mba firy isan'taona ny

1. bazylou ( 19/01/2007 22:35)
hazo voasolo amin'ireo ha maro tratran'ny doro tanety ??
novalian'i soanja ny 02/03/2007 01:45
2. soanja ( 20/01/2007 00:24)
Ny foret primaire de tsy ho voasolo mandrakizay satria hazo naniry iny de tsy hisy hanana an'iny intsony mifangaroaro toy ilay nisiany fa de raha misy mitsitokatokana sy tsy ala voajanahary intsony.

Ny hazo indray misy isan-karazany dia miankina amin'ilay tianao hambolena ny taona mety hamerina azy feno.

Amin'zao raha tsy diso aho efa tafakatra 98% ny ala main'ny doro tanety sy ny hafa koa dia asa re fa matahotra ny hilaza aho fa mety afaka 200 taona raha izao isika no manomboka mamboly foana tsy ankijanona. Asa anefa?
3. Fiffi ( 20/01/2007 07:32)
efa bdb ny fiharovana ny doro tanety any dago zao !
4. bazylou ( 20/01/2007 16:35)
ah bon,,, !! nef ambolamaro ihany ireo ha may !!:lol::lol::lol:
5. Fiffi ( 20/01/2007 22:16)
heu.....nefa tena efa manao mobilisation be ny any @ fampianarana ny olona ny vokadratsin'ny fandoroana tanety sy ny vokantsoa azo aminy ! bdb hiany ny reportage hitako mikasika an'io manko...
6. prime ( 23/02/2007 13:59)
Efa maro tokoa ny hetsika ho fiarovana ny ala aty... fa ny ahy ny fanontaniana tena manitikitika ahy dia roa manao hoe :

  1. inona ilay fiarovana tianareo resahina?
  2. inona marina no tena tombotsoa amin'ny fiarovana ny ala dia inona no fatiantoka amin'ny fampiasàna azy?
... misy hevitra tiako tsoahina mantsy fa resaka mandeha foana ilay hoe arovy ny ala, arovy ny ala... arovana ho an'iza?...
7. tywa68 ( 23/02/2007 14:44)
Hiaro ala ahoana ny olona noana ? ny afaka manampy @izany satria efa manana ny ampy, dia isaorana manokana !
8. soanja ( 02/03/2007 01:45)
Prime> Tsotra be izany ry Prime a, ny ala dia mitazona ny nofon-tany tsy voakaokan'ny riaka.
Ny ala dia toeran'ireo biby isan-karazany, izay mitondra balance ho an'ny fiainan'ny zanakolombelona satria miara miaina isika.
Ny ala no mitondra orana hirotsaka hanome aina ny tany sy ny zavamaniry eo aminy.
Betsaka be ny antony iarovana ny ala. Ka mety tsy zavadeihbe aminao io fa zavadehibe amin'ny hafa.
Zavadehibe amiko io ary raha mbola velon'aina aho dia hiezaka hiaro ny alan'i Madagasikara aloha. Ny ala hafa indray de rehefa manampotoana sy manana ambiny ny vola vao mankany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.493