fisaraham-panambadiana, mila torohevitra aho

1. xxx ( 21/03/2009 08:46)
Miarahaba anereo !
Izaho dia vhv, nisaraka vao aingana za sy ny vadiko ary tapakvtra fa tsy hifamerina intsony.1 ny zanakay ary mbola kely (1an mahery).Efa nialana nenina ny tsy hisarahanay mivady nefa tsy nety de zao no fanapahakvtra farany. Misy fanontaniana vitsivitsy mba ilaiko valiny aminareo ze manana hevitra omena anah:
1)- Inona no tokony ataoko satria ilay vadiko de zara raha mijery ny zanany amzao ary tsy mandray anjara am famelomana azy hatramin'ny nisarahanay ( marihiko eto fa izy no niala ny tranonay ary nifindra trano hafa)
2)- nilaza izy fa tokony atao ny divorce, de za nilaza fa ataovy de za manaraka, nefa nilaza izy fa tsy maintsy ny vhv no mampiditra azy fa sarotra raha ny lhl, marina v izany? de in no tokony atao reeefa hampiditra divorce? mila vola v?
3)- Raha mitohy ny tsy fandraisany anjara am zaza de manana zo hitaky v za? na hitory? Ny zaza mety ho vitako fa ny rainy tsy mandray adidy no tsy tiko satria ny ray amandrenin'lé vadiko nilaza tamiko fa alainy ny zaza rehefa lehibe, azony atao ve izany?
4)- akoatrzay de in avy ny zoako sy ny zanako manoloana ny cas misy anay? in avy ny fepetra tokony ho raisiko?
zay fa misaotra anareo mamaly de manantena ny fanampiana arakevitra avy aminareo
2. xxx ( 21/03/2009 09:22)
miankina we aiza aloh no misy an'i xxx ? dago ? france ? sa aiza ? satria samy hafa be ny lalàna.....
3. Mirananirina ( 21/03/2009 17:46)
Inona no tokony ataoko satria ilay vadiko de zara raha mijery ny zanany amzao ary tsy mandray anjara am famelomana azy hatramin'ny nisarahanay ( marihiko eto fa izy no niala ny tranonay ary nifindra trano hafa
Ny akamaroan'ny lhl dia manao io toetra io,be hambo po,tsy te hahita ilay vhv dia tsy manantona any ,hany ka ohatra ny hoe tsy tiany ny zanany,nefa tsy izay.
)- nilaza izy fa tokony atao ny divorce, de za nilaza fa ataovy de za manaraka, nefa nilaza izy fa tsy maintsy ny vhv no mampiditra azy fa sarotra raha ny lhl, marina v izany? de in no tokony atao reeefa hampiditra divorce? mila vola v?

Raha izaho no eo aminy toeranao dia avelako izy no hampiditra divorce,raha ianao manko dia mety tsy ho azonao ny zanakao satria ianao no te hisaraka.
3)- Raha mitohy ny tsy fandraisany anjara am zaza de manana zo hitaky v za? na hitory? Ny zaza mety ho vitako fa ny rainy tsy mandray adidy no tsy tiko satria ny ray amandrenin'lé vadiko nilaza tamiko fa alainy ny zaza rehefa lehibe, azony atao ve izany
tsy manandroit hitaizany zanakao ny rafozanao,raha tsy hoe migadra angaha ianao,ary ny tribunal no mandidy an'io.Aza manaiky ataony an'izany.Mandana any ampiasany dia ilazao ny patron fa tsy manome vola izy,raha tsy mety dia ampiakaro ny tantara,izany hoe mandany vola kely maka avocat,fa tsy maintsy mahazo pension alimentaire farafaharatsiny.
4)- akoatrzay de in avy ny zoako sy ny zanako manoloana ny cas misy anay? in avy ny fepetra tokony ho raisiko?
zay fa misaotra anareo mamaly de manantena ny fanampiana arakevitra avy aminareo
Efa nlazaiko etsy ambony,manana droit:pension alimetaire ianareo(porofoy anefa fa tsy mipetraka ao intsony izy an)Mangala mpitsikilo,na film-meo ny misy azy.Anjarany ny mamelona ny zanany.
Aza mampiditra divorce voalohany izany,avelao izy no hanao .








4. xxx ( 23/03/2009 06:15)
Misaotra betsaka anao namaly.
Izaho eto MADA iany kah
5. ikaretsaka ( 23/03/2009 21:28)
aza asina resa dehilahy sy resabevavy aloha le izy fa divorsa ity fa tsy gera de seksa..


1) azo atao rehefa hifanarahana ny tena hoe manary tanteraka an'io zanany t@ ilay olona no divorcevany io ara-panjakana...
vokatr'izay anefa dia tsy manana droit aminy io zaza io ary tsy manana droit @ io zaza io intsony izay nanary azy, raha omena ny rainy ilay zaza ohatra ka manaiky le reniny hoe tsy misy bizina idirany intsony dia lasan'ilay rainy 100% tsy misy idiran'ny reniny na de i aza! et vice versa!

2) afaka mametraka divorce na ny lahy na ny vavy, fa ze manana porofo no mahazo rariny raha hiditra lalina ka tsy consatman.. fa raha samy konsantis de mety


ny zoa nao dia ny manaraka izay didy aman-dalana tapaka sy nifanarahana tany @ fitsarana.. sy mampihatra izany... afaka manao appel raha tsy afa-po!
6. HESHA ( 24/03/2009 10:14)
salama xxx,

Raha eto Mcar aloha dia tsy azo atao ilay misaraka sur consentement mutuel, am malagasy manko raha mbola afaka mifampiresak ny mpivady dia mbola afaka mifamerina.
Marina mihitsy ilay hoe raha ianao no mampiditra dia vita haingana kokoa, ny azonao raisina ampidirana azy dia ny fandaozan ny vadinao ny tokantrano.
Misy phase arahina iny, mankan am fokontany ianao ohatra mampilaza hoe nandao izy dia avy eo mametrak fitarainana eny am police hoe tsy miraharaha anareo intsony koa izy, dia izay porofo izay no ampidiranao ny divorce eny am fitsarana.
Tsy voatery maka avocat raha tsy manana fahefana manao izany ianao fa mankanesa fotsiny eny dia manontany izay tokony atao.
Ny zonao dia ilay Pension Alimentaire, tandremo anefa, tokony hifanaraka ianareo amin'ny fomba hijereny ny zaza. Aza matahotra fa ny lalana malagasy dia tsy mamela ny zaza hisaraka amin'ny reniny raha tsy "cas de force majeur".

Torohevitre kely fotsiny, tsy azo atao na ny lahy na ny vavy ny manana sipa hafa mandrapahavitan ny divorce, raha manana porofo ny amin izay ny iray dia azony atao ny mangataka ny divorce ho amin ny heloky ny iray. Sady mbola mampigadra io hatreto.

Mahereza e.
Tsetsatsetsa fotsiny, vao 1 taona ve ny zanakareo dia efa hifanary ???? Sao mba tokony hirotsaka antsehatra hanao fampihavanam-pirenena ihany ?

7. fahamarinana ( 24/03/2009 10:53)
:arrow: HESHA : tena tiako sy mahafinaritra ahy ilay fanazavanao ,marina tanteraka !
xxx mpandefa : Ny ahy ny azoko hanampiana ara-kevitra anao dia tsarovy mandrakariva fa Rainy foana iny ,ary koa tsy misy milaza fa tsy maintsy ny lahy no hamelona fa adidin'ny rar roa tonta ! Ny tsara dia mifandamina ary mifampiresaka ,tsy maintsy aza no tokony ho izy fa tsy ahatsara zaza koa ny miandramatra lava eny ! Azo ifanarahana ny vola fanampiana ,nefa kosa aza entim-pahatezerana ka mitaky be loatra fa mba amin'ny antonony ilaina e .
Ary marina ilay voalazan' ika hoe aza asiana lahy sy vavy fa ny zaza iombonana jerena ! Ny tokatrano raha tsy nety dia akory atao fa ny zanaka iraisana hatrany mandra-maty .
Tsy dia haiko loatra hatreto ny lalana any dago ka miala tsiny fa dia mehereza be ! (l)
8. ikaretsaka ( 24/03/2009 15:26)
Ny hafahafa ange le hoe hisaraka..nefa avy eo mbola mikafr any @ le 1 maka pension alimantera sh'aveo. Tsy ho an zaza (tsy mbola nisy) De inona no antony hisarahana?

Fa ny tena masay @ io le hoe olona efa niteraka t@ olonkafa tany no nankarina ho vady..de nakarina ho zanaka koa ity zanak'olona...kanjo tonga ny tsotsori mamba isarahana...dia misy anzany hoe mandoa pension alim an le tsy zanaky ny tena akory fa nijabaka
9. ikaretsaka ( 24/03/2009 15:32)
Ny hafahafa ange le hoe hisaraka..nefa avy eo mbola mikafr any @ le 1 maka pension alimantera sh'aveo. Tsy ho an zaza (tsy mbola nisy) De inona no antony hisarahana?

Fa ny tena masay @ io le hoe olona efa niteraka t@ olonkafa tany no nankarina ho vady..de nakarina ho zanaka koa ity zanak'olona...kanjo tonga ny tsotsori mamba isarahana...dia misy anzany hoe mandoa pension alim an le tsy zanaky ny tena akory fa nijabaka
10. xxx ( 02/04/2009 09:35)
Misaotra anareo rehetra namaly!
amzao fotoana izao de nitohy ny tantara satria de fantatro fa hay le vadiko io efa nanana sipa talohan'ny nisarahanay ary dia miaraka foana ry zareo amzao fotoana izao sady tsy miafina intsony, nefa ny divorce mbola tsy vita.
Mitombo ndray ny fanontaniako aminareo:
1) mety v ny mitory azy amzany izy manana sipa izany? sa mety kokoa ny mitana fa rainjanako izy de avela amzao?
2)ra ohatra ka tapakevitra ny hitory aho de in avy ny porofo mety ilaina amzany?
3)raha misy torohevitra hafa de mba lazao fa tena very ny saiko
Misaotra anareo
11. Mirananirina ( 04/04/2009 14:56)
)ra ohatra ka tapakevitra ny hitory aho de in avy ny porofo mety ilaina amzany?

Inona moa ny antony hitorianao azy.
Porofo tokony hilainao dia manira olona na namana maka sary azy miaraka amin'ilay sipa.Ny hipetrahany surtout.Izy 2 mifampitantana ,sns..........e.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.1893