ahoana ny atao

1. pizza ( 04/10/2012 11:04)
ny vadiko de saropiaro be ka na ny namany na ny zandriny no miresaka amiko de tezitra izy.
novalian'i tiris8786 ny 20/03/2015 18:06
2. manoasoa ( 04/10/2012 13:46)
Omeo toky fotsiny izy e!tsy andao azy ianao inona hitranga inona midona
3. andrywui ( 05/10/2012 08:14)

manoasoa:

Omeo toky fotsiny izy e!tsy andao azy ianao inona hitranga inona midona


Eny ka n'a omena toky aza ane tsy any n'y olana fa le entana aodin'ny be sandry e ,
Norma be n'y andramose anao ry madama à , sady misy ko n'y joba sasany tsy miraty kofa zany fa vo hena de homana foana e , mailo be le vadinao ,marnabe izy , vizanin'ny oul fotsn any ve nenah ??za nefa reraka nanatavy !!!
4. Lars ( 05/10/2012 09:13)
Sô d kosa ary ry pizza efa nisy faux pas nahatrarany anao a? Sà ve mbola mpisipa fotsiny ianareo dia efa toetrany izany? Marina fa ny tiana no mahasaropiaro fa refa trop ôtrzany misy antony ao
5. andrywui ( 05/10/2012 09:22)
Sady jereo ary zan izy oe PIZZA ...tonga zan de matsiro be ,, normal ra mailo be ramse hihuhihuhu
Tsy atokisana zany n joba refa misy okazz izy fa tonga d miainga fona e mety ef manana expérience le ramse anao ..
Mofo io baba ozy ee
N'y bandy sasany ko ts nirara ze omby tany oany f mihinana maizina ao refa oe kaly io ko ....
6. lalariss ( 10/10/2012 06:09)
Ka ny tena loza ange ry Pizza de hiafara am famoana io refa tena trop ka tsy zakany intsony e;marary mafy mantsy ny saina mieritreritra anao sady lasa mamorona zvt bdb ao an-tsainy ao izy e.Omeo toky izy porofoy aminy fa izy irery no tinao de milamina io merci
7. BRIOCHE ( 10/10/2012 13:53)
Ka io na omena toky na tsia refa sendra izay lehilahy saro-piaro izay tena mijaly ka, arakaraka ny anomezanao toky azy vao maika izy tsy mino anao, ento milamina fotsiny e, aza tezerana izy fa tambatambazo hatrany fa tsy hiala aminao ny fony de efa tsara na saro-piaro aza izy e!
8. hadji ( 10/10/2012 14:44)
adala izay tsy tia ny azy ka tsy ho saropiaro e nefa raha diso tafahoatra indray manahirana
9. moustaraf ( 14/10/2012 14:47)
Salama namana,
lehilahy izaho izay miresaka, fa io hasarotam-piaro diso tafahoatra io dia ARETINA fa tsy toetra mora ovana akory;
Kelikely eo dia izao ny zavatra hitranga:
-Ho sarotiny @ namanao rehetra izy : mpiara-miasa, mpiara-mianatra taloha, mpiray tanana fahazaza,.... dikany: tsy avelany hanana namana intsony ianao kelikely eo
-Amin'ny fihainoana hira sy fijerena film; hany ka na vaovao an-tsary aza dia miteraka olana,
-Amin'ny fijerinao dia hiavin'ny olana, ka tsy hahazo hijery mihoatra ny 1m anoloana ianao, satria heveriny fa mangala-pijery olon-kafa foana,
-Sns....
Averiko indray fa ARETINA sarotra tsaboiny indrindra io , Ka na izy tompo-tena aza tsy manaiky atao hoe Marary, fa ianao mizaka azy no mijaly mafy.
Raha mbola tsy niteraka dia, hoy aho hoe Maka herin-tsaina hisarahanao aminy, fa raha efa misy zaza kosa dia ataovy ny fialana nenina, fa ny zaza ajanony kely aloha.
BON COURAGE
10. Ratoa ( 29/10/2012 22:50)
tena mitovy hevitra amin'i moustaraf aho.
Ny olona tsy mahatoky ny hafa dia tsy mahatoky tena ka samy tsy itokiany na ianao na ny havana sy namana. Ny hiafaran'io dia tsy hahazo mifanerasera amin'iza na iza ianao, na dia ny reninao aza.
Ny zava-kinendriny dia ny hangeja anao tanteraka ka tsy haleo tena intsony. Marary izy anefa tsy adala na dia izany aza, fa tiana tena be.
Rehefa tonga ny andro tsy haleovanao tena intsony dia hilaozany ianao. Ka ny mety dia ny miala dieny tsy mbola misy maratra indrinda raha mbola tsy misy zanaka iombonana.
mahareza!
11. booboo ( 30/10/2012 13:59)
Bon courage tokoa. Ataovy matanjaka be ny saina hialana tao. Rehefa kelikely koa tsy ny olona manodidina anao no ho feheziny fa ny maha Olona anao mihitsy no hataony araka izay tiany : akanjo ohatra² izao no hanaovana, kaly izao fatra ihany no mahazo hanina, izy ihany no mahazo mitatam-bola, na ny rivotra iainanao aza ho feheziny ho ny anaty rindrin'efatry ny tranonareo ihany, ny zavatra mahazo teneninao sy ny sisa marobe.
Miombon-kevitra @ Moustaraf sy Ratoa koa aho.
12. sipagasy ( 06/11/2012 18:29)
mmhhh dia raharahaa tokoa izany fa dia mahereza e!!!!! ny mety angamba amiko dia ny misintaka aminy fa aiza koa no hisy olona hamehy olona nefa samy mpivady izao???,
13. BRIOCHE ( 07/11/2012 04:26)

Tsy fitiavana amiko ny fahasarotam-piaro be loatra e! gejainao fotsiny ilay olona tinao, avelao izy hivelatra, fa tsy midika akory izany fa tsy manaja anao izy, raha izaho aloha no tratran'izany de aleoko misaraka haingana.
14. BRIOCHE ( 07/11/2012 04:26)

Tsy fitiavana amiko ny fahasarotam-piaro be loatra e! gejainao fotsiny ilay olona tinao, avelao izy hivelatra, fa tsy midika akory izany fa tsy manaja anao izy, raha izaho aloha no tratran'izany de aleoko misaraka haingana.
15. tiavanafi ( 10/11/2012 08:40)
-
misy koa angé ny olona tsy tiany ianao raha tsy saropiaro aminy é ! ( za koa indrayndray saropiaro kely an )

ny vadiko koa t@ voalohany saika nanao anizany dia efa saika niafara t@ famonoana mihintsy
aza , ny vadiko mantsy frantsay ! efa zatra an-ty vehivavy gasy mitady ny andehanana aty
france fotsiny de misaraka ry zareo dia efa tsy mahatoky intsony sarotra be mihintsy ny
hanomé toky anireo hoe tia azy ianao, zay no nahatonga ny asaron-tampiaro bé ny vadiko.

torohevitra kely ho an'io namana manana vady saro_piaro io
za aloha tsy miteny mihintsy hoe misaraha @ satria ny lehilahy rehetra misy kilema daholo an !
omeo toky isan'andro aza reraka, dia aza manaiky gejagejainy zany iresaho izay olona tianao resahana na eo aza izy na mimenomenona tahakan'inona , tambatambazo izy avieo raha itanao fa mampilamina azy zany fa misy koa anie ny vady tsy tia tambatambaziny é raha tambatambazinao izy vao maika manadary dia ianao ihany no mahalala ny vadinao sy ny fandaminanao azy rehefa mihetsika ny aretiny. tena aretina mihintsy io rehefa tafahotra ary miteraka zavatra maro. tsy ny vadiny ihany koa indraindray fa misy na dia ny namany aza ; @ olna rehetra ankaiky azy dia maha jaloux azy. mahereza
16. tiris8786 ( 20/03/2015 18:06)
ka efa aretina io dia manahirana. arakaraka ny nanabeazana azy koa. arakaraka izay hitany hatramin'ny mbola kely koa. maro ny antony fa mahandreraka sy mankaleo rehefa tena be loatra. ny ahy koa torak'izany sady tsy tia mifanerasera aman'olona fa amin'ny iray tampo aminy kosa aloha tsy maninona e fa raha olona ankoatran'ny havana dia efa raikitra ny enquête be
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5364