Eka ro!

1. soanja ( 11/04/2010 20:20)
Hanafika any amin'ny Clash of the Titans indray ary!
Ho ela velona anie ny faminaniana isan-karazany. :D
novalian'i soanja ny 29/06/2010 16:44
2. hery ( 04/06/2010 09:09)
Tsara ve io? Saika halaiko hojerena mantsy kanefa sao dia tsy mamely tahaka an'ilay "300" iny.

3. soanja ( 16/06/2010 02:20)
Tsara ilay tantara ka. Za moa tia tantara myth sns sns ka afaka nanjaka tsara ny zavatra efa nieretreretina hatramin'izay ka nivoitra tsara an-tsary.

Ny film tiako manaraka koa dia Robin Hood, fa aza mandeha mijery ilay Prince of Persia fa tsy dia tsara loatra na dia samy tantara noforonina aza. Asa anefa izay tia azy!

Tanjona manaraka dia Karate Kid.
4. hery ( 28/06/2010 14:56)
Ok ilay Robin HOod, hojereko amin'ity faran'ny herinandro ity.

Ilay Agora koa no nojereko omaly fa tsara.
5. soanja ( 29/06/2010 16:44)
Nijery ilay film hoe "Solitary Man" izahay omaly fa dia nalahelo aho hoe misy tokoa ny olombelona mamono ny tenany tsikelikely amin'ny mahaizy azy ary tena sitrapony izany fa tsy hoe aretina na tsy fidiny ho azy.

Mahita an'izany aho dia hitako taratra ny fiainan'ny Malagasy maro mirona amin'izany.

Mahery tokoa ny sinton'ny tany!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1983