Fanadinana bakalaorea

1. LazaDaddy ( 27/06/2012 23:51)
Mampalahelo ny manjo ireo zanaka sy zandrintsika ao amin'ny taona famaranana satria dia tsinotsiniavina ny ho aviny amin'ny fanatanterahana ny fanadinana bakalaorea.

Raha tsy ireo milaza azy ho tompon'andraikitra ankehitriny tsy mbola nisy nampanao fanadinana ankizy marobe izay tsy manana taratasy fiantsoana akory. Betsaka koa izy ireny no tsy mahay intsony hoe aiza ny taranja fanatanjahan-tena no tokony ataony; satria tsy nomena azy ny sehatra tao Mahamasina noho ny fanaovan'ireo vahiny matso tamin'ny fiara vorom-by antitra.

Misy ilay fitenin-dry zareo angilisy izay manao hoe "you cannot lead anyone to where you haven't been to". Koa raha olona tsy manana bakalaorea tokoa ve ho azo ianteherana amin'ny fampianarana ny zana-tsika amin'ny ambaratonga ambony? Sanatria sahala amin'ny hoe olona mamo lava no manamory fiaramanidina, na koa olona ratsy taiza no mananatra. Indrisy fa mikorosy fahana ny fanabeazana ireo tanora ankehitriny. Notezaina tamin'ny fitiavam-bola sy fifandaniana ary fankahalana olona izy ireny ka tsy manana tarigetra voasoritra mazava eo amin'ny fiainana.
novalian'i Hagg ny 29/06/2012 06:26
2. tsipolitra ( 28/06/2012 07:09)
ka tsy laharampahamehana ho an'ny mpitondra ny sehatry ny fanabeazana
3. Hagg ( 29/06/2012 06:26)
Eeeee! indrisy fa tsy tokony hahagaga intsony izany...fa de zany hoe rehefa mbola haritra alo dia iaretana iany e! Sao de lazain'ny olona hoe tsy mahari-pery eo....lol
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1504