Ravintoto

1. niryna ( 02/09/2009 04:27)
Manao ahoana daholo indray o,elaela be izaho tsy niditra tato :D
Raha mipetraka any ivelany hianareo dia mety mahita anamamy maniry ve ?
Mahita aho fa matahotra ny mihinana azy sady misy koa toerana toa fandehanan'ny alika mandehandeha ilay izy dia tsy mihinana aho ,hi,hi
Ny ravitoto indray ,ravitoto avy aiza no fividinareo raha toa ka mividy hianareo any ivelany.MIsy mantsy ny hoe ravintoto afrikana ,tena mafika be ilay izy ary asiana siramamy kely dia tsy mankarary vavony
Dia misy koa miteny hoe ny anay ny ravitoto dia vidiana aloha dia totoina kely vao andrahoina fa any amin'ny sinoa no mividy azy
Indray andro izay izahay nandeha niantsena ary nahita ravintotona filipiiana ,tena tsara be mihitsy ilay izy ary ry zareo anefa toa tsy dia misy mihinana an'izy ireny sainga alefana amidy fotsiny ilay ravintoto
novalian'i lemurbaby ny 24/01/2010 16:57
2. niryna ( 02/09/2009 04:28)
Sao dia mba misy mahalala hoe avy aiza ny ravintoto vidianareo ary ahoana ny fomba fandrahoanareo azy ?
niryna
3. ni81 ( 02/09/2009 07:24)
Sao dia mba misy mahalala hoe avy aiza ny ravintoto vidianareo ary ahoana ny fomba fandrahoanareo azy ?
niryna
Aty aminay, rehefa mba mandeha mitsangatsangana lavidavitra iny (100km) dia afaka mividy ravitoto vita avy any madagasikara mihitsy rehefa mazoto (Bongou any A/trimo no mpanao azy).
Fa ilay ravitoto afrikana ( saka saka) kosa aloha dia tsy mba tiako e! Be fofona be sady somary mangidy mihitsy aza.
Zà mamboly anamamy sy anamalaho mihitsy eo an-tokontany (tandremo fa sao dia hoy i niryna hoe izay anontaniana rehetra dia lazaiko fa misy daholo an :) )
4. ni81 ( 02/09/2009 07:35)
Adinoko fa misy ireo ravitoto avy any Cambodge koa aty.
5. xxx ( 02/09/2009 08:22)
Tsy haiko loatra ny an'i ni81 zany fa ny saka saka lé anaty boity reny kosa tsara e! sady rehefa vakiana tsara ny misoratra amin'ilay boity dia ravitoto avy any dago ilay izy atsoin-dry zareo hoe saka saka fotsiny. Ny sinoa sy ny indien no ahitako an'azy (paris).

Ny ravitoto varotan'ireto magasin malagasy indray ary no hitako tsy dia tena mafilotra noho ny saka saka. :)
6. ni81 ( 02/09/2009 08:30)
Tsy haiko loatra ny an'i ni81 zany fa ny saka saka lé anaty boity reny kosa tsara e! sady rehefa vakiana tsara ny misoratra amin'ilay boity dia ravitoto avy any dago ilay izy atsoin-dry zareo hoe saka saka fotsiny. Ny sinoa sy ny indien no ahitako an'azy (paris).

Ny ravitoto varotan'ireto magasin malagasy indray ary no hitako tsy dia tena mafilotra noho ny saka saka.
tany @ afrikana aho no nividy ilay saka saka. Tsy tao anaty boaty fa anaty sachet kely (congelé).
HS: dia loza fa misy trondro maina tao @ ry zareo, dia noraisiko ilay izy hijereko ny habeny sy hoe trondro inona ity; fa tonga dia nitrerona ilay madamabe hoe: faut pas prendre avec la main (gauche moa sa droite tsy tadidiko tsony), satria hono iny tanana iny no ampiasaina rehefa misasa :roll: Tsy niverina tany intsony aho mandrak'ity ny androany aloha e! :)
7. Ratoa ( 03/09/2009 01:40)
faut pas prendre avec la main (gauche
izay ilay atao hoe choc culturel. Ny azy aza mba hoe "main gauche". Ny an'ny alema tsy azo kasihan'tanana mihitsy. Ny antony nitenenan'ilay mpivarotra izany dia silamo izy. Ny silamo na mampiasa taratasy aza dia tsy maintsy misasa rehefa mivaoka na dia pipi kely fotsiny aza.
Ka noheverin'ilay mpivarotra toa izany koa ny fombanao ka tonga izy dia choqué satria amin-dry zareo silamo, tsy mandray zavatra madio sy masina iny tanana havia in, indrindra tsy mandray sakafo sy Coran; tsy anoloran-javatra olona.
Samy manana ny fombany. Tsy nifankahazo ny fombanareo (choc culturel). Miverena any dia azavao fa mi-comprendre izy. Dia lazao hoe "ny ahy ny tanana havia no tsara indrindra fa akaikin'ny fo" :D :D :D :D
Ny ravintoto indray, rehafa tsy ianao no nioty azy na tsy hitanao fa laingony kely malefaka ity amidy dia tsotra fotsiny ny fahandro azy. Misy koa ravintoto maina (poly no iantsoantsika azy na polipoly) efa vovoka . Alaivo iny ilay vovoka mbola maina be iny na ilay anaty sachet na en feuille (totoy aloha)mihitsy aza dia lony anaty menaka fandrahoina maha lena azy tanteraka (kotsakotsa mihitsy) tokony ho 1h. Dia tampohy rano mangotraka dia avelao indray hilona tokony 1h izay vao andrahoina.
Dia mazotoa omana.
8. niryna ( 03/09/2009 03:55)
niryna:

Sao dia mba misy mahalala hoe avy aiza ny ravintoto vidianareo ary ahoana ny fomba fandrahoanareo azy ?
niryna


Manahirana ihany tokoa anie ry zareo ity teny gasy ity e,asiana n sa tsia,ahitsiho raha diso azafady e
noheveriko hoe ravina totoana :arrow: ravintoto sa ravitoto fa io daholo no fanoratanareo azy ? :D :D :cry: :wink:
9. niryna ( 03/09/2009 04:03)
niryna:

Sao dia mba misy mahalala hoe avy aiza ny ravintoto vidianareo ary ahoana ny fomba fandrahoanareo azy ?
niryna

ny anay hoy aho ravintoto avy any filipina ,tsara be ilay izy ary natoroko ny namana gasy dia mividy aty aminay koa ry zareo.
Ny ahy ny fandrahoako azy dia mividy rambon-kisoa aho ,ilay hena misy tavitaviny iny, tsy fantatro izay toerana misy azy,hi,hi ,kibony sa aiza hi,hi, ary dia endasiko amin'ny menaka ary ataoko marron mihitsy vao asiko rano,Arotsako amin'izay ny ravintoto ary jereko ny menaka dia asiko tsikelikely raha kely.Arotsako amin'izay ny sira sy siramamy kely
Rehefa akaiky ho masaka dia asiko tongolo gasy betsaka dia vonoiko ny afo
dia izay .Matetika tsy mihinana an'iny ravintoto iny izahay raha tsy rahampitso
fa tena

:miam: :miam: be ilay izy
10. niryna ( 03/09/2009 04:05)
niryna:

Sao dia mba misy mahalala hoe avy aiza ny ravintoto vidianareo ary ahoana ny fomba fandrahoanareo azy ?
niryna


dia misy koa ravintoton'ny afrikana fa tsy dia tiako ,mangahazo fingotra ilay izy saingy raha oharina ny any France sasany ilay izy dia hoe mbola totoina ilay katsakatsa e,ny anay tsy totoina intsony fa lafo fotsiny.Ilay tsirony dia mahery raha oharina ilay ravintoto filipina ,ny fandrahoana azy dia mitovy io teneniko io fa tsy maintsy asiko siramamy ny ravintoton'ny afrikana
11. niryna ( 03/09/2009 04:08)
Sao dia mba misy mahalala hoe avy aiza ny ravintoto vidianareo ary ahoana ny fomba fandrahoanareo azy ?
niryna
ni81:
Aty aminay, rehefa mba mandeha mitsangatsangana lavidavitra iny (100km) dia afaka mividy ravitoto vita avy any madagasikara mihitsy rehefa mazoto (Bongou any A/trimo no mpanao azy).
Fa ilay ravitoto afrikana ( saka saka) kosa aloha dia tsy mba tiako e! Be fofona be sady somary mangidy mihitsy aza.
Zà mamboly anamamy sy anamalaho mihitsy eo an-tokontany (tandremo fa sao dia hoy i niryna hoe izay anontaniana rehetra dia lazaiko fa misy daholo an :) )


hay moa saka saka no filaza ilay ravitoton'afrikana ,noheveriko hoe katsa katsa ,tsss mikatsakatsana tsinona ilay izy =))

tsy izay no teneniko ka ho avy any aho fa be sakafo gasy izy izany :D


12. niryna ( 03/09/2009 04:09)
ni81:

Adinoko fa misy ireo ravitoto avy any Cambodge koa aty.


dia ahoana no fandrahoan'i ni ny ravitoto ?
13. niryna ( 03/09/2009 04:11)
xxx:

Tsy haiko loatra ny an'i ni81 zany fa ny saka saka lé anaty boity reny kosa tsara e! sady rehefa vakiana tsara ny misoratra amin'ilay boity dia ravitoto avy any dago ilay izy atsoin-dry zareo hoe saka saka fotsiny. Ny sinoa sy ny indien no ahitako an'azy (paris).

Ny ravitoto varotan'ireto magasin malagasy indray ary no hitako tsy dia tena mafilotra noho ny saka saka. :)


xxx mireska ravitoto gasy ,adinoko asa raha efa nandrahoiko ny ahy izay,aza itako lany andro....mbola ho haniko ihany angamba =))

HS kely fa maninona tokoa ny koban-dravina sasany no misy vato ? ireny ao anaty boaty ireny ,avy ao France ilay izy fa avy any amintsika an?
14. ni81 ( 03/09/2009 06:07)
izay ilay atao hoe choc culturel. Ny azy aza mba hoe "main gauche". Ny an'ny alema tsy azo kasihan'tanana mihitsy. Ny antony nitenenan'ilay mpivarotra izany dia silamo izy. Ny silamo na mampiasa taratasy aza dia tsy maintsy misasa rehefa mivaoka na dia pipi kely fotsiny aza.
Ka noheverin'ilay mpivarotra toa izany koa ny fombanao ka tonga izy dia choqué satria amin-dry zareo silamo, tsy mandray zavatra madio sy masina iny tanana havia in, indrindra tsy mandray sakafo sy Coran; tsy anoloran-javatra olona.
Samy manana ny fombany. Tsy nifankahazo ny fombanareo (choc culturel). Miverena any dia azavao fa mi-comprendre izy. Dia lazao hoe "ny ahy ny tanana havia no tsara indrindra fa akaikin'ny fo
ratoa a! Ka izaho tsy gauchère dia raha toa ka noraisiko t@ tanako ankavanana dia vao maika loza be fa iny daholo no tena miasa raha toa aho ka manao ilay fomba silamo sy ny sisa rehetra :)
dia ahoana no fandrahoan'i ni ny ravitoto ?
Izaho dia tena mankafy ilay ravitoto asiana voanjo e! Alaina ny voanjo manta dia totoina, ary afangaro ao. Asiana rano mandifotra azy ilay ravitoto, dia avela ho ritra iny aloha, dia asiako menaka kely indray + rano + tongolo lay voatoto, dia asiako voatabia + sira, dia izay. Tsy asiako hena.
Dia tena marina tokoa fa ravitoto fingotra efa antitra angamba no mahatonga ireny ravitoto masaika be ireny.

HS kely fa maninona tokoa ny koban-dravina sasany no misy vato ? ireny ao anaty boaty ireny ,avy ao France ilay izy fa avy any amintsika an?
ka ilay vary nanaovana koba izany no be vato
15. Ratoa ( 03/09/2009 19:56)
Ka izaho tsy gauchère dia raha toa ka noraisiko t@ tanako ankavanana dia vao maika loza be fa iny daholo no tena miasa raha toa aho ka manao ilay fomba silamo sy ny sisa rehetra
tsy azonao ilay teniko. Ny tànana ankavia nofady amin'ny silamo fa tsy ny havanana.
Ny tiako ho lazainao azy raha miverina miresaka aminy ianao ka miteny hoe
"ny ahy ny tanana havia no tsara indrindra fa akaikin'ny fo

dia hoe tsy voatery ho mitovy fomba ny olombelona. 3Ny anao ny havia no fady fa ny anay ny havanana" valy borainginy atao azy izany fa tsy milaza aho hoe gauchère ianao.
16. ni81 ( 03/09/2009 20:34)
tsy azonao ilay teniko. Ny tànana ankavia nofady amin'ny silamo fa tsy ny havanana.
Ny tiako ho lazainao azy raha miverina miresaka aminy ianao ka miteny hoe
azoko tsara Ratoa a! Fa ny tiako lazaina anao dia hoe: zà tena tsy mahay mampiasa ny tanana havia... fa havanana foana mihitsy :lol: :lol:
17. Ratoa ( 04/09/2009 00:39)
tsy blem izany é! teneno azy ihany!
18. ikaretsaka ( 05/09/2009 02:58)
Mandritra ny ete raha manana tokotany malalaka dia manatsatoka taho-mangahazo... azo atao @ pot mbnikazo lehibe koa ilay izy
Tsary voatery hamody le izy fa ny raviny no ilaina...
Totoina @ fitotoankena. Ilay izy
19. niryna ( 05/09/2009 19:51)
ni81:


Aty aminay, rehefa mba mandeha mitsangatsangana lavidavitra iny (100km) dia afaka mividy ravitoto vita avy any madagasikara mihitsy rehefa mazoto (Bongou any A/trimo no mpanao azy).
ni a> kilometatra maromaro ve aky nareo vao mahita ravitoto gasy ? izahay ary moa tsy mahita mihitsy fa ny havana ao France no mandefa amin'ny tena .

Fa ilay ravitoto afrikana ( saka saka) kosa aloha dia tsy mba tiako e! Be fofona be sady somary mangidy mihitsy aza.
sady mankarary vavony be ilay izy na dia asiana siramamy aza.
Ny ravitoto filipiana indray dia somary nampiakariny ny vidiny fa maro koa angamba ny mitady azy .Na izany aza tena mitovy ny tsiron'ny ravitoto any amintsika mihitsy rehefa avala indray andro iny vao ohanina

Zà mamboly anamamy sy anamalaho mihitsy eo an-tokontany (tandremo fa sao dia hoy i niryna hoe izay anontaniana rehetra dia lazaiko fa misy daholo an :) )

andefaso voany aho amboleko e hi,hi Ny sakay tsilanindimilahy no naniry ny ahy ary tena nasiaka tokoa saingy ampidirrina ao an-trano rehefa mangatsiaka be fa atahorana ho faty eo

:D
20. niryna ( 05/09/2009 19:55)
ikaretsaka:

Mandritra ny ete raha manana tokotany malalaka dia manatsatoka taho-mangahazo... azo atao @ pot mbnikazo lehibe koa ilay izy
Tsary voatery hamody le izy fa ny raviny no ilaina...
Totoina @ fitotoankena. Ilay izy

ka aiza aty amntsia ry ika no ahitana taho mangahazo ? sa ilay yuca na ilay mangahazo vao avy novidiana iny no atsatoka ? omeo tahony ary aho amboleko e ,tsy maninona fa alaiko any aminareo any

:wink: :D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9486