secret n'ny md piera sy kristy? justice ve sa....?

1. manidina ( 18/05/2008 13:20)
lioka12:8:fa lazaiko aminareo:na zovy na zovy no manaiky ahy eo antrehan'ny olona de heken'ny zanak'olona kosa izy eo anatrehan'ny anjelin'ATRA
lioka12:9: fa izay manda Ahy eo antrehan'ny olona kosa ,dia holavina izy eo anatrehan'ny anjelin'Atra!
.matio 26:34 hoy Jesosy taminy: lazaiko aminao marina tokoa raha mbola tsy misy akoho maneno dia handa ahy in3 hianao....and:74:dia vao niozona sy nianiana izy ka nanao hoe:tsy fantatro mihintsy izany lehilahy izany,ary niaraka t@'izay dia nisy akoho naneno..
question:
efa nahafantatra mialoha ve i kristy fa handa azy i md piera eo anatrehan'ny olona ,nefa ho an'izay manda Azy eo anatrehan'ny olona tsy ho vita moramora any an-danitra? raha toa ka tsy nahafantatra mialoha Izy aiza ho aiza no misy an'i md Piera? satria le teny hoe: n'iza n'iza..izay manda ..dia en general sans exeption,mety hampihatra la justice ve izy sa hanakipy maso ?
azo atao ve ny mandainga?indrindra eo @ toerana misy an'i md Piera?
araka ny soratra masina:azo atao ve ny miozona amim-pandaingana?
raha ohatra isalasalana ny mikasika an'i md piera ekenao ve ny hoe :izy indray no ho lasa lohan'ny fiangonana? misy marina ve la justice .....inona no maha samy hafa olona tsotra manda an'i kristy sy ny mpianatra izay tena akaikiny manda Azy tsy any ve no ratsiratsy kokoa?

répondu par manidina le 13/06/2008 17:51
2. rebeccaF ( 19/05/2008 18:14)
Tsy ho hainao ny hamaly an'ireo fanontaniana ireo raha ohatra ka raisinao araka izay fahalalanao azy ny atao hoe: Justice.

Noho izany dia tsara raha fantarina aloha ny atao hoe: Justice, Justification, araka an'i Kristy. Tsy ho azonao anefa io raha tsy jerenao daholo ny Evanjely manontolo sy ny taratasy rehetra ao amin'ny NT.
3. jobily ( 20/05/2008 10:47)
rebeccaF salut !!!! moa veeeee mba nodinihinao tsara ny zavatra nanotanian'i manidina ? moave arakany fahitanao de reponse nanao ioeeeee!!!? sa teny entina mamerivery ilay mpanoratra ........? ary question farany ento ary izany zavatra tsy azonio ingahy mpanoratra io zany azavao eto aminaieeeeee fa aza avela ho (!?) le zavatraaaaaa.
fa nanao indray ry manidina tena nanidina tokoa ianao ity fa nefa zao ianao mila mahafantatra sa mila manao deba?raha zah alooo tsy afaka mamaly anao satria zah tsy mahay baiboly fa mbola ho avy ireo mafonja @ fanazavana ny baiboly de ho hitanay eo ny tena marina .bye
4. manidina ( 20/05/2008 12:18)
afaka hazavain'i rebeccaF ny atao hoe justice araka ny baiboly,tsy manin izany de in no itovizany sy ny tsy itovizany @ justice mahazatra antsika,tsy misy olana izany!
jobily: zah dia mila mahafantatra nefa raha ohatra ka le debat no lalana mankany @ fahafantarana tsy hitako ny olana raha oh ka entina @ fomba fanajana le izy!
fa ny zvtr hitako de odian'ireo mpivavaka tsy hita le forum satria tsy tandrify loatra angambany le teny ka tsy mahita havaly sa....satria fomba ahoana moa no tsy ahitahan-dry zareo ny loha hevitra nefa ny olha hevitra izay noforonina taty afara aza misy mpahita sy misy mpamaly? tsy lojika!
de miandry andry zareo mafonja @ fanazavana ny baiboly ary hitondra fanazavana ,ireo tena mpino marina fa tsy miangatra i kristy jesosy!
5. bor2lais ( 20/05/2008 12:39)
Miarahaba antsika rehetra.

Araka ny hevitro dia tsara jerena ihany angamba ny \"contexte\" t@ izany.
Raha ny momba an\'i Petera manokana dia fantatra fa mpianatra mafana fo izy nefa tsapa koa fa mbola nareforefo ny finoany t@ izany (vakio ohatra Matio 16:13-23). Izany finoana mareforefo izany dia miseho @ fahatokisan-tenany na fianteherana @ herin\'ny tenany : \"sanatria aminao izany ...\" ary fantatry Jesoa izany.

Ary ilay ao @ Matio 26 resahinao io dia mbola porofon\'izany.

I Jodasy Iskariota koa anie nandà an\'i Jesoa e (ary efa fantatry Jesoa koa izany), saingy inona no naha samihafa azy roa lahy ? I Petera nahatsiaro ny fahadisoany dia \"nitodika\" niverina @ i Jesoa (nanatona ny fiainana), fa i Jodasy kosa nahatsiaro ny fahadisoany dia \"nandositra\" ny tavan\'i Jesoa (nankany @ fahafatesana).

Fanamarihana kely momba ilay Lioka 12 : 8-9 nalainao : tsaratsara angamba raha notohizanao fara-faharatsiny hatramin\'ny andininy faha 10 ilay izy \"Fa na zovy na zovy no hanao teny hanohitra ny Zanak\'olona dia hahazo famelan-keloka; fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina dia tsy mba hahazo ny famelan-keloka.\"

Hevitra kely mba tiako zaraina fotsiny ny ahy iny fa ialako tsiny raha toa ka mety tsy mahavaly ny fanontaniana na hors sujet !
6. rijadolly ( 20/05/2008 16:31)
inona no maha samy hafa olona tsotra manda an'i kristy sy ny mpianatra izay tena akaikiny manda Azy tsy any ve no ratsiratsy kokoa?
Marina,Ny fahotana(fandavana ny zanaka)dia mitovy avoko Na Mpianatra sé na Mpampianatra.fa kosa raha mpampianatra se(mahafantatra azy bebekokoa) dia ho mafimafy tokoa ny fitsarana an'Sé,izay nohamarinin'Paoly izany http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=JAKOBA&toko=3&andininy=1-1&dika= .
raha ohatra isalasalana ny mikasika an'i md piera ekenao ve ny hoe :izy indray no ho lasa lohan'ny fiangonana? misy marina ve la justice
Ra i paoly sy Petera ihany no ampitahaiko dia samy hafa ny fandavana nataon'izireo ny an'paoly dia nanenjika ny voalohany ary nanaiky taty afara tao anatin'fanekena ny hadisoany tanteraka ary nohamarinina,fa ny an'piera ndray dia nankatoa sy nampiseho izany fankatoavany izany @heriny iray manontolo araka nolazain' bor2lais eo ambony eo,ary lasa nandaha izy taty aoriana.Ny tsiambaratelon'izy ireo anefa,izay hitovizany dia ny fiverenana amin'ilay Tompo sy Mpamonjy,Fanoloranao sy ny fanekenao ny hadisoana ho eo aminiNY mba ho dioviNY,ary dia ho afaka tokoa ianao ra manolotra izany amin'fo torotoro,zay ilay "justifier".io no maha samy hafa ilay justice amin'maha zatra antsika."Heloka hibaboana mody rariny" hoy isika Malagasy,satria manana mpisolovava izay manantona an'Jesoa Kristy.Voavaly ho azy ireto fanontaniana ireto ra azonao tsara ny fanazavanay mitambatra:
mety hampihatra la justice ve izy sa hanakipy maso ?
azo atao ve ny mandainga?indrindra eo @ toerana misy an'i md Piera?
araka ny soratra masina:azo atao ve ny miozona amim-pandaingana?
Anisany iray amin'antony nidinan'Jesoa Kristy tety an-tany ny fanafahana ny marary(amin'ny hendriny samihafa)ra hitany ialy secret voalazako etsy ambony.
efa nahafantatra mialoha ve i kristy fa handa azy i md piera eo anatrehan'ny olona
Efa fantaNY fa handahaAZY Petera

Manidina>>>Tsy aiko ra izay ilay tedavinao,ny hamoaka ilay secret araky ny lohahevitrao,fa ny fahitako anao dia mpino fa ataonao amin'fomba hafa ny filazanao ny hevitrao,ary ny mpino sasany manamarina fotsiny avy eo,satria "diriger-nao"@ fanotaniana ny tianao ambara. :-*
7. rebeccaF ( 20/05/2008 17:24)
Tsy hataoko lava ny resaka fa ataoko fohy ihany:
Ny Justice ho an'Andriamanitra, araka ny famakiko ny Baiboly sy araka ny fiainanako ny finoako dia mifototra amin'ny Fitiavana.
Ho an'ny fitsaran'olombelona izay manao ny tsy mety dia mendrika ny ho sazina, na eliminer-na mihitsy. Ho an'Andriamanitra kosa izay manao hadisoana dia mendrika famindram-po.

Isaky ny manao hadisoana ny olona, na manana faniriana hanao ratsy dia misy foana ny antson'andriamanitra miantefa aminy mba hiverenany aminy. Teny na fihetsika mitondra ilay olona handinin-tena. Ohatra ny vahoaka tao Niniva, i Piera, Jodasy, Paoly, sns....

Hamaranako azy dia izao: "Raha mino ianao fa mahafindra tendrombohitra ny Finoana, dia mahatokia koa fa mahazaka izao tontolo izao ny Fitiavana, ary tsy misy fahotana tsy ho voafafan'ny famindram-pon'Andriamanitra raha ekenao ny ho dioviny".
8. fijo ( 20/05/2008 22:27)
tssssss politika letsy izany an.samy namadika an'i lery i piera sy jodasy.i jodasy novonoina i piera lasa deban'ny fiangonana.
9. jobily ( 25/05/2008 12:18)
hay fantatrao @ zay ry manidina fa i petera dia nanda any kristy teo anatrehanolona fa nefa nifona koa izy niaiky ny fahadisoany de nifona koa teo anatrehan'andriamanitra sy teo anatrahany olona donc avotra zany izy t@ ilay teny hoe (na iza na iza no manda ........eo anatrehanolona.......),fa nefa ny zavatra mahagaga anah koa @ ity resaka ity dia zao hoe fotoana nahateo any kristy dia tsy mbola feno finoana i petera fa nefa rehefa lasa i kristy izay izy vo feno finoana zany veeee de ekeny saina ry avakoeeeee ?
ohatra zao raha:misy olona misery anao hanome tefaka any mamanao fa raha tsy omenao tefaka izy de ho faty ianao ,de nomenao tefaka ny mamanao .
fa raha toaka misy olona iray koa milaza hoe aratsioratsio eto anatrehanay i mamanao raha tsy tianao ny ho faty ,nefa @ zany fotoana izany i maman tsy eo fa any @ toerana hafa de aiza no moramora kokoa aminao ny manantateraka azy ? {mino zah fa takatrareo ny tiko holazaina}
10. manidina ( 26/05/2008 16:21)
ataoko fa le resaka we nifona i piera sns resaka foronina hiarovana azy fa tsy misy porofo,satria tsy nisy tohiny le resaka ,taorianan'ny namantsihana azy t@ hazo fijaliana ,tsy niresaka izy roroa, ary taorian'ny fitsanganany t@ maty ,t@ fisehoany t@ ny mpianany de tsy miresaka an'izany mandra-piakarany any an-danitra
asa na avy aiza ny fahitana hoe nifona izy sns,...asa ny an'izay mahita an'izany ny baiboliny original fa raha ny bible eo ampelan-tanana tsy miresaka ny suite-n'ny ditran'ny md piera!
i jodasy no voaresaka momba ny fanenenany izay nitarika azy t@ famonoan-tena!! fa piera nanenina ,nifona ,nifanaraka t@ i jesosy ...io tsy misy!
zah koa dia gaga tahaka anao ry jobily satria ny tena namana dia izay tonga,mamonjy @ fotoan-tsarotra fa ny apostoly kosa au contraire!! eny fa na dia ny hiaritory miaraka @ jesosy aza talohan'ny nanamborana azy tsy nataon'izy ireo ary nahakivy an'i jesosy zany fihetsika izany!
11. bor2lais ( 27/05/2008 11:46)
manidina:

ataoko fa le resaka we nifona i piera sns resaka foronina hiarovana azy fa tsy misy porofo,satria tsy nisy tohiny le resaka ,taorianan\'ny namantsihana azy t@ hazo fijaliana ,tsy niresaka izy roroa, ary taorian\'ny fitsanganany t@ maty ,t@ fisehoany t@ ny mpianany de tsy miresaka an\'izany mandra-piakarany any an-danitra
asa na avy aiza ny fahitana hoe nifona izy sns,...asa ny an\'izay mahita an\'izany ny baiboliny original fa raha ny bible eo ampelan-tanana tsy miresaka ny suite-n\'ny ditran\'ny md piera!
i jodasy no voaresaka momba ny fanenenany izay nitarika azy t@ famonoan-tena!! fa piera nanenina ,nifona ,nifanaraka t@ i jesosy ...io tsy misy!

Momba ny fanenenan\'i Piera, ahoana ny fandraisan\'i \"manidina\" an\'ilay voasoratra ao Lioka 22 : 61-62 :
\"Ary ny Tompo nitodika, ka nijery an\'i Petera. Ary Petera nahatsiaro ilay tenin\'ny Tompo nolazainy taminy hoe : \'raha mbola tsy misy akoho maneno anio, dia handà Ahy intelo hianao.\' Ary nivoaka Petera, dia nitomany mafy indrindra.\"
Momba ny famelan\'i Kristy an\'i Piera, ahoana ny fandraisanao ny voasoratra ao Jaona 21 : 15-19 (taorian\'ny nitsanganaNY tamin\'ny maty) izay nanontaniaNY an\'i Piera intelo raha tia Azy izy na tsia ... dia nofaranaNY hoe \"Manaraha Ahy\" ?
12. manidina ( 27/05/2008 17:27)
misaotra an'i bor2lais namaly,raha araka ny andininy ao@ lioka izay nomenao iza no milaza aminao fa fa io no fifonany @'i jesosy?raha te hifona izy maninn no tsy sahy nanatona an'i kristy mivantana? maninn tsy sahinao milaza fa ny antony itomaniany dia ny fahitany ny fahatanterahan'ny teny izay nambaran'i kristy azy izay tsy ninoany sy tsy nekeny? hoy matio tok26:31 ary t@izany hoy jesosytaminy :hianareo rehetra dia ho tafintohina noho ny amiko ...and33 fa petera namaly ka nanao taminy hoe: na dia ho tafintohina noho ny aminao aza ny olona rehetra ,izaho tsy ho tafintohina mandrakizay!!!!! milaza an'izany izy nohon'ny tsy fahampian'ny finoany,kely finoana!
and34: hoy jesosy taminy lazaiko aminao marina tokoa fa anio alina,raha tsy mbola misy akoho maneno ,dia handa ahy intelo hianao
and35:na dia hiara-maty aminao aminao aza aho,tsy handa anao tokoa aho...milaza an'izany izy satria mbola tsy mino sy tsy matoky an'i jesosy ,fa raha mba nino izy fa jesosy ilay fahamarinana ,tsy mandainga..sns de tokony ho nanaiky amboalohany izy fa indrisy tsy izany ny zava-nisy!!! izay nahatonga an'i kristy nalahelo am-po sy ory indrindra araka ny andininy faha-37!!!!
izay nahatonga ahy manontany tery amboalohany izay mbola tsy nahazoana valiny hatr@'izao: azo atao ve ny mandainga? mianiana lainga? araka ny nataon'i petera? manin ny mpianatra akaiky indray koa no kely finoana nefa nahita ny fahagagana maro? toa an'i petera?
ary raha ny fahitana ny fitondratenan'ireo mpianatra miaraka @ i kristy tao getsemane ,jodasy,piera sns..dia milaza fa tsy nahay nifidy mpianatra i kristy,diso paika total.....surtt @ ra-jodasy iskariota!!!
lioka 22:61,62 :misaotra anao nanome ny andininy izay manambara fa nanakipy maso i kristy satria ny verset izay nomenao tsy manambara ny suite n'ny le sujet! fa page hafa mihintsiny?fa nanin??????????????
13. jobily ( 28/05/2008 06:34)
oaoooo aiza ndray nareooeeee ampinareo zahay fa mihamafana izy zany to tsy ho zakanay ny misaina azy ampinareo zahay ry retooooo ,ampinareo izahay @ ity kala tsaina ity fa to marina dol ny zavatra lazainy .
14. bor2lais ( 28/05/2008 09:15)
manidina > \"misaotra an\'i bor2lais namaly,raha araka ny andininy ao@ lioka izay nomenao iza no milaza aminao fa fa io no fifonany @\'i jesosy?raha te hifona izy maninn no tsy sahy nanatona an\'i kristy mivantana? \"

-> Ekena tokoa fa tsy misy ao @ Baiboly fehezan-teny voasoratra toy ny hoe : \"Rehefa izany dia nanenina mafy tokoa i Piera ka lasa nanatona sy nifona tany @ Kristy\".

Nefa tiako aloha ny manao izao fanamarihana kely izao : ny Baiboly dia tsy toy ny boky hafa rehetra (roman, histoire, sns). Ny andininy tsirairay dia mety mifono hafatra (iray na maro) ho antsika. Anjarantsika no mangataka ny Fanahy Masina ahazoantsika mahatakatra izany hafatra izany. Mipetraka ho soratra ihany (toy ny @ boky hafa rehetra) mantsy ny ao @ Baiboly raha tsy ny Fanahy Masina no manova azy ho lasa Tenin\'Andriamanitra.

Hoy ianao hoe :
\"maninn tsy sahinao milaza fa ny antony itomaniany dia ny fahitany ny fahatanterahan\'ny teny izay nambaran\'i kristy azy izay tsy ninoany sy tsy nekeny?\"

Angamba kosa samy manaiky isika fa tsy ranomasom-pifaliana akory ny an\'i Piera eto. Ary inona moa ny fahotana ? Moa ve tsy ny \"tsi-finoana\" Azy ? Noho izany araka io lazainao io dia fahatsapan-tena fa nanota no isan\'ny azo hanazavana io fihetsiky Piera io.

Ny tohin\'ny tantara (tsy voatery hita mitohy toy ny @ roman akory) dia lasa niova toetra i Piera : tsy olona mahatoky tena intsony tahaka ny ao @ andininy voalazanao hoe \"sanatria aminao anie izany, sns\" fa hoy izy ao @ Jaona 21 : 15-19 nolazaiko anao rehefa avy nanontaniaNY intelo raha tia Azy izy na tsia, (nalahelo i Piera dia niteny hoe) \"Tompoko, Hianao mahalala ny zavatra rehetra, fantatrao fa tia Anao aho\". Izay fiovan-toetra izay (amiko) no atao hoe fibebahana (asa na mitovy aloha ny famaritantsika ny atao hoe fibebahana na tsia). Lasa nino tanteraka i Piera : \"Hianao mahalala ny zavatra rehetra\". Tsy i Piera matoky tena intsony no hita eto.

Rehefa nibebaka i Piera dia navelan\'i Kristy (tsy voasoratra ao @ Baiboly koa io teny io) : nomeny andraikitra (andraso , fahano ary ny ondriko) ary hoy Izy \"Manaraha Ahy\".

Izay no kely azoko lazaina mikasika iny tantaran\'i Piera iny !
15. manidina ( 29/05/2008 14:56)
izany hoe manaiky anao fa tsy nasiany resaka mihintsy ilay fandavan'i piera azy intelo,ny fianianana lainga nataon'i piera?!!!!!!!! milaza anao fa tsy boky roman ny bible ka hitantara ny fifonan'i piera sns..nefa hiresaka ny suicide n'i jodasy ny bible mahavita,hiresaka fihinanan'i jesosy trondro miaraka @ apostoly,mahavita..ny hilaza @ piera hoe tia ahy ianao sns...betsaka zavatra izay tsy dia hita ny mahazava dehibe azy ao mihoatran'ny tanataran'i piera nefa voasoratra...ny mahasarotra le resaka angeh ny menace nataon'i kristy ho an'izay manda azy e!!n'iza n'iza tsy ankavanavaka!!!!! nefa ny mpianatra akaiky azy indray no nahavanondoza!!
raha zah na enao anefa no nanao an'iny mety tsy vita moramora! satria raha tsy izany dia tsy misy dikany,manko le menace raha oh ka samy ho voavela isika rehetra refa manda an'i kristy eo anatrehan'ny olona!
sa ho an'iza marina le menace? sa teny tsy voatandrin'i kristy angambany le izy satria tsy voalohany manko iny
16. bor2lais ( 30/05/2008 08:37)
manidina >

Hoy ianao hoe : \"izany hoe manaiky anao fa tsy nasiany resaka mihintsy ilay fandavan\'i piera azy intelo,ny fianianana lainga nataon\'i piera?!!!!!!!!\"
-> rehefa miteny ianao hoe \"tsy nasiany resaka\", Jesoa ve no tianao tenenina sa ny Baiboly ? Io efa nolazaiko anao ambony io ny tohiny (araka ny fahitako azy).

Dia hoy indray ianao hoe : \"milaza anao fa tsy boky roman ny bible ka hitantara ny fifonan\'i piera sns..\"

-> diso fandray ny teniko kosa angamba ianao na izaho no tsy nahay nanazava tsara (ka ialako tsiny aminao). Nilaza tokoa aho fa tsy boky roman ny Baiboly saingy ilay tohiny no mandiso ny zavatra noteneniko. Azavaiko amin\'ny fomba hafa ho anao indray ary ny tiako tenenina : tsy voatery \"explicite\" na voasoratra mazava toy ny @ boky hafa ny ao @ Baiboly. Ohatra ianao izao mitady hoe aiza ao Baiboly no misy milaza ny fifonan\'i Piera ? Tsy nahita ianao satria ianao niandry fehezan-teny mazava ara-bakiteny (na explicite) momba izany. Izaho anefa nanazava taminao etsy ambony fa misy ao saingy \"implicite\". Ny hafatra ara-panahy no tena fonosin\'ny Baiboly.

Dia notohizanao ny resakao hoe : \"nefa hiresaka ny suicide n\'i jodasy ny bible mahavita,hiresaka fihinanan\'i jesosy trondro miaraka @ apostoly,mahavita..ny hilaza @ piera hoe tia ahy ianao sns...betsaka zavatra izay tsy dia hita ny mahazava dehibe azy ao mihoatran\'ny tanataran\'i piera nefa voasoratra...\"

-> eto izao dia hita fa tsy heverinao mihitsy ny hafatra ara-panahy fonosin\'ireo zavatra tanisainao ireo, satria raisinao toy ny famaky boky hafa ny famaky Baiboly (nefa mety mifono ny tantaran\'i Piera na ny sombiny tadiavinao ihany anie e )

Dia hoy ianao hoe : \"ny mahasarotra le resaka angeh ny menace nataon\'i kristy ho an\'izay manda azy e!!n\'iza n\'iza tsy ankavanavaka!!!!! nefa ny mpianatra akaiky azy indray no nahavanondoza!! raha zah na enao anefa no nanao an\'iny mety tsy vita moramora! satria raha tsy izany dia tsy misy dikany,manko le menace raha oh ka samy ho voavela isika rehetra refa manda an\'i kristy eo anatrehan\'ny olona! sa ho an\'iza marina le menace? sa teny tsy voatandrin\'i kristy angambany le izy satria tsy voalohany manko iny\"

-> Ka ilay Piera voalaza eto ange mety ho izaho mety ho ianao e ! Araka ny voalazako taminao ery ambony, ny hafatra dia izao : rehefa mahatsapa fa nanota dia tokony hibebaka (marina tokoa) mba hahazo ny famelana. Ilay teny hoe \"menace\" ampiasainao kosa aloha tsy dia iombonako loatra aminao. Raha \"menace\" mantsy ilay izy dia tsy ho voavonjy mihitsy i Piera satria \"exécution immédiate\" raha vao tsy tanteraka ilay fepetra tadiavina !
Ny tantaran\'i Piera io koa anie toa milaza amintsika fa tsy misy amintsika na iray akory aza afaka hilaza fa tsy manana ota.

Farany, velom-panontaniana ianao hoe \"misy privilège manokana ve ho an\'i Piera ?\" Asa raha efa novakianao ny tantaran\'ilay jiolahy 2 lahy niara-nomboana t@ Kristy teo @ hazo fijaliana : naninona ny 1 ihany no nahazo famonjena ? (Tandremo fa tsy misy valin-teny \"explicite\" ao an !)

Dia mirary soa indrindra ho anao.
17. manidina ( 31/05/2008 04:33)
misaotra an'i bor2lais namaly, ary mirary anao mba hazoto hatrany hanohy ny adi-hevitra,satria ny hevitra no miady,
nanontany anao hoe iza no tiako ho lazaina @ le we tsy nasiany resaka?...dia hoy izaho hoe i jesosy mihintsy no lazaiko @'io fa tsy baiboly,satria ny baiboly no milaza sy mitantara izay nataon'i jesosy...
hoy ianao hoe:tsy voatery explicite na voasoratra mazava toy ny boky hafa ny ao@baiboly...hoy izaho aminao raha oh ny baboly tenany tsy mazava fomba ahoana no anazavany ny hafa na ahazoan'ny hafa hazavana avy aminy nefa izy tsy mazava ho an'ny olona?tsy voavakinao ve le tenin'i kristy hoe:raha oh jamba mitarika jamba dia samy ho latsaka ao anatin'ny lavaka izy roa?
sa natao ho an'iza moa ny babiboly??ary izay no mahatonga no mahatonga fahaverezana sy fisian'ny secte maro satria isika izao tsy @ fotoanana fisian'ny mpaminany..de samy olona manazava araka izay hitany.
inn no hevitra ara-panahy fonosin'ny tanatara izay hita ny tsy mahazava-dehibe azy nefa voasoratra ao @ bible?
tsy menasy hoy izy anao fa izaho dia mbola mamerina an'izany hoe menace ilay izy ary valifaty mihintsy na koa hoe vengeance!fa izay manda ahy kosa eo anatrehan'ny olona dia ho lavina izy eo anatrehan'ny anjelin'A/TRA !!!TSY HITAKO ARY LE WE AZA MAMALY RATSY NY MANAO RATSY AMINAO ETO!!
avereno vakiana le tantaran'ny jiolahinao de diniho tsara!
18. bor2lais ( 02/06/2008 09:17)
manidina:


hoy ianao hoe:tsy voatery explicite na voasoratra mazava toy ny boky hafa ny ao@baiboly...hoy izaho aminao raha oh ny baboly tenany tsy mazava fomba ahoana no anazavany ny hafa na ahazoan\'ny hafa hazavana avy aminy nefa izy tsy mazava ho an\'ny olona?tsy voavakinao ve le tenin\'i kristy hoe:raha oh jamba mitarika jamba dia samy ho latsaka ao anatin\'ny lavaka izy roa?
sa natao ho an\'iza moa ny babiboly??ary izay no mahatonga no mahatonga fahaverezana sy fisian\'ny secte maro satria isika izao tsy @ fotoanana fisian\'ny mpaminany..de samy olona manazava araka izay hitany.
inn no hevitra ara-panahy fonosin\'ny tanatara izay hita ny tsy mahazava-dehibe azy nefa voasoratra ao @ bible?


-> Miarahaba anao ry \"manidina\" !

Mba misy teny tiako zaraina aminao ireto mikasika ny Baiboly izay notsongaiko tao anaty boky nosoratan\'i S. Diétrich mitondra ny lohateny hoe \"Le dessein de Dieu\" hanampy ny fanazavako momba izany tery ambony :

\"... La Bible ne se présente pas à nous comme un livre de philosophie ou d\'histoire; elle ne nous parle pas de Dieu, mais au nom de Dieu ...\"

\"... La Bible est un livre difficile à comprendre justement parce que c\'est un livre à la fois humain et divin. C\'est un livre écrit par des hommes liés à une époque, à un langage, à des circonstances particulières; un morceau d\'histoire humaine. Mais à travers cette histoire humaine, une autre histoire se déroule : celle que Dieu lui-même écrit dans les coeurs d\'hommes, celle qu\'Il fait à la fois pour nous, à travers nous et malgré nous; et cette histoire est l\'histoire d\'un salut; c\'est l\'histoire d\'un combat que Dieu livre aux hommes, pour les hommes et contre les hommes ...\"

\"...Elle (la Bible) nous révèle que l\'histoire est un combat incessant entre Dieu qui appelle et l\'homme qui résiste...\"

Izay no mahatsara ny fangatahana ny Fanahy Masina alohan\'ny hamakiana ny Baiboly : ahazoana mahatakatra ny tiaNY hambara ! Mba tsy ho samy jamba mifampitantana araka ny nolazainao !
19. manidina ( 13/06/2008 17:51)
teny miverimberina foana izy izany!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6792