Tena miaro ny vahoaka tokoa ve ny Polisy?

1. kofbay ( 07/12/2007 18:44)
inty nisy zavatra tena tsy mampino nataon'ireo polisy tao Tsaralalana. Nisy nangalatra ny fiaran'ilay cousine-ko, sendra hitany tampoka teny @ 13 may ilay fiara 1 volana taty aoriana, dia niantso ahy izy dia tonga teny ozaho sy ireo namako. avy hatrany izahay dia nankao @ Centrale tatsy Tsaralalana. Dia nolazaina ireo polisy nanao permanance tao! Ry zalahy matory amin'io, dia hoy izy hoe mandehana ataovy mihinan....dia taritarito aty fa izahay tsy afaka mivoaka fa lasa nanao ronde daholo ry zalahy! Dia nony tonga teny dia saika notambaran'ny olona, satria ilay olona tao anaty fiara koa dia olona voafitaka nividy ilay fiara. Nisy mpilalao sarimihetsika malagasy malaza tia setrasetra izay ary tena niditra koa ary efa saika hively ny lohako t@ Tavoahangy mihintsy fa soa ihany fa nanana basy ilay cousin-ko iray ka avy hatrany dia nanambana. tonga dia nadio ny tanana fa notsoaka daholo ny olona ary nanaiky nandeha nanaraka anay teny @ polisy ireo olona tao anaty fiara! vao niditra ny centrale dia avy hatrany dia nodarohon'ireo polisy tao ry zalahy ary naratra mihintsy, tsy afaka nanazava akory, vao niteny izahay hoe tsy mety izany mikasitanan'olona izany, dia hoy ry zalahy hoe hidiko miaraka amireo ato daholo eo ianareo an! sa tsy fiaranareo akory io? dia nosavaina ny papiern'ny fiara sy ny anay hijerena raha anay tokoa ny fiara! dia voadaroka indray ry zalahy vao natao PV maimaika avy eo nalefa violon. Nony nalainay ilay fiara dia navoakanay izay entana tsy anay tao dia nomenay polisy! dia nozarain-dry zalahy ny entana tao, akanjo, telephone, sy tsy haiko intsony! ny ambina revy moa dia noreven-dry zalahy; toaka, limonade, poulet sy brochette sigara.

Ny ampitson'iny ihany anefa dia voasambotra ilay tena mpangalatra, fa ny niafaran-sry zalahy dia tsy hay na ahoana na ahoana, ny fantatra fotsiny dia hoe voafitaka ry zalahy ka lasa nividy halatra tsy fidiny!

tena gaga mihintsy aho hoe izany ve no olona atao hiaro ny vahoaka, mbola misy tantara hafa koa aza tena efa hitako fa io ,oha no tantaraiko androany dia @ manaraka ny hafa.
novalian'i LazaDaddy ny 19/02/2008 03:28
2. fijo ( 07/12/2007 20:15)
izay no fandehany any amintsika,ka atao ahoana fa mbola ezaka be io vao hiova
3. sakaizakely ( 08/12/2007 13:06)
:{:{:{:{:{:{:{:{

mampiseho fa tena mbola maizintsaina mihitsy 8O8O8O8O8O8O

manaova déposition @ biraon'ny polisy hafa mitantara ny zava-niseho. Aza hadino ny manatona mpisolovava alohan'izay.

misy tsy mety maromaro azo raisina eto :

1° tsy manao ny asa maha-polisy azy ny polisy, na dia hoe tsy fidiny azy ireo aza satria tsy ampy an'isa (sous effectif) na koa très mal organisé, zany hoe ny mpiandraikitra mihitsy no tsy mahavoa raha :-w

2° na inn na inn mitranga, hoy ny frantsay hoe personne n'a le droit de faire justice soi-même. Anjaran'ny manampahefana amin'izany no mandray andraikitra. Noho izany, tsy tokony ho niseho nanantona tany mihitsy ianareo. Soa ihany fa naika niafara t@ zavadoza : naika nitammbaran'ny fokonolona na naika voadarok'ilay olona. Soa ihany nierendoza ianareo fa tsy nisy daholo izany.

Ny polisy no tokony nandray andraikitra fa tsy ianareo, na dia mazava tsara aza fa ianareo no manana ny rariny. Ny ahy dia ataoko hoe rehefa tsy nihetsika ny polisy de navela any. Ny aina sarobidy tsy azo atakalo tomobila na volabe :oops::oops:

3° misy fahadisoany ihany ireo olona na dia hoe voafitaka ara. Mividy fiara tsy misy garanties dia naman'ny manao ny tsy mety ihany. Misy dikany anie rey olona ireny concessionnaires ireny. Ry zareo no tomponantoka @ny entana amidiny.

Mbola lavitrezaka ny malagasy :idea::idea:
4. fahamarinana ( 08/12/2007 13:15)
:arrow:tena hanjana be zany any zany kouh,nefa misy dérive kely foana koa na ny aty ivelany aza,enga anie tsy ho ny rehetra no toa izany e....(l)
5. Bafota ( 08/12/2007 13:39)
Ireo rehetra voatantaranareo ireo ry namako isany dia porofon'ny fahosan'ny fanjakana eo anoloan'zava-misy marina,efa tsy mandeha amin'ny tokony ho izy intsony io fanjakana misy ankehitriny io:ohatra iray ity"vert armee",ejehina daholo rehefa mety ho io loko io,eny fa na dia zaza kely 2taona aza mitondra io,Lazaina fa enti-manao asan-jiolahy.... Fa raha izany no marina dia tsy tokony hisy miaramila ,zandary,polisy... hanao akanjo sivily intsony satria am'zao fotoana izao dia betsaka ireo mpitandro filaminana manao akanjo sivily manao ny asa ratsy rehetra (manaraha gazety).Miha-osa ny fanjakana hoy aho satria olona tsy hary nahita izany hoe fiaina-miaramila izany no tendrena hitantana azy
de mankaiza ny tsy mandady harona,mifamadika ilay loha-hevitra fa raha izao dia ny vahoaka indray no hiaro ny mpitandro filaminana.Araky ny hevitro io an!.Mirary soa
6. kofbay ( 09/12/2007 18:52)
Misaotra betsaka namaly, ary tena marina iofahadisoanay nolazainao io, izahay koa moa tamin'io dia nentim-po fotsiny ka saika loza tokoa no nanjo! Mahakasika ilay hoe manantona polisy miaraka @ avocat dia efa nisy tokoa fotoana nanaovanay an'izany t@ trangan-javatra hafa. Nisy volabe very tao @ orinasa niasan'ny vadiko ary avy hatrany dia izy no noendrinkendrehana, ny tena nanao anefa dia fantatra fa ilay chef ihany, kanefa dia izy no nasain'ny orin'asa hanao ny enquete interne. tonga tampoka tao an-trano aary polisy ary nosamborina toy ireny jiolahy ireny ramatoa, (tsy nisy convocation)androtr'iny ihany dia nohidiana tany @ violon ary na ny avocat aza tsy nandrasan'ny polisy akory fa lazaina fa hoe mandainga hono! ny ampitso maraina tonga dia nasiana menottes ary nentina teny Anosy. Soa ihany fa nisy namana mba niantra tao ampiasana ka nanome copie-na facture nisy ny anaran'ireo polisy nisambotra sy nanao enquete, ny liste ireo zavatra avy ao ampiasana nomena azy, ary koa ny antony nanomezana azy, dia nosoratany hoe mahakasika ilay enquete, dia nanao sonia teo ilay chef. izay zavatra izay no nahazoanay LP sy nahatonga ny enquete ho somary nihitatra kokoa ka mbola mitohy hatramin'izao.
Nentina tany amin'ny polisy anti-corruption tetsy @ BC ilay facture nampiarahay plainte hikarohana ny marina sy ny tena zavatra hafenin'io corruption io, ary nangataka enquete momban'ny hoe nahoana no tena natao expeditif be ilay izy, satria dia nosambrina zoma atoandro rafotsy ary nentina teny amin'ny parquet ny sabotsy maraina ary tena efa nanantena ny handefa azy teny antanimora t@ iny sabotsy iny ihany! Dia hoy ry zareo tao @ BC, tena manahirana be anay ity plainte-nareo ity fa misy polisy tafiditra sady izahay mpiakama ka manahirana raha izahay ihany no hisambotra an'ry zalahy fa reformuleo io dia aza asiana resaka polisy! Vao nampiantsoin'ny polisin'ny BC ny tao ampiasana nanaovana enquete ny herinandro manaraka, dia efa tsy menatra akory ry zalahy avy eo manana stylo, sy gadgets isan-karazany misy ny logon'ny societe! rehefa tena kivy izahay dia nandeha tany amin'ny BIANCO niaraka t@ ilay facture izay mba hany porofo nisian'ny corruption mazava be! afaka 3 volana aty aoriana mbola tsy nisy valiny dia no-relancena ilay izy dia hoe hadinon'ny BIANCO hono ny nandinika azy fa nahazo conge de maternite ilay nandray azy dia tsy vita tsara ny passation, dia afaka 3 volana taty aoriana indray dia naharay taratasy avy amin'ny BIANCO indray izahay avy eo hoe nalefany any @ procureur de la republique ny dossier fa tsy ao anaty competence-ny dia efa 3 mois indray izay no lasa, dia izahay dia miandry sy mitaintaina fotsiny. kanefa ilay facture dia mazava be, ary mino aho fa tsy mbola nisy mihintsy izany hoe corruption ka nisy facture izany! ny sorata tao dia; cadeau valeur 20.000 Ar, pour l'Officier xxxx et le Brigadier XXX concernant l'affaire xxx! Izay no nahatonga ila fanontaniako hoe 'Tena miaro ny vahoaka tokoa ve ny Polisy?' efa notantaraiko t@ forum hafa moa io fa vao nanonona ny anaran'ireo Polisy ireo aho dia no supprimen'moderateur ilay izy!
7. fahamarinana ( 10/12/2007 09:50)
:arrow:tena mazana be zany ,ary mampivarahotsina raha voaendrika amin'ny zavatra tsy natao no sady tsy miheno ny tompon'andraikitra noheverina fa afaka manafaka sy manadio.Sarotra e,tena tsy laitra tokoa!(l)
8. sakaizakely ( 10/12/2007 09:56)
kofboay

:{:{:{:{:{:{:{

mampatahotra be izy izany

mbola mitohy ihany kay ilay tsolotsolotra sy fanararaotana isankarazany ??? Noheveriko fa mba mahavoa raha ny Bianco...

tsy nolazainao raha efa tafavoaka madamanao na tsia. Tena tsy rariny dia tsy rariny tokoa ary hita fa misy lesoka be dia be

Ilay hoe tsy vita passation :roll::roll::roll::roll: dia ampiandrasana amantaonany ny olona

Ka raha ny avocats ara izany tsy afaka manao ny asany aradalàna ? Dia tena verezinjo ve ny mpiray tanindrazana rey olona ?

Mba mahagaga koa hoe efa manana porofo (factures) nareo nefa dia mbola tsy voavaha foana ny olana. Farafaharatsiny tokony mahazo libération conditionnelle ve ^^^^^^^^

Ny tokony tanjona tokona tokony atao angamba dia ny fandiovana ny vadinao, hanaporofoana fa tsy izy no naka ny vola. Point barre ! Ampisehoy ny lehiben'ny orinasa io facture anananareo io.

Ny fanaporofoana fa misy corruption @ orinasa, sy hoe iza no tena manao azy, avelao ho anjaran'ny tompon'ny orinasa satria afera roa samihafa izany

Farany, tsy mety ny manome anaran'olona ka tsy omena tsiny ny mpiandraikitra raha mamafa ny dinika.

Mazotoa :-* dia aza hadino ny mitantara aminay ny tohiny
9. fahamarinana ( 10/12/2007 13:43)
:arrow:Ny ahy ry reto no mba tsaroako dia tamin'ny za tany farany teo anosy akaiky ny patte d'eph teo nijanona ni-se garer zahay dia nosakanan'ny polisy hoe interdit hono dia nitaky carte grise izy.Ny tena moa namaly hoe tsy misy soratra eo,aiza ny plaque milaza izany dia novaliany hoe efa nisy nanendaka teo fa ny olona rehetra efa mahafantatra izany daholo.Fa tsy nety tezitra fa toran'ny hehy ndray aloha,ahoana ary no ahalalako hoe nisy teo nefa za mpanao vacance fontsiny !!!(l)
10. kofbay ( 10/12/2007 17:45)
i Rafotsy aloha tsy nidoboka, fa vokatr'ilay facture dia nisalasala ny parquet dia nahazo liberte provisoire, ary ny nahatsara azy dia lasa nandeha lalina ny enquete ka nantsoina daholo ny mpiara-miasa hatr@ ny deba aza! Ny olana dia na dia nadefasana taratasy betsaka aza ilay deba be hijery akaiky ny raharaha dia niala pa foana fa izay rapport ataon'ny dpt ihany no ninoany! ary izy aza dia vao maika nijoro ho mpitory koa!Ny mahavelombolo fotsiny aloha dia nilaza ilay avocat fa betsaka ny cas tahaka ny anay ka matetika dia ilay debadeba mba nahazo fahefana ihany no tena mpanodina fa hanadiovan-tena dia tsy maintsy mitady olona hafa hadoboka. any amin'ny fevrier 2008 any indray vao miverina eny @ fitsarana fa ny tohiny aloha dia tena tsy hay!
ilay facture indray dia tsy naseho ilay debabe satria sao dia ampanjavon-dry zareo ny copie-ny raha vao fantany. Ny tena mampalehelo anay dia tsy nanao enquete lalina mihintsy ny polisin'ny BC kanefa dia ny Anti corruption sy ny polisy economique no nampadraiketana dossier avy avy hatrany dia nataony DAT (Dossier A Transfere)izany hoe toy ny tsy misy diany ilay fitorianay.Ankoatr'izay rehefa notorianay ilay chef nanao corruption dia mbola nilaza fa hoe tsy ahavoa anazy mihintsy hono izahay satria ny rafozany dia jeneraly ao Ambohitsirohotra, ary fantatra ilay izy, olona efa nogadrain'i Ravalo dia naveriny indray nohon'ny resaka intervention ihany, kanefa dia mbola entin'ilery hampitahoran'olona ihany! Izahay anefa tsy ny hoe hamely olona ny tanjona fa ny hanaporofo ny fahadiovanay sy ny mba tena hitadiavana ny marina.
Izy izany tsy tena mbola vadiko, fa efa miara-mipetraka izahay, kanefa noho io raharaha io dia lasa mihantona daholo ny projet; mariazy, zaza sns, ary na ny fiainana aza dia lasa mihafihafy sy be fitsitsiana satria tsy hay izay avoakan'ny ampitso! Tena maharary anie ry reto izany hoe ny vadin'ny tena izany mifatotra menottes miaraka @ ireny jiolahy ireny dia ny tena manaraka ato aoriana satria tsy azo sarahina ireo mpifatotra nefa marobe ka tsy mety hoe andao handeha fiara e! Ny fahafam-baraka manginy fotsiny ireo mpitory @zany mihedinedina eraky ny fitsarana mihome sy mikakaka! ary ny tena nahasosotra dia satria andro tokony niasan-drafotsy io andro io, dia mbola sahy mandefa demande d'explication ihany ny ressources humaines hoe naninona hono no tsy niasa t@io andro io!
11. fahamarinana ( 11/12/2007 12:01)
:arrow:tena mahereza ry kofboay fa tsy hitako zay ambara fa mahakivy ny toe-javamiseho any zany,marina!(l)
12. kofbay ( 14/12/2007 20:32)
merci e!
13. tlay ( 08/01/2008 14:43)
mapalaelo ry reto no nahazo anilay ramato be zay an!
ndray andro zay za hanao zvt tao @poste ta antaninarenina tao.dia indro nisy ramato be iray efa tena reraka sady efa mangovingovitra mba hilahatra anao zvt eo koa.filaharana anefany @nio lava de lava, izy any @farany be any. ka nalaiko izy dia nataoko teo alohako. inona ozy enao nataonireo olona nilahatra tao aorina. nitabataba ny iray t@nireo olona, voanahita anizany kosa ny ambiny dia nanampy koa, dia naleoko za niverina tany aorina. dia nony tonga teo @toron\'ilay ranatobe indray hozenao, ai lay ramato ko tsy dia maheno tsara, ka tezitra tsisy otranizany lay vehivavy nandray azy sady novazavazainy lay ramato,ny olona nilahatra teo kosa dia faly sa ravoravo nahita anilay ramato voatabataba eo. farany nataoko dia nanatona anilay piasan\'i poste sady nilaza t@ oe rehefa tsy hiasa enao miala eo @nio toeranao io, tsimisaina na dia kely aza otrany olona tsinateram-behivavy.sady lasa za sy le ramato be nivoka, ny olona nangina tsisy saha niteny tsony. ny tiko ambara dia ny hoe. aiza oaiza @zany lay fahalalam-pomba ny malagasy. mialatsiny raha misy diso ny fanoratako azy.
14. fahamarinana ( 08/01/2008 20:01)
kofbay:

merci e!



:arrow:de rien ry kofbay a,zay no mba azo atao,nanaona ny suite-ny tantara ,raha azo tantaraina sinon tsy maninona e,ho taona tsara ho anareo ny 2008 dia ho lasan'izay ny tsy mety e(l)
15. LazaDaddy ( 19/02/2008 03:28)
Tena miaro ny vahoaka tokoa ve ny Polisy?
tsia
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0887