ilaina ve ny fianarana @ ecole expression française?

1. tineh ( 26/09/2012 06:45)
Moa ve tena ilaina ny fampianarana zaza any @ expression française? sao dia ho hadino ny kolontsaina malagasy e? Tsy mety ve raha ao antrano fotsiny izy no zarina miteny dia vita toy izay handaniana vola be sady amiko izany dia mbola midika fa mbola voazanak'i Frantsa isika e! Sa ahoana?
novalian'i ZAKAIOSY ny 06/08/2013 17:31
2. manoasoa ( 26/09/2012 07:18)
Tsy ilay hoe ilaina na tsy ilaina no tokony ho fanontaniaina mipetraka satria na EPP dia na ecole privee izay ecole expression francaise avokoa no misy.Tsy ho antonona mantsy ny sekoly raha hianatra ao EPP avokoa ny ankizy rehetra.

Sa misy ecole privee tsy expression francaise?izay indray aloha tsy aiko an!
3. tineh ( 26/09/2012 09:35)

manoasoa:

Tsy ilay hoe ilaina na tsy ilaina no tokony ho fanontaniaina mipetraka satria na EPP dia na ecole privee izay ecole expression francaise avokoa no misy.Tsy ho antonona mantsy ny sekoly raha hianatra ao EPP avokoa ny ankizy rehetra.

Sa misy ecole privee tsy expression francaise?izay indray aloha tsy aiko an!


Cas n'Antananarivo manokana no jerenao fa ny ahy @ ankapobeany, Raha ny aty @ faritra dia vitsy ny expression française nefa dia ifandrombahan'ny manambola nefa miankina @ tsirairay ihany io e
4. Lars ( 26/09/2012 12:00)
Kaiz r tineh a! Az esana sain b lôtra ny @zany fa na le pont io na la pont tatezana fôna no dikan zany e! Okay
5. welie ( 26/09/2012 14:36)
Raha ny eritretitro dia ilaina tokoa io indrindra raha toa ka hanohy fianarana eny Ankatso ohatra avy eo satria ny eny dia @ teny frantsay avokoa (eny fa na ny fianarana ny teny malagasy aza!). Mampalahelo anie ny mahita mpianatra hiditra eny Ankatso tsy mahay na mi-conjuquer verbe étre au présent nefa ny fianarana (cours) @ teny frantsay avokoa e!
Raha hoe ny ao antrano dia ampy, tsy maika ve ho hafahafa be hoe ao trano miteny frantsay dia any ampianarana miteny gasy?
Asa aloha e!
Sady ny fahaizana teny vahiny anie mba mampisokatra ny tena ho @ kolon-tsaina hafa e! tsy afaka ny hanakipy maso sy hanapi-tsofina akory isika satria efa hita ao @ kolon-tsaina malagasy fa manana toerana ny teny frantsay... (télé, radio...)
tsy midika akory hoe ambaniana ny teny malagasy (na ny école d'expression française aza ataoko ty fa mampianatra teny malagasy koa!)....
io ilay hoe 'Andrianiko ny teniko, ny an'ny hafa koa feheziko!"...

6. hery ( 28/09/2012 22:21)
Amiko raha misy ny fahafaha-manao, manam-bola kely dia tsara mihitsy ilay izy. Toa ny zavatra tsara rehetra ampianarinao ny zanakao ihany. Tsy voatery frantsay fotsiny koa anefa fa afaka manao anglisy sns.

Ny zanaky ny sasany anie amin'izao rehefa mba manamanana kely izy dia asainy manao mozika, sports ankoatry ny frantsay sy informatika e.
7. Charoumeni ( 11/10/2012 12:51)
Efa niainako ny trai-kefa amin'ny fianarana atao @ teny malagasy ary efa nahita ihany koa ny trai-kefan'ny zaza malagasy mianatra any @ "expression française". Inona nefa no olana ka nahatonga ny olona mampianatra ny zanany any @ ireny sekoly ireny? Ny ankamaroany angamba dia ireo efa nahita ny lafy ratsin'ilay hoe "fanagasiana" taorian'ny 1972. Ary araka ny tenin'ny namana iray hoe, teny frantsay daholo ny eny amin'ny ambaratonga ambony dia sahirana rehefa mianatra eny. Ny tenako dia tafiditra tao anatin'ilay hoe génération sacrifiée mihitsy. Sarotra ny hilaza hoe ilaina sa tsy ilaina satria ny zavatra rehetra misy lafy tsarany sy lafy tsarany ary moa ve tena mahavaha olana tanteraka tokoa?
Raha ampianarina any @ sekoly miteny frantsay dia mety hoe mahay teny frantsay tokoa ilay ankizy mivoaka avy ao, fa tsy mahay manoratra ary zary lasa teny frantsay sadasada aza, ny teny gasy koa zara raha voafehy ary indrindra tsy mahatsapa intsony ny maha-malagasy azy. Nisy ankizy izay nilaza tamiko fa tsy mahay mamoaka hevitra @ teny malagasy hono....Nalahelo aho nahare izany teniny izany nanao hoe....fa dia nahoana loatra.....? Miala tsiny aho raha misy tompona sekoly miteny frantsay mamaky ity lahatsoratra ity fa izay no zavatra hitako.
Ny hevitro dia izao, tsy maninona na tsy ampianarina any @ireny sekoly ireny aza ny ankizy fa atao fotsiny izay hahafehezany teny vahiny.



8. sitlo ( 23/10/2012 01:29)
Ilaina ve ny fianarana @ ecole expression française?
azo iadiana hevitra

Ilaina ve ny mahay teny frantsay?
eny

Misy fomba hafa ve ahaizana teny frantsay nefa tsy mankany amin'ny ecole expression française?
eny: manao cours

Ilaina ianarana ve ny teny malagasy sa hay ho azy?
arakaraky ny halalin'ny fahalalana tadiavina

Inona no tombotsoa amin'ny fampianarana amin'ny teny malagasy?
Vao teraka ny zaza dia efa mianatra fa tsy rehefa mankany an-tsekoly. Ny sekoly dia fanohizana ny zavatra nianarany.
Eo amin'ny fahaizana mandinika no tena fahasamy hafan'ireo fampianarana roa ireo. (raisintsika hoe teny gasy no nahabada an'ilay zaza, "langue maternelle").
Raha mianatra amin'ny teny gasy ilay zaza dia hahatakatra ny hevitra tian'ny mpanoratra hotenenina, hahay hanisa teny... Raha amin'ny teny frantsay kosa dia any amin'ny fandikan-teny ny eritreritra.
Jereo tsara ny boky ampiasain'ny malagasy hianarana teny frantsay fa tsy tena misy "morale' firy. Ampitahao ohatra ny "A toi de parler" sy ny "Tatelin-jaza".

Fa izao kosa, raha tena mahay kilalaon-teny amin'ny teny frantsay ny mpampianatra dia ho tafita ao an-tsain'ilay zaza ihany ny rafitra ao anatin'ny teny.

Raha mila hanao fanadihadiana dia mamakia boky momba ny "linguistique" sy ny fampianarana amin'ny teny faharoa. Maro ny boky efa nosoratana momba an'io indrindra fa nosoratan'ny amerikanina noho izy maro mifangaro. Ny sinoa amerikanina ho anisan'ny tena mahay mampianatra ny zanany amin'ny 2eme langue, fa maro koa ireo miteny espaniol mianatra amin'ny teny anglisy no nanoratra boky.
9. sipagasy ( 06/11/2012 18:19)
Izaho koa dia manamafy izay voalaza eo ambony eo, raha misy ny ho enti-manana dia aleo ampianarina zavatra hafa ankoatran'ny fianarany andavan'andro ny ankizy, hilainy ihany iny rehefa any aoriana any
10. chantrire ( 02/01/2013 08:26)
Na amin' ny teny malagasy na amin' ny teny frantsay dia ilaina ny fahaizana mahafehy ireo teny ireo rehefa hianatra. Aza adino koa fa efa misy koa izao raha tsy diso aho ny efa mampianatra amin'ny teny anglisy na dia azo lazaina hoe sarotra aza izany kanefa raha te handroso dia ilaina ny fianarana @école expression française.
11. Nehemiah ( 02/01/2013 08:47)
Celui qui ne connaît pas une langue étrangère ne connaît pas la sienne

Goethe
12. ZAKAIOSY ( 06/08/2013 17:31)
Amiko dia misy olana goavana tokony hovahana mikasika ny fampianarana ka raha voavaha izany dia tsy ilaina apetraka io fanontaniana io. Satria ny rafitra sy ny fototry ny fampianarana mihitsy no tokony hatsaraina, raha tsy hiteny afa-tsy ny fahaizan'ny mpampianatra, moa ve mahay tsara ny teny frantsay ireny mpampianatra @ sekoly miteny frantsay ireny ? TSIA ny ankamaroany. Moa ve mahay mampianatra tsara daholo ny mpampianatra rehetra ? TSIA ny ankamaroany, ahoana no ahasahianao miteny izany hoy ianareo ? Iza moa no lasa mpampianatra eto amintsika ? VALINY : Ireo tsy mahita asa, ireo very asa, rehefa tsy hita izay atao dia aleo mba "mampianampiantra eny e, mba mandray vola kely". Ny tenako dia nianatra tao anatin'ny taonan'ny fanagasiana (T1-T9 : 1974-1982), miara-miasa @'ireo ankizy nianatra t@ Sekoly "Expression française" ary miara-miasa @ frantsay, dia sahiko ny milaza fa vereziko lavitra ny ankamaroan'ireo ankizy ireo raha teny frantsay, indrindra ny manoratra, ny teny malagasy moa dia aoka fotsiny, sekoly Katolika no nianarako, fa nanana traikefa ny sekoly sy ny mpampianatra...Sahiko ny milaza fa anisan'ny manimba ny firenena ankehitriny io resaka fampianarana @ teny sadasada io, raha ny fahaizana teny frantsay no mampandroso dia ny afrikana (oh Congo) no lasa lavitra mitovy @ France satria mbola tsy any an-tsekoly ny zaza dia efa miteny frantsay DAHOLO, dia tsy mahagaga raha manjaka @ harenany i Frantsa, sa izay koa ve no ilaintsika, omeny antsika ny teniny dia alainy ny harenantsika ?...Mbola hitohy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2486