Mitantara ny fiainany io Andry Prince de Satan...

21. bichette ( 19/10/2012 21:08)
Ito aloha misy lien kely alefako eto !

pasitera ancien sataniste, misy fizarana maromaro
http://www.youtube.com/watch?v=9kK7HPDOGss

Dia ito indray ancien Ilumin' http://www.youtube.com/watch?v=wC4H9QTW7t4 dia jereo amin'ny sisin'ny youtube eo ny tohiny rehetra fa ho hitanao ao daholo

ny ran'i Jesosy kristy anie hiaro antsika rehetra
22. bichette ( 19/10/2012 21:10)
ito koa, ancienne illum" http://www.youtube.com/watch?v=XtZCPk3lGKo&feature=related
23. milamm ( 21/10/2012 19:42)
tsy voatery azo inoana avy hatrany aloha zay voalazany andry io fa be ny fanotaniana tsy ahitambaliny maripototra ny voalazany na izany aza mitovitovy @ dama zany lery fa aza...
24. mahafantara ( 22/10/2012 09:18)
Tamin'ny volana Septambra 2012 ny video no nalaina ho famaliana ireo liana.
25. Miharena ( 24/10/2012 04:02)
Raha hiverina kely amin''ny vontoatin"ny fanambarana ao anatin"ireo sary momba an'i Andry ireo dia misy zavatra iray loha izany misy dia ny fanjakan'i Satana eo amin'ny firenena rehetra. Tena manao io voyage astral io daholo izany ny ankamaroan'ny mpitondra eran-tany ary efa ela no nahaizan'izy ireo izany.
Ka mifandray amin'ny politisianina gasy koa io. Samy mahitahita ry zalahy manana andraikitra ao amin'ny fitondrana ao. Dia izay tonga ao dia mahita ilay fomba fanao dia mifikitra arak'izay azo atao, mihevitra fa manana fahefana lehibe mampiasa ireo endrika fiasan'ny astral ireo. Mihevitra fa ambonin'ny olombelona hafa rehetra.

Dia manaonao foana ihany no fiafarany rehefa tonga ny fe-potoana tsy hananana intsony ilay hery nindramina, na ny marimarina kokoa ny hihinanan'ny mahery kokoa noho ny tena toy ny nihinanan'ny tena ny zazakely entina mamoky ny tena.

Izany rehetra izany dia vokatry ny fitaizana ao anaty tahotra ny ho faty. Ny fanitrikitrihna fa nofo ny olona fa tsy fanahy ary mila sakafo nofo. Ny fitodihana any amin'ny zavaboary fa tsy ny Vontoatiny sy ny Loharanony.

Mila mifoha isika hahalala ny zavatra rehetra ka tsy ho voarebireby.


26. pissoa ( 26/10/2012 07:27)
Hita hoa ry Sitlo :D
27. mekana ( 19/12/2012 09:14)
Ity indray ary misy anankiray rehefa tsy mino ny momba an'i Andry ianareo e.
i Tsaratsara. Dahalo iringiriny nantsoin'i Jesoa hitory ny filazan-tsara.
Mandeha tongotra izy mitety an'i Madagasikara, ankehitriny, mitarika ny olona hibebaka, rehefa tsisy manome fiara. Fa tsy maintsy ataony ny asa nanirahana azy.

Izao ilay hoe "Ny adala no antsoin'Andriamanitra hananatra ny hendry rehefa mafy loha izy ireo".







Fantatro fa hieritreritra ianao momba an'ilay fiakanjony. Aza tsaraina @akanjony izy fa ilay hafatra aloha no henoy voalohany.

Ireto ny toriteny talohan'ny fijoroana vavolombelona nataony tao Fianarantsoa izy.
Miala tsiny fa dia harary ny sofin'ny sasany haheno an'io toriteny io.









Anao ny safidy.
28. ngovitra ( 17/01/2013 07:56)
T@ ty janv 2013 ty vao nahita ireo video temoinage n andry reo, za de mitovy hevitra tanteraka @ i stilo (fa lay sarinao icone kosa aloh tsy manjary e!) noho ny antony roa:
---> lazainy daool politika, social, metaphysique, religion, vola, zany hoe tsy hitako zay tena votoatiny
---> ny zvt niainany dia henjana be, ohatra hoe miresaka t@ lucifer, nefa ny fomba fitantarany dia maivana be oh ireny olona mitantara film fotsiny nefa mba intellect ihany raha zany hoe docteur zany izy


29. tsabado ( 30/01/2013 15:48)
Andriamanitra tsa mba azo vazivaziana fa zay afafin'ny olo no jinjainy. Aho tsa afak hitsara hoe iza no marina ary iza no diso . Malalaky ny fanehoankevitra eto amintsika . Mety ho fanaratsiana , mety ho fitadiavam-bola sy dokam-barotry ny antokom-pinoana. Fa zao anay akory tsa bado fa efa ela no nandre ny mikasika ny baiboly. Io teny havoakantsika io ihany no ho entina any am-parany any hitsarana antsika. Ka hoy aho hoe mahandrasa fa mbola tsy hitsara antsika akory ny fitsaran'ny lanitra dia ho hita ny marina rehetra. Tsorina fa i Dama dia anatin'ny fianakaviako , misy olona koa zaodahiko tanankavan' Pst Maihol ary efa loholona anaty io fiangonana io izay tsy ho tononiko eto ny anarany. Zaho aloha dia tsoriko fa mpino tsotra , tsy mahay tsianjery ny baiboly aho fa miaina aminy . Zaho tsy milaza hoe izato na iroa no tena marina fa ny lazaiko dia aza fahanan-dalitra re ny vahoaka e ! Ho avy Dama tsy ho ela ary hiakatra plateau hiaraka amin'ireo ray aman-dreny am-panahy nitaiza azy hanazava ireo fanambarana ireo . Afaka atsoina koa ry Maihol miaraka amin'ireo zaodahiko dia ny tsara dia manatrika eo koa ilay milaza azy ho zanaky Dama io sy izay afa-miakatra dia aleo hifanatrehana hoatr'ireny fandaharana imaso imaso ireny. Zaho tsy apokalipsy fa notazaina anaty ny fjkm ary mbola anatin'izany hatramin'iza0 .Anisany ihany koa aho nanofana chorale na antokom-pihira tanaty ny fpvm satria ny vadiko lasa nivadika any rehefa nisy ny fanenjehana ny fpvm. Raha ny fitoriana an'i Jesosy Kristy ho famonjena ny olona na amin'ny alalan'ny hira na toriteny dia mazoto sy d'accords aho indrindra hoan'ireo zay mbola tany tsy nahafantatra, zaho koa mpamoronkira sy mpitendry hira fiderana an'Andriamanitra. Fa raha ny hitaona ny olona efa anaty valan'Andriamanitra hivoaka ao dia azafady tompoko ! Ekena fa hisy ny mpaminany Sandoka fa JESOSY no toriana fa tsy ny herin'ny anaram-piangonana atsy na aroa . Jesosy dia tsy mbola niova omaly sy anio ary ho mandrakizay. Tandremo fa anay tsabado sy tsahona fa efa ainay tsara io resaka io ary zahay mahay manavaka any anatinay any amin'ny feon'ny fanahy masina sy fieritreretanay hoe izato na iroa no tena làlana marina. Koa mbola averiko fa Andriamanitra tsy azo vazivaziana fa izay afafinao no hojinjainy koa saino ry rahalahy. Ry olombelona o ! fa efa naseho anao izay tsara sy ilain'i Jehovah aminao , dia izao ihany : 1-Ny hanao ny marina , 2- Ho tia famindram-po , 3- Ary ny hanaraka an'Andriamanitra amin'ny fanetren-tena. Koa mihaino ho anareo zay manan-tsofina . Aza mety ho badoina intsony
30. kamisama ( 30/01/2013 19:02)
Tena adala!surdoué io d lasa mvika na kou oe ts mazaka ny zvt fohany!ptdr
31. jobabaiboly ( 11/02/2013 17:13)
sitlo>
Efa nisy ihany nilaza teo ambony teo ka nanasa anao mba ijery baiboly fa saingy ianao namaly an'avona.Asa anga mihevitra mahay noho ny sasany, nefa hita taratra fa tena ory sy mahantra ara-panahy, ary tsy vitan'izay fa feno avonavona fanampiny.Ka ho tanteraka aminao anie ny voalaza ao @ 1 tim 1.20. Aleho ianao ahita sy ho voany dia ho tonga saina ka ibebaka @ farany.AMEN
32. jobabaiboly ( 11/02/2013 17:23)
sitlo>
Efa nisy ihany nilaza teo ambony teo ka nanasa anao mba ijery baiboly fa saingy ianao namaly an'avona.Asa anga mihevitra mahay noho ny sasany, nefa hita taratra fa tena ory sy mahantra ara-panahy, ary tsy vitan'izay fa feno avonavona fanampiny.Ka ho tanteraka aminao anie ny voalaza ao @ 1 tim 1.20. Aleho ianao ahita sy ho voany dia ho tonga saina ka ibebaka @ farany.AMEN
33. fiadanampo ( 04/03/2013 13:34)
Ny ahy fotsiny no somary manitikitika ahy, tsy miteny ny anaran'Jesosy Kristy mihintsy izy (eo amin'ilay traduction fotsiny no misy hoe Jésus)ary tsy mitady ny fanafahan'Jesosy Kristy izy (ilay hany Mpanafaka ny olona amin'ny fahotany) fa mitady fanafahana amin'ny Pasitera (Pasitera tsy mahay manafaka n'iza na iza amin'ny fatotrany sy ny fahotany) ary tsy mahagaga raha tsy tonga izy dia afaka indray mandeha (Jesosy Kristy tamin'ny nanafaka an'ilay lehilahy iray démoniaka, tonga dia afaka teo no ho eo avokoa ny legiona (andiana tafiky ny devoly marobe) rehetra tao amin'ilay lehilahy fa tsy hoe afaka aloha ny sasany dia tamin'ny manaraka indray vao afaka ny sasany) nanitikitika ihany koa teto ny tsy fanononany na dia tenin'Andriamanitra iray akory aza. Maro ny fijoroana vavolombelona efa nataon'ny olona voafatotry ny demonia taloha fa tena milaza tenin'Andriamanitra avokoa ireny olona tena "afaka "ireny satria anie "ny tenin'Andriamanitra ihany (Jesosy kristy) no hany manafaka ny olona é!!!zaho manokana aloha tsy milaza hoe tena marina iny fijoroana vavolombelona iny na diso fa zavatra tsikaritro tao anatin'ilay reportages teo fotsiny no lazaiko!!!!ary tiako ampiana ihany koa hoe 'ny devoly mahay manao fahagagana, manao marimaritra iraisana ry zareo samy zareo!!!fa tsy afaka manao marimaritra iraisana amin'i Jesosy Kristy kosa anefa!!!hainy devoly ny mody mampangina ny tafiny mba ho entina hamitahina olona satria asany mihintsy io mamitaka olona io!!!ny fahagagana tsy hain'devoly ary tsy mety ho hainy dia ny manova fon'olona kanefa ny tenin'Andriamanitra mampitandrina antsika hatrany hoe "aza maika hanao hoe zava-masina ity" Jesosy Kristy tsy manaratsy an'iza na iza ary Jesosy rehefa manamarina zavatra n atranga iray dia tsy maintsy amin'ny alalan'ny teniny no entiny hanamarinana iny fa tsy amin'ny fahalalana be fahatany fotsiny na amin'ny alalan'ny fifandrifian-javatra!!!aza mora fitahina ary izahao toetra ny fanahy rehetra hoy ny tenin'Andriamanitra ary Jesosy rehefa miteny na manao zavatra dia amin'ny alalan'ny Teniny no hanehoany izany!!!!
34. mchi86 ( 08/03/2013 17:31)

[quote=sitlo]
Vao maika izany manaporofo fa fampiesonana no betsaka.
[/quote=mchi86]
lu!MARO NO MSEO AZY MAHAVITA FA MBOLA MAHERY ANDRIAMANITRA ! Tsisy tsy vitany
35. coleman ( 09/03/2013 09:41)
Ny mampalahelo dia ity:ny tarika mahaleo izay tarika malaza indrindra sy manana ny maha izy azy eto an-tanana no manjary voaloto noho ny adalan'ny mpikambana 1 ao anatin'ny tarika (dama io)!!
Ka tokony ho azy irery ihany ny tsiny ary raha ilaina dia tokony asorina ao @tarika mihintsy ingahy rainy io fa manala-baraka!
36. Eudes ( 10/03/2013 20:21)
quote:tepaha
Raha ny tenako manokana de mino tanteraka ny toroteny sy ny fijorona vavolombelona izay nataony Andriamatoa TSARATSARA, Gaga mantsy ny tenako raha naheno fa lasa Pasitera mr TSARATSARA,fantatray lotra ny fisiny na ny zavabitany fony izahay nipetraka tany Miandrivazo,Raha tsy diso ny fitadidiko dia efa niara nanao moraingy taminay koa izy no sady nifandray ho mpihavana ara-pombandrazana t@ny anadahiny reniko, idraindray aza dia mody ao koa izy rehefa tratra hariva fodiana iny.Tsy hitantara ny efa voalazany anefa no tena antony nidirako fa hanohana ny hevitra entiny sy ny hafats'Andriamanitra taminy.
Marina fa betsaka ny milaza fa nahita izatsy sy aroa ,fa tsotra ny hafatra sy ny teny omeko anareo namana izay mahita izao message izao.
Tsara ny manaraka ny hafatra avy @ Mr TSARATSARA izay milaza marina ny hevitr'Andriamanitra, fa izay no mety havoavonjy antsika izay mbola manana fisalasalana na koa minia tsy hanaraka ny sitrapon'andriamanitra.
Mety ratsy @ sasany ny mijery ny fomba fitafiny izay tsy mitovy @ ireo mpitandrina fahita mahazatra. Fa ny azo atao angamba dia ny manampy azy mba hahavitany ny asa amanan'draikitra izay nomen'i Tompo Andriamanitra azy.
Ny hitako eto aloha :dia ny herin'Andriamanitra no manampy betraka azy, fa ny lehilahy izay resahina etsy ambony de tsy mahay traratasy ary tsy nahita fianarana raha tsy tany @EPP angamba raha ny fitadidinay.
Sarotra ho any olona tsy nianatra mantsy ny manao ny asa fitoriana ka mivavaka ho azy isika sao dia araraotiny sasany ny fisiany,Tena Andriamanitra no maniraka azy ka mety ho betsaka ny mpanararaotra.
Tena afaka izy ary azo inona ihany koa ny lazainy satria raha ny zavatra efa nataony sy niainany dia heloka ngeza dia ngeza mihoatra lavitra noho izay efa nataonao izy mijery sy mihaino ahy io.
Tena tia antsika tokoa Andriamanitra,izany ara Tsarasara mbola nomeny fitokisana vaomaika ianao.
Tsara ny mivavaka ry namako ary mibebaha fa izay no lalana, tsy manary anao ny Tompo.
Raha manoratra ity ny tenako dia mangataka anareo koa mba hivavaka ho ahy sy ny namako fa mbola betsaka ny tsy vonona hiala @ mahazatra anisan'izany ny fiainana izay efa nilaozay tsaratsara.

Anao ny safidy.
37. mimichah ( 14/03/2013 13:57)
Izao no atao hoe fanosoram-potaka ny anaran'olona an-kitsirano izao. Asa loatra izay mba ho tombotsoan'izay sahy manala baraka olona amin'ny tsy marina hoatr'izao fa tena tsapa izao fa dia tena miha mivarin ambany dia ambany ny toe-tsaintsika malagasy. Nahoana re raha samy miaina ny fiainany fa tsy manao hadalana hoatr'izao ato fotsiny a? Ho an'izay miteniteny foana ny amin'ny hoe décoration-ny tarika Mahaleo na Ricky sy ny tariny dia izao fotsiny hoe fantaro aloha hoe inona no niraisan'izy ireo. Raha tsy hay izay dia aza mandany andro manoso-potaka azy ireo fa tsy hanena ny androm-piainany akory izany na ny lazany!Ezaho fantarina ny atao hoe siansa mandinika fiaraha-monina na ny hoe sociologie dia ho voavaly daholo ny fanontaniana adaladala mipetraka ato. En plus, raha manana finoana marina, mipetraka tsara sy mafy orina ianareo tsy tokony ho voahozongozon'ny tsaho tahak'itony. Fa sady manakivy ny hafa ianareo no manary ny fanahinareo ho an'ny amin'ny helo noho ny fanenjehana ataonareo amin'ny olona tsy mendrika izany.
38. mimichah ( 14/03/2013 13:58)
Izao no atao hoe fanosoram-potaka ny anaran'olona an-kitsirano izao. Asa loatra izay mba ho tombotsoan'izay sahy manala baraka olona amin'ny tsy marina hoatr'izao fa tena tsapa izao fa dia tena miha mivarin ambany dia ambany ny toe-tsaintsika malagasy. Nahoana re raha samy miaina ny fiainany fa tsy manao hadalana hoatr'izao ato fotsiny a? Ho an'izay miteniteny foana ny amin'ny hoe décoration-ny tarika Mahaleo na Ricky sy ny tariny dia izao fotsiny hoe fantaro aloha hoe inona no niraisan'izy ireo. Raha tsy hay izay dia aza mandany andro manoso-potaka azy ireo fa tsy hanena ny androm-piainany akory izany na ny lazany!Ezaho fantarina ny atao hoe siansa mandinika fiaraha-monina na ny hoe sociologie dia ho voavaly daholo ny fanontaniana adaladala mipetraka ato. En plus, raha manana finoana marina, mipetraka tsara sy mafy orina ianareo tsy tokony ho voahozongozon'ny tsaho tahak'itony. Fa sady manakivy ny hafa ianareo no manary ny fanahinareo ho an'ny amin'ny helo noho ny fanenjehana ataonareo amin'ny olona tsy mendrika izany.
39. mimichah ( 14/03/2013 14:08)
Izao koa no fantaro, ny zanak'i Dama dia Maharo no anarany fa tsy Andry-nareo izany!Nentiny nanaporofoana izany ny niarahany nihira tamin'nio zanany io tamin'ny fampisehoan'izareo tao amin'ny palais farany teo. Dia tena hitanay tokoa fa tsy io Andry io ilay izy. Mety hisy hiteny hoe olon-kafa nasolo azy izany dia izao fotsiny no avaliko azy hoe misy foana ny teboka tsy maintsy hiraisan'ny mpianaka, hitanay sy tsapanay ary azonay antoka ny maha-zanany an'ilay Maharo niara-nihira taminy sy ny tsy mahazanany an'ity Andry ity fa anjaranareo ny mamantatra izany.
40. radarta ( 15/03/2013 14:31)
radarta:

Ny azo tenenina dia mivika tanteraka ra-Andry, tsy misy iray izay logique ny zavatra lazainy, ra mandinika sy manaraka ary mamakafaka izay lazainy ianareo dia mifanohitra ny zavatra lazainy. Ny tanjony eto dia te anindraindra ilay antoko-pivavahana iresahany io ary manaratsy ny hafa fotsiny.
MAMPALAHELO
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2979