mba torohy hevitra

1. rtcflora ( 03/04/2009 00:39)
manaoana daholo !misy zavatra karakarainay ato ato za de misy olona invitena nefa tsy itako zay atao, za ko tsy te handny vola be fa tsika mbola krizy ny olana nefa de tsisy legume akoatrany kokombre aty amnay akoho sy gana hena omby ireo no mba tena misy aty sy pate amnepisery nefa lay sakafo tokony misy entre zay vao vary sy laoka nefa na ny atao laoka ara tsy aiko
de lay akho gasy fa tsy poule de ser an tsisy poule de ser aty.
2. soanja ( 07/04/2009 06:03)
Ny voankazo koa dia azo atao ody ambavafo rehefa atandahatra amin'ny kokomba raha misy any. Ny lasary manga ohatra na zavoka potsehina dia asaina vinegrety ary kotomila voatapatapaka. Io dia hanina amin'ny sambosa na nem raha toa ka misy lafarinina sy atody any. Mila manamboatra paty izany ianao hanaovana ireo.

Tsara ny akoho gasy ka. Raha handrahoina miaraka amin'ny vary izy mbola manta iny dia afangaro dia tsara mihitsy. Azo asiana voanio sy episy isan-karazany toy ny curry ary asiana sakay kely. Sakafo karana io. Ny ranon'akoho no andrahoana azy aloha, zany hoe andrahoana mitokana ny lohan'akoho sy ny tongony sns izay sarotra andrahoana hakana ranony. Dia iny ranony iny no andrahoana ny tena vary sy ilay akoho. Manao saosy votabia, tongolo/gasy sy tsotra ary sakamalao handrahoana ao ny akoho dia rehefa malemilemy ny hena vao arotsaka ny vary sy ny ranom-boanio na ny ranon'akoho.

Raha misy anana any dia tsara raha asiana sakafo misy anana sy voanjo voatoto miaraka haroso amin'io.




3. rasobakobako ( 15/04/2009 14:45)
Asa aloha raha tara loatra ny torohevitro,oaviana ilay fanasana ? fa alefako ihany sao mahasoa
hoy rtc flora hoe tsy misy afa tsy
- akoho
- gana
- cocombre
- henomby
Hevitra 1

ENTREE
Alaina ny nofon'akoho, dia ataovy didiny fisaka, lehibe isan'olona raha mety
dia atono
Tsy voasana ny concombre, fa esorina fotsiny ilay fotsifotsy tsiranoka mampandidy azy iny, dia lomana sauce vinaigrette
Izay dia efa mahavita entrée, ny bikany fotsiny amboarina ho tsara endrika rehefa aroso.

LAOKA
Ataovy henomby ritra ny laoka

Hevitra 2
ENTREE
- Raper-na ny concombre, toy ireny manao carotte ireny, miendrika lavalava toy ny spaghetti
- totoina ny nofon'akoho na gana dia atao paozina steck
- dia endasina
- efa eo ambony lovia ny nofon'akoho vao asiana vinaigrette ny concombre fa manjary mifintina kely

LAOKA
Gana sy Henomby atao nahandro gasy

MAZOTOA HOMANA
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.121