tambavy

1. ravakamalala ( 19/04/2007 22:13)
tena mandaitra ve ny tambavy? iza no mahafantatra ireo karazana tambavy sy ny vokany amin ny fahasalamana d ahoana no fampiasa azy ? ...
(fanontaniana re izao!!!!...)

ohatra izao misy an ilay hoe kely mavitrika sy ramijaingy tsara omena ny zaza fa tsy maha farofy no sady tena mampatanjaka!

fa ny tena mahalasa ny eritreritro koa dia ny hoe tsy misy voka-dratsiny ihany ve izy io raha toa ka atao ela loatra ny fisotroana azy?
novalian'i Fiffi ny 25/04/2007 11:32
2. Fiffi ( 19/04/2007 22:34)
inona moh le tambavy ? tisane ?
3. ravakamalala ( 19/04/2007 22:38)
azo lazaina koa hoe tisane! fa ny ahy ny tiako tenenina eto dia ilay tapakazo maina sy ravin kazo any dago ireny! (aferotany, volokatsaka, kijejalahy, kelimavitrika,...)
4. Fiffi ( 19/04/2007 22:42)
:oops: hay any dago ? tena tsy aiko indray akia io an !
5. watafon ( 20/04/2007 07:40)
ravakamalala: betsaka mihitsy ny tambavy no tena mahasitrana ange e! fa ny fatrany ftsn no indraindray tsy d haintsika loatra k raha lasa b loatra izy dia manimba ny rein ! fa amzao efa misy ireo labo mivarotra azy : ilay an'i Pr Ratsimamanga sy ny homéopharma,
6. sonwin ( 20/04/2007 08:17)
ravakamalala> tena mandaitra ny tambavy, tsy ho voatanisa eto kosa satria isaky ny aretina iray dia misy tambavy mifanaraka aminy, misy koa ny tambavy hisorohana ny tsy azahoana aretina.

Ny voka-dratsiny dia io voalazan'i watafon io. Raha ireny fanafody avoakan'ireo orinasa lazain'i watafon ireo izao dia tena tambavy mihitsy no aseho amin'ny endrika "moderne".

Ny sientifika sy ireo milaza azy ho mpivavaka be mazana no mivohy ny tsy mahatsara azy io,nefa dia io tambavy io ihany no exploiten'ny mpanao fikarohana fanafody.
7. watafon ( 21/04/2007 07:33)
Fiffi: zany mihitsy akia an ! :-*
8. Fiffi ( 25/04/2007 11:32)
wata: :* :)fa tsy maintsy mijery Dr aloha zay vao misotro an'io ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.086