fivoriam pianakaviana Tera dRamiangola sy Rangita

1. velysette ( 27/10/2010 17:46)
Ry hava-malala tera-dRamiangola sy Rangita (TRR),

Tonga indray ity ny 1er Novambra, vanin’andro fankalazàna sy fiaonan’ny
mpianankavy manontolo. Koa manainga antsika rehetra ho tonga maro mba ho
tafavory indray ny mpianankavy. Hararaotin-tsika amin’izany koa ny famoriana ny
hevitry ny rehetra ny amin'ny fanetsiketsehina ary indrindra ny fifidianana ireo
izay ho ao amin’ny birao hitantana ity firaisam-pianankaviana ity.

Hanararaotra ny fahavorian'ny be sy ny maro izany isika handinika ireto
toe-javatra manaraka ireto :
- Ny fanangànana ny birao mpanentana ny sampana TRR île de France
- Ny fanomànana ny fitsangatsangànana, tetehina ho amin'ny loha-taona
2010 ho avy izao, izay hiaonan-tsika amin'ireo sampana TRR avy any amin'ny
faritra hafa manerana an'i Frantsa

Araky ny fitsipi-panorenana ny TRR any Madagasikara dia hifidy filoha iray
isika, ary filoha lefitra efatra (solotena isan-dreniny). Hisy koa ny
fifidianana ho an’ireo andraikitra hafa ao amin’ny birao.

Manainga antsika mianakavy izany dieny izao mba hanolotra solo-tena iray (na
maro) amin’ny isan-dreniny, ary dia handefa izany eto amin’ity adiresy ity :

trr-idf-owner@yahoogroupes.fr

Araky ny mahazatra, ny momba ny sakafo sy tsakitsaky ary zava-pisotro, dia
manainga ny mpianankavy rehetra mba samy hitondra izay zakany amin'io lafiny io.
Izay hoentin-tsika no hakambana sy hifampizaràna rehefa eny an-toerana.

Ny momba ny fifanampiana ny amin’ny ho enti-manana dia manainga ny mpianankavy izahay mba hanomana 20€ isa-tokatrano (na 5€ ho an’ny mpianatra) – Ny antsipiriny dia voalaza etsy ambany amin’ny faran’ity fampilazàna ity.

Amin’ity taona ity dia ny Base régionale de loisirs « Le Port aux Cerises » no mandray antsika ao amin’ny salle Christophe Colomb, sy ireo fialam-boly maromaro atolony (jereo eo amin’ny http://portauxcerises.ucpa.com). Aorian’ny fiaraha-misakafo sy ny fivoriam-be dia afaka manararaotra an’izany ny rehetra (ny enti-manana izany dia anjaran’ny tsirairay).

Hanampy an’ireo mpiandraikitra voatondro etsy ambany ny filazana ny fahatongavan’ny fianakavianareo (mariho ny mety ho isan’ny olona ho avy), amin’ity rohy manaraka ity :

http://doodle.com/q6yhfiy9epbqa7d7

Daty : Alatsinainy 1er Novambra 2010 manomboka amin'ny 11 ora tsy diso (aleo mari-potoana mba ahafahana manararaotra tsara)

Toerana : Salle Christophe Colomb – Base régionale de loisirs « Le Port aux Cerises »
Rue du Port aux Cerises – 91210 DRAVEIL

Mpiandraikitra :

Bodo RAMIANDRASOA – 06 10 75 41 40
David RAVONONTSOA – 06 88 82 41 33
facebook : trrfrance
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1285