Lavaka ve dia tsy voatsentsina?

1. hery ( 31/05/2010 11:13)
Mahagaga ahy ihany ireto Amerikana ireto. Malaza amin'ny resaka teknolojia na madinika na goavana. Teny amin'ny volana sy te ho atsy sy ho aroa. Kanefa ilay lavaka amin'ilay sambo rendrika mitondra petrole tsy mety voatsentsina efa ho firy andro zao?
Sao dia mba fikafika kosa io? Ilay accident aloha nitranga fa avy eo ny tohiny sao dia mba misy zavatra maloto?

Gaga ihany aho mantsy
novalian'i diloo ny 08/06/2010 11:20
2. simplex ( 01/06/2010 12:48)

lol
tsy mahita lavaka ve
:-)
3. rhevinilsen ( 08/06/2010 08:12)
nga mo sambo rendrika?
fantsona petrole vaky hoe?
sa taiza ndray zany lazain'i Hery?
4. diloo ( 08/06/2010 08:23)
Sali Hery
BP ve tsy tekinolojia angilisy!
Fa na dia izany aza, manimba éco-système ny solitany.
Enga anie tsy anao an'io Total eto amintsika.
5. rhevinilsen ( 08/06/2010 10:23)
Ho hita eo ny zavamitranga raha manao hoatran'io koa tsika ao aoriana ao (faritr'i mahajanga iny mety hisy offshore atsy ho atsy)

Tsy mora ny manampina io lavaka io (tsy lavaka fotsiny koa fa lavaka miboiboika petrole sous pression). ireto no tena olana: halaliny 1200m, pression @ io 20,000 psi, tsy afaka alehan'ny plongeur fa tsy maintsy bathiscaphe, tsy mi-fixe noho ny pression ny ciment .. colles .. sns. Ny soudure koa manahirana be satria mora miparitaka sy mipoaka ny metaly rehefa tratri'nio pression io. ny visibilité presque zero (halaliny + petrole miparitaka). Io fantsona vaky io de eny akaikin'ny fond any ambany, ary mbola mitohy milentika any @ 12000m (raha tsy diso aho), avy any ny petrole sous haute pression.

Tsy vao izao koa no misy an'io fahaverezan'ny petrole avy @ offshore hoatran'ireo fa efa matetitetika, fa hatra@ zao tsy mbola nisy cas grave tsy nahitana hevitra hoatran'ity ary ambony be ny debit

reto misy liens raha mahaliana anareo
http://en.wikipedia.org/wiki/Oil_spill
http://en.wikipedia.org/wiki/List_of_oil_spills
misy sary kely
http://www.treehugger.com/files/2010/05/bp-gulf-oil-spill-timeline.php
http://www.technologyreview.com/blog/guest/25287/
Ary raha manana hevitra atolotra andry zalah de aza misalasala manoratra ato fa efa lany haika ry zalahy reo
http://current.com/technology/92456345_top-kill-list-your-ideas-to-solve-the-bp-oil-leak-spill.htm
6. diloo ( 08/06/2010 11:20)
rhevinilsen -->Mankasitraka e.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1719