty LP tokoa fa io ilay fitaka, fandrebirebena. Jereo ny tohin'ny LP milaza hoe: "Ny teny malagasy sy teny frantsay no teny ofisialy".
Aoka ho fantatsika tsara fa manitsaka ny teny malagasy io teny frantsay lazaina fa teny ofisialy io: miafina ao ambadik'io daholo ny mpanenjika ny teny malagasy, tsy te hampiasa teny malagasy, ireo tsy mahalala ny tena fitiava-tanindrazana ka manararaotra mampiasa teny frantsay eo anivon'ny Fanjakana: Ministera isan-karazany indrindra fa ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena, departemantan'ny Ministera isan-karazany, hatrany amin'ny Kominna aza mampiasa teny frantsay ny sasany.
Anjarantsika ny miezaka aoriana rehefa tonga ny fampielezan-kevitra @ fitsapan-kevibahoaka hifidinanana LP ny mitarika ny hanovana ilay andininy ka lazaina hoe:
"Ny teny ofisialy dia ny teny malagasy, tenim-pirenena".
Jereo tsara: samy hafa mihitsy ny dikan'ny hoe: "Ny teny malagasy no teny ofisialy" sy ny hoe: "Ny teny ofisialy dia ny teny malagasy".
Amin'ity tolokevitra farany ity dia ny teny ofisialy no faritana, ary io no tokony hofaritana fa tsy ny toetran'ny teny malagasy.
Ho avy ve ny referendum LP? Miomàna ianareo.
Ary mandrapahantongan'izany referendum izany? Miomàna dieny izao manao fampielezan-kevitra fa ny teny malagasy irery ihany no manana izany satan'ny teny ofisialy izany ary mendrika an'izany.
Nav
4. milamm ( 05/05/2013 01:44)
adidy tokoa ny mikolo ny teny malagasy na dia ataon'ny tsirairay anjorontrano isaorana ianareo manda miaro ny soa toavina ny kolotsaina iombonantsika tsirin-kevitra kely ihany koa raha tsy mahadiso dika amin'ny tenim-paritra manerana ny Nosy ve ny fanentanana sy fitaizana ny olompirenena, misaotra tompoko
5. Nav ( 07/05/2013 14:18)

milamm:

adidy tokoa ny mikolo ny teny malagasy na dia ataon'ny tsirairay anjorontrano isaorana ianareo manda miaro ny soa toavina ny kolotsaina iombonantsika tsirin-kevitra kely ihany koa raha tsy mahadiso dika amin'ny tenim-paritra manerana ny Nosy ve ny fanentanana sy fitaizana ny olompirenena, misaotra tompoko

Aza fady tsy mazava amiko ny tianao ho lazaina. Azavao amin'ny ohatra hoe?
Nav
6. zandrikely ( 17/02/2015 11:58)
GASY KA MANJA E , le toetsaina no tsy mampandroso ny tananantsika , fitiavantena no betsaka , ra mba samy mijery ny akaiky azy sy manao ze mety ny rehetra de miova ho azy ny toetsaina
7. Nav ( 17/02/2015 16:37)

zandrikely:

GASY KA MANJA E , le toetsaina no tsy mampandroso ny tananantsika , fitiavantena no betsaka , ra mba samy mijery ny akaiky azy sy manao ze mety ny rehetra de miova ho azy ny toetsaina

Valinteny ho an'i milamm 05/05/2013 sy ho an'i zandrykely 17/02/2015
Somary efa ela ihany moa ilay fanontaniana voalohany fa izao vao valiako ary ialana tsiny satria tsy dia mandalo matetika eto amin'ny forum moa.
Azo atao tsara mihitsy ny manao fanentanana amin'ny fitenim-paritra satria io no akaiky kokoa ny fon'ny mpihaino any an-toerana ary ny fitambaran'ireo fitenim-paritra ireo ihany no "teny malagasy".
Ho an'i zandrikely: marina tokoa fa ny fanovana ny toe-tsaina ratsy ho tsara no anisan'ny vahaolana. Aza kivy na dia tsy mora aza izany, ny voamariko dia anisan'ny tena "conservateur" ny malagasy, raharaha ihany ny mandresy lahatra na ny olon-tsotra na ny Fanjakana. Na inona na inona anefa dia ataovy tsara ny "moral".
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5331