Mba omeo fomba fanaovana lasopy tongotr'omby! merci !!!

1. vale ( 31/05/2012 16:13)
Miarahaba ny rehetra,

mba mahita tongotr'omby amidin'ireny vahiny tavaratra ireny hoà za eto paris, dia tonga dia milendalenda be te hihinana lasopy, ny olako anefa dia tsy haiko ny fahandro azy, ka mba mangataka fanaovana lasopy tongotr'omby izay mba afaka manome an'io recette io azafady indrindra -_^ ...misaotra betsaka mialoha ô!!!
2. menalamba ( 01/06/2012 07:28)
Miarahaba anao . Mila vilany kôkôty minitra aloha ny fanaovako azy , satria sady haingana dia malemy ilay tongotro'mby no tsy mandany afo . Asaivo tsofainy roa ireo tongotr'omby rehefa any @ mpivarotra aloha fa tsy omby vilany . Avy dia arotsaka ao anaty vilany miaraka ny tongotr'omby , voatabia 2 voatetika, oignons 2 voatetika , tongolo gasy , pioreaux tapahana madinika , karaoty 4 notetehana boribory kely , haricot vert voatapaka fohy, ovy 4 nozaraina roa , sira . Aza asiana menaka , fa mivoaka menaka hoazy le tongotr'omby , sao mahamonamonaina . Asiana rano mandifitra azy amzay . Hidiana amzay lé vilany kôkôty minitra , atao afo faran-zé mafy aloha , rehefa manomboka mitsifotra lé miodinkodina iny dia ampidinina eo @ antsasany ny afo . Afaka 1h sokafana , tsapaina raha malemy ny hena sy ny légioma , raha mbola mafy dia ampiana rano kely de hidiana indray dia ketrehina 30mn . Efa manitra lé zavatra eo dia homano ny sakay . Haaannn ! misy levona mintsy refaveo eo ambony latabatra .
Zay ary fa dia mazotoa homana
3. vale ( 01/06/2012 08:00)
Bonjour Menalamba! :-)

misaotra betsaka fa tena mazava tsara sady nahazo recette aho, anio ihany aho dia andeha hividy, hihihihi... yé, ny sakay koa tsy adino aannn! miam! mitelin-drora sahady aho izany, lol, merci Menalamba.
4. mirananirina ( 01/06/2012 09:20)
Vale,feno tongotr'omby anefa eny an-tsena rht eny,sady madio tsara tonga dia azo andrahoana,izaho moa tsy mahandro izy ireny fa tsy mihinana tongotra sy lohan-javatra ny ato an-trano,nefa aho mankafy azy ireny!!Sady mora no matsiro snif!
5. menalamba ( 01/06/2012 09:50)
Anontanio tsara rehefa mividy ilay tongotr'omby , fa raha veau ilay izy dia 1H eo ihany dia masaka , fa raha tsy izany dia potika ambamin'ny taolany raha ela loatra , tsisy tsentsefina tsony le taolany refaveo. Afaka ampianao céleri koa ireo fangarony , mampamanitra tsara lé zavatra .
Ny ahy afangaroko tendons amidy any @ sinoa le tongony , sady tsy lafo io fa 1,15€ ny kilao .Mivoara-tsemboka mintsy minana azy an , mazotoa é
6. mirananirina ( 02/06/2012 16:03)
izaho zany te hihinana tongokisoa sy tsaramaso na lasopy tongotr'omby!!
7. dadabe ( 02/06/2012 16:09)
vale :zah mahay manao lasopy tongotr'omby special ho anao
8. menalamba ( 03/06/2012 07:04)
Lasopy soucril sy vavan'omby vé lay special dadabe ?
9. vale ( 30/06/2012 09:08)
menalamba: hihihihihihihi, ngambany!!!

Misaotra betsaka @ toro-hevitra e!!! ^____^
10. dadabe ( 01/07/2012 14:17)
non ka ny anay sy vale lasoupe hafa kely...tsy soukril fa (.......sekire an....) + tsaramaso kely + voatabia+ yaourt + sakamalao haninay sy vale dia mbola plus bisous sy saosisy bobaka beu

sa ahoana vale ?
11. dadabe ( 05/07/2012 00:55)
ao ny lasoupen i vale hohaniko
12. vale ( 21/07/2012 23:20)
Tssss! mirediredy indray i Dadabe, aza miteniteny foana hoà fa tsy mety izany!!!
13. dadabe ( 09/08/2012 08:58)
Vale aaaaaaaa...serieu anie zagny e


roky a re tsa tehiadana ?
14. ratanty ( 21/08/2012 11:07)
Le lasopin'i vale sy dadabe kosa rangah az atao eto fa any @takelaka hafa atao an! manjary mahamonamonaina fa aleo le tena recette-na sakafo no lazaina eto; de misaotra t@le torohevitra fa @zao andro mangatsiaka zao tena ilain'ny vatana tokoa ny lasopy indrindra fa ny lasopy tongotr'omby sady ny menaka avy @io tongotr'omby io nge ono ry zareo tena fanafody mahasoa be e? tsy tadidiko leizy fa nisy ol maro nahenoko an'izany; zay fa mazotoa daolo mihinana lasopy tena izy e!
15. vale ( 21/08/2012 16:18)
ratanty: slt! hihihi, i dadabe ve moa hahagaga fa efa tenenina foana amin'io miteniteny foana io fa e!e!e aza mihaino ny izay lazainy hoà!
tena ilaina mintsy anie ny mihinana lasopy rehefa mafana e, tena marina tokoa izany ratanty a, dia efa reo ny re7 de mazotoa eee! ^_-
16. hadji ( 22/08/2012 03:28)
masaka ihany ve le lasopy ?
17. dadabe ( 03/09/2012 02:36)
izy aza ef fahanako gilasy d sesefako dessert ato ko
18. hadji ( 06/09/2012 05:32)
DIA LANINY DAHOLO VE LEAZA
19. babare9 ( 22/01/2013 19:40)
Mba nitady tongotr'omby teto France aho, hatraiza hatraiza fa tsy nahita, nefa sakafo mba tena tiako io an, sa ny vazaha tsy mihinana tongotr'omby?
20. tantaramanga ( 03/02/2013 05:52)

babare9:

Mba nitady tongotr'omby teto France aho, hatraiza hatraiza fa tsy nahita, nefa sakafo mba tena tiako io an, sa ny vazaha tsy mihinana tongotr'omby?


Feno eny @ tavaratra, tsy aiko aiza ianao eto frantsa!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4319