Akoho miaraka amin'ny girofle

1. niryna ( 21/12/2012 19:54)
Sakafo noforoniko izy ity kanefa dia tsara tokoa raha te hanandrana hianao

Zavatra ilaina
Akoho na iray lehibe na akoho tapatapaka ( helany fotsiny na fe fotsiny sns )
Siramamy roa ny sotrobe
menaka roa ny sotrobe
sira kely fotsiny
girofle ( eo amin'ny dimy eo dia ampy ary esorina rehefa masaka)

Endasina amin'ny menaka mamay ny siramamy .Arohirohina tsara ary avela ho menamena. Tsy atao may fa manjary mangidy.
Arotsaka ny akoho ary arohina tsara ahazo loko.Misy miraikitra ny siramamy fa tsy maninona satria levona ihany io rehefa avy eo.
Asiana sira kely ary avela ao anatin'ny vilany misarona ka miteraka rano ho azy.Afo ambany no andrahoina azy ka tsy asiana rano fa iny rano-tsasany iny ihany no anamasahana azy .
Aza adino ny manala ny girofle rehefa masaka ny sakafo
Mazotoa daholo




novalian'i niryna ny 03/09/2013 03:51
2. sylvoalias ( 17/05/2013 05:59)
Miiiiaaam.....
mampilendalenda ery izy izany ....andraso fa handramako.....:-)
"Andrakandrana ny fiainana e ... :-)!
Misaotra.
3. 5laody ( 19/06/2013 13:24)
Tsara ve? izaho raha vao mikitika girofle dia ohatran'ny avy any amin'ny mpanao nify. :D
4. niryna ( 03/09/2013 03:51)

5laody:

Tsara ve? izaho raha vao mikitika girofle dia ohatran'ny avy any amin'ny mpanao nify. :D
kely raha misy dimy no atao ao anatin'ny sakafo ka,tsara be ilay tsirony aloha e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4305