Masomboly zanak'azo

1. Pao ( 06/01/2007 18:56)
Amin'izao ady mafy ataontsika mba hamerenana ny ala eto M/ar izao dia heveriko fa tokony hanangana foibe iray mpamokatra masomboly zanakazo amin'ny tonnes maro ary hafafy amin'ny fiaramanidina eny @ toerana tsy tongan'ny mpamboly hazo.
Angamba tsy dia hevitra vaovao loatra izany kanefa dia hinoako fa tsy maintsy hisy vokany tsara.
Sa ahoana hoy ianao?
novalian'i tywa68 ny 23/02/2007 14:47
2. xxx ( 06/01/2007 19:38)
Pao awo :-D
3. xxx ( 07/01/2007 04:40)
Nga moa ry Pao tsy efa natao izany tamin'ny fambolena grevillea tany atsinana sy mokinazy tany andrefana, ary moza teny Ankaratra-Antsirabe?
4. Pao ( 07/01/2007 06:28)
xxx:

Nga moa ry Pao tsy efa natao izany tamin'ny fambolena grevillea tany atsinana sy mokinazy tany andrefana, ary moza teny Ankaratra-Antsirabe?

Misaotra anao ry xxx nanome fanampim-baovao momba ireo etsika efa natao ireo,fa mba lazao hoe nanao ahoana ny vokany araka ny nahenao azy ary naninona no tsy notohizana?
Ny faniriana dia ny ahitana voan-janakazo mora maniry afafy amin'ireny tany sy tendrobohitra ngazana ireny fa tsy any @ tany efa misy ala toa ny any atsinana sy Antsirabe lazaina teo.

5. sitlo ( 09/01/2007 19:17)
ohatra ny masaka marina kosa izany ry pao an, omeko tehaka kely maintsiny =D
6. Solitikabe ( 10/01/2007 14:57)
Ka tsy aleo rehefa vokatra ny goavy dia asaina mitsangatsangana daholo izay avy mihinana an. Dia amin'izay mba azo hanina ny vokatra afaka 3 taona. Ahahahahhhahaha
7. xxx ( 10/01/2007 17:51)
zay zany no nahatonga ilay anarana hoe gavotsinahyyyy!
8. bazylou ( 12/01/2007 23:49)
mba mahaiza manoratra teny gays ry pao an!! masom-boly,, zana-kazo!! sa ianareo tsary nanao fanabeazana fototra e!!
9. Fiffi ( 16/01/2007 18:48)
:roll:
10. Herimiafina ( 16/01/2007 23:07)
Pao:

Amin'izao ady mafy ataontsika mba hamerenana ny ala eto M/ar izao dia heveriko fa tokony hanangana foibe iray mpamokatra masomboly zanakazo amin'ny tonnes maro ary hafafy amin'ny fiaramanidina eny @ toerana tsy tongan'ny mpamboly hazo.
Angamba tsy dia hevitra vaovao loatra izany kanefa dia hinoako fa tsy maintsy hisy vokany tsara.
Sa ahoana hoy ianao?


Tsara dia tsara ny hevitra. Misaotar anao.
Fa raha ny heritreritro manokana dia: mila jerena manokana ny faritra tsirairay avy ary tokony hanana PAG (Plan d'Amenagement et de Gestion) tsirairay avy fa tsy azo generaliser-na satria tsy mitovy ny tanjona kendrena, ary ataoko fa antony iray nananganana ny region izany izay mety azo hampifandraisina amin'ny region ecologique misy ao Dago (ERHART).
Mila tandremana ny antsoina hoe espece exotique toy io grevilea izay nentina niady tamin'ny doro-tanmety tany atsinanana io satria tonga dia mamono ny espece autichtone na tompontany hafa efa mitsiry ao izy ary ho loza raha hanjavona avokoa ny espece autiochtone rehetra fa hi-envahir ny espece exotique.

Farany dia ny tena ataoko hoe facteur limitant dia ny OLONA, mila fantarina ny zavatra ilain'ny isamparitra, sns, ary vohizina ny efa fahafantarany ny hazo (savoir local) fa raha atao imposition toy ny tamin'ny andro taloha dia ny andro hisian'ny projet ihany no ho vanona ny hazo fa vantany vao lany ny vola ka lasa ny projet dia miverina ami'ny teo aloha ihany satria tsy ny nilain'ny olona no nojerena fa ny nilain'ny projet.
11. Fiffi ( 17/01/2007 08:01)
ny zavatra mampalahelo ange de ny tsy fahalalana ireo tombontsoa azo @ io fambolena io eh !
12. prime ( 23/02/2007 14:16)
Herimiafina> =D=D=D
Pao> Tsara hainoana ilay hevitra fa sarotra tanterahina... mbola tsy zakan'ny toekarentsika izany fa mbola maro ny zavatra maika noho izany raha izao aloha... ohatra ny ady amin'ny fahantrana, ny ady amin'ny aretina mpandripaka...
13. tywa68 ( 23/02/2007 14:47)
prime sy Pao : =D=D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1166