Creme dessert - creme anglaise

1. mmmhh ( 08/05/2009 10:57)
Mba zarao fomba fanaovana creme anglaise, na creme dessert ireny ze mahay o?
Misaotra mialoha, :-*
novalian'i Ratoa ny 16/05/2009 18:59
2. Lejoba ( 11/05/2009 12:42)
anontanio Ratoa
3. mmmhh ( 11/05/2009 14:20)
Misaotra na izay fotsiny aza, ndraso andeha hanontany an'i Ratoa zany
Misaotra e
4. Ratoa ( 11/05/2009 18:30)
Mba andramo ity:
Yaourt + couscous "moyen"+ raisin sec+ bananes coup�es en petits d�s.

Yaourt be dia be no ilaina ka manamboara araka izany: Ny sachet de lait en poudre 500Gr mahavita yaourt 2litres.
araky ny recette etsy ambony, rehefa avy nampangotrahana ny rano dia afngaro ronono Avelao ho matimaty azo tsapai-t�nana afangaroy ny yaourt iray.
Mampagontra rano kely anaty cocotte minute , atao misy pression tsara (mihodikona tsara raha seb moa mivoaka tsara ilay soupape raha autocuiseur type italien na allemand).
Soakafana haingana nycocotte minute. Ariana ny rano mafana. Arotsaka ao anaty cocotte ilay mélange efa vita.
Idiana tsara ny cocotte, fonosina bodofotsy na lamba mafana. Avela hipetra 12heures.
Ampangatsiaho anaty frigo rehefa mivaingana tsara.

2) Ampangotaraho ny rano
Afatra ny couscous de blé dur, graine"moyen"
Arotasaka ao ny rano mamay be : Q= fatran'ny couscous X 2/( exple: 2tasses de couscous asiana 4 tasses d'equ bouillante)
Avelao ho vonto rano ka maina tsara raha afaka 1/2 heure eo eo; aAfangaroy ny akondro coupée sy raisin sec.
Zarazarao @ ny bol kely na ramequin, na lovia kely jobo ny couscous mifangaro akondro sy raisin sec.
3) Mamio araky izay tianao ny yaourt
Napper-ho amin'io ny mélange anaty ramequin na bol sns.
Atao mando tsara dia isaky ny lany ny ronono eo ambony (miaraka raisina @ sotrojely yaourt kely sy ilay couscous) dia ampiana ny Yaourt raha lany ny eo ambilhy.
5. booboo ( 12/05/2009 11:47)
ity lay crème anglaise

ampangotrahana ny ronono nasiana siramamy. Arotsaka eo ambonin'ny tamenak'atody avy teo dia sady arorohina ihany.
Averina eo ambony afo malefaka beee dia sady arorohina foana, tsy atao mangotraka a !
Esorina teo ambony afo dia tohizana arorohina ihany qq minutes fotsiny.
Izay fotsiny. Andrasana mangatsiaka rehefa himotika azy.
6. booboo ( 12/05/2009 11:58)
Crème dessert tsotra kely :

Miara-andrahoina aby ny ronono, ny maïzena, ny siramamy ary atody 1. Sady arorohina ihany mandra-pangotraky ny raha.
Atao anaty ramequin kely na be avy teo ( afaka asiana potika² choco, na voankazo na caramel na n'importe quoi izay tiana klou vao rarahana ilay crème ).
Avela hangatsiaka² klou vao atsofoka anaty frigo.
Ajanona ao anaty frigo adiny 4 na mihoatra zay vao gliavana.

Zà tsy mahay fatra fa ataoko au pif any aby, raha ronono 1L dia maïzena 3 na 4 sotro...
7. mmmhh ( 12/05/2009 12:35)
Ratoa > misaotra @ le recette,
ndraso hanandrana de tantaraiko na nivoaka na tsia,

Booboo > afaka manome fatra ve @ le creme dessert,

Hono ho ah, ny maizena ve afaka hasolo fecule??
8. mmmhh ( 12/05/2009 12:44)
Zà tsy mahay fatra fa ataoko au pif any aby, raha ronono 1L dia maïzena 3 na 4 sotro...

oay azafady fa tsy hitako ity teo,
misaotra e,

fa ny maizena ve afaka hasolo fecule???

9. booboo ( 12/05/2009 20:33)
eka ouz, fa ny maïzena maivana be kokoa noho n'ny fécule ( na ovy na mangahazo )
10. mmmhh ( 13/05/2009 07:18)
Misaotra e,
:-*
11. mmmhh ( 16/05/2009 05:29)
in-2 zay zah no nanao an'le creme dessert t@ voalohany nivoaka tsara le izy fa t@ le faharoa tsy mety nivaingana le izy fa nitsiranoka be, nefa le fatran'le t@ voalohany ihany no nataoko,
maditidity be fotsiny le izy asa naninona? Ny olona nefa reefa manao voalohany matetika tsy mivoaka fa le faharoa vao mivoaka tsara, ny ahy contraire-n'izay ndray
Nefa le voalohany, tsara be mintsy , miam :miam: miam, saika tsy ampy nozaraina mintsy,
12. Ratoa ( 16/05/2009 18:59)
Aza kivy fa avereno. Mety ny qualité-ny ingrédient no niova, niha lefy ohatra, satria tsy tsara sarona dia azon'ny rivotra humide. Ny maïzena sy fécule dia toa ny lafarina ihany, madio sy manify koka izy sy mora mivaingana na dia malefaka aza. Tsy dia tia rano, ka raha ahadrahoina elaela mety hivaingana ihany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2041