You are here: home > Forum

Scootera

Lohahevitra : Fiarakodia
Fitohizan'ny hafatra : Scootera
Valiny : 4
pulm - 10/03/2012 06:56
Saika mba anotany kely hoe: inona ka no maha samihafa ny 2t sy ny 4t ividy scootera manko za nefa tsy mahalala ny maha samy hafa an'ireo, dia inona no tombotsoan'ny 2t? sy ny 4t?
Valio | Miverina eny ambony
p106 - 11/03/2012 07:25
salama, valiako arak'izay kely fanatro ianao:
ny 2t dia motera tsotra sy mora karakaraina, tsy misy afatsy segment sy piston aoa anaty motera, ny menaka dia may avy hatrany miaraka amin'ny lasantsy, tena tsy mety aminy ny mandeha tsy misy menaka, mailaka kokoa izy raha lalana fohifohy, somary mandany lasantsy kokoa nonho ny 4t.

ny 4t indray dia motera efa mitovitovy amin'ny motera fiara, sarotra kokoa ny mikitikitika azy, maro kojakoja ao anatiny:soupape, arbr a came, chaine etc...ny tombony dia mateza kokoa izy ary tsy dia mila kitihina matetika raha mbola tsara fa mila manao vidange fotsiny isaky ny mahavita 1000km eo, fa raha ividy 4t dia aleo motera lehibebe tsy latsaky ny 100cm3,

Anao ny safidy
Valio | Miverina eny ambony
pulm - 12/03/2012 06:01
Misaotra @ torohevitra, de inona kay zany no tsara 2t? sa 4t? azafady a!
Valio | Miverina eny ambony
p106 - 20/03/2012 05:45
salama, miala tsiny fa tara kely aho, 4t yamaha vidiana fa io no tsara kokoa indrindra amin'zao essence lafo izao
Valio | Miverina eny ambony
pulm - 20/03/2012 06:39
misaotra anao @ torohevitra
Valio | Miverina eny ambony