hita tany @ helo i Mickael Jackson - Dinika forum.serasera.org
You are here: home > Forum

hita tany @ helo i Mickael Jackson

Lohahevitra : Vavolombelona
Fitohizan'ny hafatra : Re: hita tany @ helo i Mickael Jackson
Valiny : 0
Pejy:  < 1 2
Raharike - 03/04/2013 07:52

methode

Raharike
Michael Jacks aloha mazava be hoe any e! ...fin)

Ahoana no ahafahanareo tena manamarina fa any amin'ny afobe Michael Jackson. Hadinonareo ilay jiolahy nilazan'i Jesoa hoe anio alina ihany dia hiaraka amiko any amparadisa ianao? Mba niezaka nanao soa ihany ange izy na dia mpanankarena aza e! Tsy misy afaka mitsara hoe tena any izy!

Mazava be zany satri tao anatin'ny contrat any iz n maty, ary io jiolahy io foana no ataon'ny olona fialabala dia tsy mahalala manolotena zany raha tsy efa ambavahoana? Anao ihany ny safidy fa tadidio fa satana be fitaka, ary ny Tenin'Andriamanitra ihany no ahodiny, tandremo anefa izay; aza manatena ze soa nataony fa zay mits zao no tetikady hitan'i satana fa mety dia feno asa soa ny tanàna nefa tiany ianao ho membre any! tahaka ny Lion's club, rotary, ...
Valio | Miverina eny ambony
methode - 04/04/2013 18:50
[/quote]
Mazava be zany satri tao anatin'ny contrat any iz n maty, ary io jiolahy io foana no ataon'ny olona fialabala dia tsy mahalala manolotena zany raha tsy efa ambavahoana? Anao ihany ny safidy fa tadidio fa satana be fitaka, ary ny Tenin'Andriamanitra ihany no ahodiny, tandremo anefa izay; aza manatena ze soa nataony fa zay mits zao no tetikady hitan'i satana fa mety dia feno asa soa ny tanàna nefa tiany ianao ho membre any! tahaka ny Lion's club, rotary, ...
[/quote]
Ka le mitsara olona mihitsy no tsy eken'ny saiko sady efa voalazan'ny Vaovao mahafaly fa tsy mety ny mitsara olona! Na ianao miteny io aza mety afaka roa na telo taona mety miova hevitra koa. Tsy misy mahalala ny ampitso fa izay androany no iainana tsara aloha de ampy izay! Misy koa ratsy fiaina fa rehefa tena ho tonga ny farany vao mahatsiaro teny!
Valio | Miverina eny ambony
TSETSEL - 17/04/2013 17:26
Salut!
Marina ny an'i jajajaly e,
Enao aza ray amandreny mpanota tsy sahy mandoro ny tananjanakao raha manao fahadisoana izy ka mainka fa lay Andriamanitra fitiavana sady be famindrampo.
Zay no tsy azoko amle olona mihintsy, tena ilaina ny fahaizana mandinika tsara sy manjohy hevitra mamakafaka fa tsy mandray antendrony fotsiny ny soratra masina.
Maro ny olona no tsy mahay akory ny hevitry ny teny ao amin'ny baiboly fa mandika vilana nefa rehefa tonga ireny mpitory ny tenin'andriamanitra ireny de miavonavona sy maivava ery, ny fivavahany no tanisainy nefa io fivavahany indraindrainy io tsy mahavaly ireo fanontaniana sarotra ao amin'ny tenin'Andriamanitra akory no sady mandika vilana izany en plus mambotry azy amin'ity karazana fitakiambola ity. Ka de teny atsipy ihany ny ahy mahaiza mandinika tsara e.
Valio | Miverina eny ambony
faly5257 - 11/06/2013 19:09
raha ny ara-baiboly no resahana dia tsy mbola nisy olona nahita ny tany @ helo izany ,fa manasa anao aho mba tena hamaky ny baiboly mba ho fantatrao ny marina !sady Jesosy efa nanambara fa maro no ho avy @ anarany ka hanao hoe izy no Kristy ka maro no hovoafitany!Mitandrema!!!Lioka.16:19-31 dia manambara mazava tsara fa tsy misy fanahin'olona efa maty ka afaka miverina eto @ ity izao tontolo izao ity intsony.ary manambara izany koa ny bokin'ny Samoela voalohany .28:8-20,vakio tsara io dia ho fantatrao fa tsy misy fanahin'ny olona efa maty avy any ambony ka hoe hidina ety @ tany izany intsony.
Valio | Miverina eny ambony
Langoro318 - 19/05/2014 15:03
TANDREMO!
Diso ihany koa anefa ny fiheverana tahaka ny ataon'ny olona sasany fa tsy misy ny afobe! Ny Tompo aza nilaza matetika tamin'ireo fanoharana samihafa nataony fa hisy ireo olona halefa any amin'ny "farihy afo sy solifara" izany hoe afobe, toy ilay mpanankarena nanao tsinotsinona an'i Lazarosy ilay mahantra.
Eny tokoa, FITIAVANA ANDRIAMANITRA, ary izay indrindra: tsy nahary ny afobe ho an-janany Izy (izany hoe ny olombelona) fa ho an'Ilay Ratsy izay fahavalony hatrany am-boalohany. Indrisy anefa fa izay rehetra manamafy ny fony ka tsy mety mitodika amin'ny Fitiavany fa mifikitra amin'ny ratsy ihany, dia afobe no anjarany!
Valio | Miverina eny ambony
LoicRedHat - 02/10/2017 07:17
Mba saika anotany fotsiny aho hoe, mba parcours ino no mampiananatra malagasy ao am IST? ohatrany mahagaga ihany 'lay izy an...
Valio | Miverina eny ambony
Pejy:  < 1 2