Tanteraka ny seraser'alina 2 misaotra antsika

1. hery ( 29/11/2010 10:14)
Tanteraka soa amantsara iny ny seraser'alina 2 izay natao tao amin'ny Restaurant Au Gout de Madagascar tany Paris tamin'ny Zoma 26 Novambra alina. Nahafinaritra ny fiarahana ka isaorana daholo izay nikarakara sy ny nandray rehetra. Isaorana koa ny artista izay tonga tao Njakatiana, Famaky, SimJay. Ny sakafo ao tsara.
Ialana tsiny tamin'ireo izay tsy tafiditra intsony satria feno ny toerana, ary izay indrindra no niangaviana antsika hanao reservation mialoha fa izay nanao reservation ihany no tafiditra.
Miala tsiny amin'izy roa vavy indrindra (sy telo lahy) izay voatery nandeha toerana hafa. Raha mahita ity ianareo dia nahita hevitra tampoka izahay hoe hitsangana daholo ny mpikarakara fa ianareo hipetraka kinanjo nareo efa lasa dia tsy tratra.

Sary vitsivitsy ihany ireto ambany ireto.

novalian'i cyril ny 07/12/2010 12:44
2. cyril ( 29/11/2010 11:15)
vitsivitsy hoe no nanatrika !

nisy akama tsary navela hiditra hoe fa hoe lany ny billet nefa ny trano kely! "hoe" ireo lazaiko ireo a ,"hono" no dikanzany ! sao de hoe zah pikatti ndray no manohitra ny serasera na hoe tgv ,fa resaky ny tany no reko hoe tsary nisy olona hoe fa nangitsy be de namotoka tsary nisy nandeha aby hoe ny mpisera tato nefa hoe efa be no nahazo billet ... ! i vale zao tsary tany fa efa lany hoe ny billet de nisy nanakana !!
3. ANARIM ( 29/11/2010 12:05)
tsiky dia ampy! dia miandry tour ny aty dago! d tokony atao any aminay ny revy refa miainga! merci am sary!
4. sylvaine ( 29/11/2010 12:37)
Nahavita soa nareo zany,raha ny video hitako aloha de be olona be tao eh!feno ilay trano.
5. Samoana ( 29/11/2010 15:26)
Mitsiky ho azy toa nihara-dia taminareo koa zahay mijery ireto sary. Misaotra e !
Na dia efa fantatra taloha avokoa aza ny ps ny tsirairay dia lasa sahirana kely indray izao satria mifangaro anarana hafa any @ fb !! Mila tohana f'efa alzheimer e hihihi
6. hery ( 29/11/2010 16:10)
cyril> Eny 80 ihany no nahazo nanatrika fa tsy omby ny trano. Efa nampahafantarina mialoha io hoe reservation obligatoire. Telo andro mialoha dia efa nataoko filazana tao amin'ny eritreritra mandalo (Jereo eto) sy nalefan'ny mpikarakara tany amin'ny FB tany fa feno ny toerana ka tsy mandray reservation intsony ka raha tonga any dia mety hiverim-potsiny.

Nisy nanao tentative tonga ihany tany fa naverina fotsiny (5 ry zareo) satria tsy omby ny trano. Izahay admins vitsivitsy tao no nitady hevitra hoe hitsangana izahay fa ry zareo hipetraka, kay ry zareo efa lasa. Fa izay ihany, tsy nisy hafa naverina intsony satria efa tsy tonga ny ankizy fa fantany hoe tsy nanao reservation. I Vale izao tamin'ny alakamisy no nahita hoe feno ny toerana dia tsy tonga.

Nahafaly ahy fa matotra ilay fikarakarana ary isaorana ry zareo nikarakara. Marina fa nisy ankizy tsy tafiditra kanefa aleo matotra tahaka izany fa taloha indraindray misy manao reservation dia tsy tonga akory. Tamin'ity dia izay nanao reservation nandoa vola ihany no noraisina.

Hery
7. bilakarenjy ( 29/11/2010 22:41)
refa vitsy ny olona asaina noho ny toerana tery de matotra foana ny zavatra atao ,zava-marina zany ,fa raha betsaka kosa ny olona asaina noho ny toerana ngeza de tsy ho araka ny zava misy any ananona any .Aleo kely tsara fona e!,@ izay tsy misakoroka etsy sy eroa .Ary io koa misy le ohabolana malagasy mahery vaika hoe : ny fotoam-bita tsy mahaleo ny sampona .Mahafinaritra ry hery a!
8. cyril ( 07/12/2010 12:44)
nahafinaritra ny serasera alina kah ! ity zao sombin'kira iray tao tsara beee mitsy asa na hety hivoaka na tsia fa tao daholo ny olona ..misaotra

http://www.facebook.com/video/video.php?v=469055074474
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1575