vinavina oscar 2012 - efa tonga any madagasikara ve ny sasantsasany amin'ireo sarimihetsika mety hahazo???

1. kooool4 ( 04/12/2011 04:47)
Ho avy indray izao ny 'cérémonie des oscars' ho antsika mpankafy sarimihetsika ka mba iza re no vinavina e? Meilleur film, meilleur réalisateur, meilleurs acteur et actrice sns....

Izahay eto frantsa somary taraiky satria maro ny film ao anatin'ny favoris tsy mivoaka raha tsy@2012 nefa efa nivoaka tany EU ka asa isika any Madagasikara.

Izaho mbola tsy manana vinavina raikitra raha tsy hitako ny film sasany favori tahaka ny 'War horse' na 'The Descendants' fa hatr@zao aloha dia 'the artist' no favori, 'the tree of life' mandiso fanantenana.

T@ 2011 aloha dia diso mihitsy ny vinavinako satria izaho naka 'inception' nefa 'the king's speech' no nahazo azy, farafaharatsiny mba hoe nahazo ny meilleur scénario original 'inception' nefa dia lasan'ny 'the social network' indray ka nionona t@ meilleur effets spéciaux sisa ry Leo sy ny namany, angamba tsy takatry ny olona loatra ny tantara t@inception.

Fa amin'ity taona misy film saika nitovitovy t@ 'the king's speech' tena favori @oscar ny meilleur actrice: 'the iron lady', tantaran'i Margaret Thatcher lalaovin'i Meryl Streep..., fa tsy amin'ilay karazana film tiako, dommage...

Ny adin'ny meilleur réalisateur koa mbola eo miaraka amin'ndry S. Spieleberg, ry D. Fincher, M. Scorsese, A. Payne, W. Allen, M. Hazanvicius..... mmmmh... ! Tsy latsa-danja amin'izany ny comédiens sy comédiennes efa zatra mahazo an'itony oscar itony tahaka an-dry brad pitt, george clooney, leonardo dicaprio, tom hanks... ohatry ny kely dia kely izany jean dujardin eo anatrehandr zalahy ngeza nefa dia izy no anisan'ny favori... ny vehivavy moa dia eo i meryl streep tena favori, fa tandremo ny vaovao tahaka an'i viola davis na ilay ex destiny's child michele williams, ry charlize theron, ry kirsten dunst na koa ry keira knightley... ho hitantsika eo moa ny valiny fa afaka mijery ny film isika dia maminavina.......

Fa soso-kevitro ho an'izay mazoto mijery sarimihetsika raha te-hijery ny 'a dangerous method' lalaovin'i m.fassbender, v.mortensen, v.cassel ary keira knigthley, tantaran'i Carl Jung sy ry Sigmund Freud ary ny tontolon'ny psychanalyse fa nosaronana scenario... na koa film hafa iray izay misy lesona tsara momba ny demokrasia, ny tantaran'i Aung San Su-ki, nahazo ny nobel prize of peace t@ 91, lalaovin'ny michelle yeoh, film-n'i luc besson io, 'the lady'...

Miandry ny vinavinantsika, indrindra izay efa nahita an'ireto film ireto: war horse, hugo, the descendants, extremely loud and incredibly close, the iron lady, the ides of march, tinker tailor soldier spy, the land of blood and honey, j. Edgar... ireo ny anisan' ny mbola tsy hitako fa izay nivoaka teto frantsa t@ 2011 efa hitako daholo amin'ny ankapobeny tahaka ny the artist, the tree of life na koa moneyball... izay manantena twilight na harry potter na transformers aloha amin'ny oscar dia mety ho diso fanantena satria farafahatsarany oscar ny meilleur effets spéciaux no mety ho azony (tsy mikaonty akory ary ny transformers satria ratsy loatra ilay version 3D)...

Mazotoa daholo e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1576